ILAY DIARY MAINTIN'NY NENY (RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé))

Nitsidika : 2628
Tohin'ilay tantara " ilay diary maintin’i neny "

dia hoy i Bary :"Anja a, Anja, fa naninona tato ianao e, lazao ahy izay nanjo anao tato, fa naninona tato àry ity ry lanitra o!". Nobatain’i Bary avy hatrany ho any an'efitrano misy azy Anja ka nampatoriany teo ambony fandriany, dia niantso dokotera avy hatrany izy. Afaka kelikelin'iny dia tonga tao an-trano ny dokotera izay nantsoina. Nanontany an'ilay dokotera i Bary : « fa inona no nahazo azy tato dokotera a? saingy tsy tena namaly mivantana anefa i dokotera fa hoy izy : "angamba izy fanina irery tato dia niajera ka izay no mety namparatra azy tahaka izao".! nefa tsy nahafa-po azy ny valin-teniny, niezaka nanontany an'ilay dokotera izy ary farany dia nolaizany fa nisy namono izy, dia gaga i Bary : "iza moa izany no namono azy tato nefa tsy nisy afa-tsy izaho sy izy irery no tato, mahagaga koa izany sady izaho koa aza toa resy tory teto ambonin’ny fandriana irery ka raha nahatsiaro nangatsiaka kely iny aho dia somary taitra kanjo izy tsy tazako teto akaikiko dia izaho sendra nankany amin’ny douche iny no nahita azy nidaboka tamin’ny tany!", dia lasa ilay dokotera. Afaka fotoana fohy dia taitra indray i Anja ka niantso an'i Bary : "Bary a, Bary! Aiza ialahy teo e, kakakakay marary ahy koa izany lohako izany marina, fa maninona koa ary aho izany?" i Bary moa mbola nikarakara zavatra tao ambadika, ka rehefa henony ny antsoantso nataony dia hoy izy:"Ay taitra ny malalako, ahoana izay! Miala tsiny fa mbola nanao zavatra kely tao ambadika tao aho e! dia hoy i Anja :"mba omeo rano kely aho aloha sotroiko fa tena mangetaheta be aho izany ki malala a!", "eny" hoy i Bary sady lasa naka rano, :"ity àry ilay ranon'ny malalako e", misaotra hoy Anja sady nisotro, dia nanontany moramora azy i Bary :"fa inona akia no nahazo an-dry tao amin'ny douche tao alina sady tsy mahalala miantso nefa izaho mbola tsy tena resy tory akory", (somary miala bala kely), dia hoy izy :" fa’Izaho moa naninona ry Bary? Ay! izay vao tsaroako fa nisy namono ahy tokoa alina, sady raha ny tsaroako koa dia efa niantso anao aho, fa ianao aza tsy nahare na inona na inona akory koa, fa izao e, nahita olona fotsifotsy be mihitsy aho tao amin'ny douche tao dia nofelahany mafy ny tarehiko, sady norohitiny mafy ny voloko dia izay no nampaharatra ahy hoatr'izao", dia sady natahotra ihany izy nitantara sady nitomany kely ihany koa, dia gaga i Bary ka hoy izy : "fa olona inona koa izany ry Anja a, jiolahy ve sa matotoa? Dia hoy izy:" aza manatsafa ahy eo ianao ry Bary ka, efa izao no mahazo an'ilay olona mbola anaovana fanontaniana adaladala ihany, raha jiolahy ve no tao koa tsy ianao voamafy amin’izany, raha matotoa aloha mety ho izay satria tena nisy rivotra be ange tato e" (sady natohatra ka dia niverina natory, izy rahateo koa mbola reraka. Ary noho ny ampitso raha mbola tany ampiasana iny i Bary, ka i Anja irery no tavela tao an-trano dia niseho taminy indray ramatoa Rasendra renin'i Bary ka dia raiki-tahotra mafy, niezaka niantso an'i Bary tamin'ny findainy i Anja saingy izy mbola refona tamin'ny asany ka tsy naharay izay antson'i Anja. Tampoka teo anefa dia nisy rivotra nifofofofobe tao an-trano ka dia raiki-tahotra mafy izy, ary indro nisy aloka mainty mivezivezy tazany teo amin'ny rindrina, (nisy zavatra niajera tany an-dalan-tsara), indro fa niseho taminy indray i Rasendra ka hoy izy tamin'i Anja: "hahaha, tratrako indray ikala tsy vanona ity androany a, mbola ato ihany tena hatramin'izao a, efa miteny an-tena aho aza mijanona ato? Tena ihany no nahatonga ahy hoatr'izao ary efa nampitandrina aho hoe aza mijanona ela ato kanefa mbola io tena eo ihany, hahaha taperiko eto ny ain-tena androany, hahaha!", natahotra mafy i Anja ka nangataka fifonana taminy :"mifona re tompoko o! fa izaho naninona anao e? Sady tsy azoko mihitsy izay tianao ho lazaina sy hatongavana amiko e! Mifona re avelao aho! Ao fa tanterahako izay hangatahanao e!" sady mitomany izy, i Rasendra anefa tsy te-hahalala ka nampitandrina azy : "tsy mila an-tena mijanona ato intsony aho manomboka rahampitso, ary tsy ilaiko intsony tena miaraka amin'iny zanako iny, mazava!" dia somary gaga i Anja ka nanontany : "fa zanakao iza? Ary iza ianao e!" dia voafelak'i Rasendra indray ny tarehiny ka hoy izy :"modian-tena tsy fantatra ndray aho ve e! Ny zanako koa dia tsy fanta-tena a! Izaho no Rasendra r'ity a, ilay nampitondrain-tenisany fahoriana ka niafara tamin'izao fahafatesako izao, dia zanako! i Bary izay tafaraka amin'ikala mpamosavy ity!" dia torana indray i Anja ka tsy nahatsiaro tena, dia lasa indray i Rasendra ka niteny azy :"raha mbola ato tena dia tsy maintsy miala amin'ny tena ny ain-tena,hahahaha" sady lasa nandeha, i Bary anefa efa tonga mandondona ao am-baravarana tsy misy mamoha mihitsy ka hoy izy :" fa lasa aiza koa ary Anja sa lasa nivaoka any an-tsena any, nefa izao aza efa ora fisakafoana koa, aleo jerena atsy, tsy ao ary izy koa, aleo rangahy eto aho no hiditra fa rehefa tonga eo ve tsy ho hita eo a!", dia nianika ny varavarakely ka taitra be nahita an'i Anja nivalampatra teo amin'ny tany ary nahitana ratra kely ny tarehiny
ka hoy :"oadray marina, fa i Anja, Anja a, fa naninona tato ndray ianao e, jereo ny tarehinao fa manangana be!" fa loza inona ary ity ry lanitra ô?"

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha

#2 17/05/2020 05:44:01
mamaky finaritra tompoko o!
#1 17/05/2020 05:36:28
Mahafinaritra. Hamaky azy miaraka amin'izay