ILAY DIARY MAINTIN'NY NENY (RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé))

Nitsidika : 2631
tohiny tantara hoe " ilay diary maintin’i neny "

dia niantso dokotera indray i Bary...,
rehefa nanontany an'i dokotera anefa i Bary dia hoy dokotera taminy : "raha izao fandehan-javatra izao r'ise dia tena misy zavatra hafahafa sy mampiahiahy ato aminareo ato a!", "zavatra hafahafa ahoana hoy i Bary? sady natahotra kely ihany, dia ho sanatria ve hoe misy matoatoa ato an-trano ato, dia matotoho an'iza anefa? raha i neny sy dada aloha mety tsy mino aho," "angamaba hoy dokotera", " izay r'ise fa lasa aho aloha a, ny mararitsika koa ity efa nahazo tory tsara ary tsy dia atahorana ny fahasalamany", Bary : "eny ary dokotera a, omen-dalana ianao" dia lasa nipetraka izy nandinika sy nisaintsaina izany. Dia lasa dokotera, ary izy kosa mbola nieritreritra izay tokony ho ataony. Fa tampoka avy teo dia nisy zavatra nianjera tao amin'ny efitra fandraisam-bahiny ka taitra izy ary avy hatrany dia nidina kanjo trano efa mikorontana no hitany tao, ary i Anja kosa notaperin-dRasendra mangina tao amin'ny efitra nisy azy ny aina ka hoy izy: "hahaha, anio no fetra, anio no tapitra ny ainy tena ry Anja tsivanona o, hahaha! ela nitoratorahan'ity ka nahavoa voamason'angatra, hahaha, tsy maintsy vitaina eto ny momba an'ity ikala Anja ity, aleo amin'izao izy mbola matory izao, hahaha," ary nokendainy Anja ka dia tapitra ny ainy, ary rehefa niverina ho any an'efitra i Bary dia efa vatana mangatsika mianjera amin'ny tany sy trano mikorontana no sisa tratrany tao, taitra izy :" oay, fa inona ity, i Anja a, Anja a, fa inona daholo ary izao e (sady nitomany), aaa kosa e, Anja a fa naninona tato ny malalako rey olona a? dia tampoka teo anefa nisy rivotra nifofofofo indray tao an-trano, dia niseho taminy i Rasendra reniny :" Bary a, aza miraharaha an'io olon-tsy vanona io ianao anaka a, io ange no antony nahafaty ahy e, mpiatsaravelatsihy io ry Bary a", taitra kely i Bary: "iii, neny ve izany e", "eny" hoy Rasendra, "tena tsy vanona ianao ry neny a, tsy vanona ianao e, olon-tiako ve dia sahinao ny manapitra ny ainy e, naninona raha izaho no nataonao an'izao fa tsy ny zanak'olona tsy maninona anao e! tena olona tsy vanona ianao e, rariny ihany ianao raha maty any", feo mitomany: hantsay ry Bary! zanako ange ianao e, fantatrao ihany fitiavako anao fony fahaveloko, saingy tsy tsapanao moa izany ka dia lasa areti-po ho ahy ka niafara tamin"izao fahafatesako izao", ary hitanao ity boky mainty ity, voarakitra ato daholo ny tantaram-piainantsika telo mianaka fony fahaveloko dia manoratra ireo zava-mitranga teo amin’ny fiainantsika ary ato daholo ny anaran'ireo vehivavy izay miaraka aminao ka nahasaro-piaro ahy fatratra, ka raha avy izay andro ahafatesako dia ireo no nanaovako ny vali-fatiko kanjo tanterako izy ankehitriny!", dia hoy Bary: " fa boky mainty ahoana? ary inona no antony anaovanao vali-faty? tsy mazava amiko ange izany e!, ary naninona anao ireo olona ireo? tena devoly mihitsy kay ianao ry neny a!". Rasendra :"izao re no antony e", hoy rasendra: "tsy tiako ianao ho adalain'izao vehivavy rehetra izao e!, Bary: "dia izaho izany tsy mba hiaraka amin'izay olona tiako?, sa izaho mihitsy no tsy avelanao hanambady? ny anao kosa efa haratsiam-panahy diso toerana ko, sady fitiavan-janaka diso fitoetra, mandehana ianao mandeha any fa maharikoriko na mijery anao aza, tena vehivavy tsy vanona mihitsy ianareo 'tony ka, tsy nampoiziko mihitsy marina!" mandehana ho aho ary aza miverina eto intsony!", Rasendra :"hantsay anaka, dia izany ve no vava ataonao amiko, fitiavako anao ange no anaovako izao e", Bary: " izao ve ry neny no atao hoe fitiavana aminao a, famonona izay ho vinanto?, Rasendra:" eny ary anaka fa andeha aho a, tsarovy anefa fitiavako anao no anton'izao, mbola hiverina aho mbola misy olona iray any miandry anao ka raha mihevitra ny hiaraka aminy ianao dia mbola mitohy izao, izay veloma ianao", dia lasa i Rasendra
Bary kosa very hevitra tanteraka ny amin'ny fatin'i Anja: "Anja a", sady mitomany. Taorian'izay dia niantso sy nampandre an'i Rindra i Bary (tamin'ny feo mitomany), ary Ilay Diary Maintin’i Neny dia tavela tao an-trano ary hitany ka noraisiny dia novakiana izay tao anatiny ka ny anaran'i Rindra no tazany teny amin'ny faran'ny pejy ary an'isany ho faty ihany koa, Bary : "oay, iii, Rindra koa ve?"

mbola hitohy

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
06-03-2019

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha

#2 17/05/2020 05:44:01
mamaky finaritra tompoko o!
#1 17/05/2020 05:36:28
Mahafinaritra. Hamaky azy miaraka amin'izay