Ditram-bady (Riva Ando Andriamalala)

Nampiditra: admin
Nitsidika : 4271
Sokajy: Sombin-tantara
Nalaina tao amin'ny boky nosoratan'i Riva Ando Andriamalala hoe "Kalo Fitia" p. 56-59
Herintaona ve dia ampy hahalefy ny hanitry ny fitia?! Herintaona ve dia ampy hahatofoka ny tsiron-tokantrano vao?! Sa eo amin'ny faha herintaona no tratra ny atao hoe "mahazatra" ka mila hery mpanentana vaovao indray hamerina ny tadidy nosembanin'ny fanadinoana?!

Henoy anie ny resak'izy mivady e:

-Tiana a, fa iza indray izao io mandefa hafatra io, sipanao mihitsy io...

*'Zay 'ndray Lalaina! Ianao aza adiny firy niresaka teo amin'ny « ordinatera » teo halina tsy hay hoe ahoana. Sady tsy hitako hoe maninona izao io hafatra io.

-Antsoiko izany dia anontaniantsika eto? Sady ny anao rehefa tenenina dia tsy maintsy mahita hanakianana ahy foana koa.

*Ka ianao no manomboka eo koa, leo be aho! Tsy manana fahana ho laniana amin'izany aho fa aza mandreraka, olona diso laharana rehetra izao ny anareo... Lasa aho, tsy misakafo antoandro eo aho fa rahariva vao miverina.

Dia lasa i Tiana... Namonjy ny birao toy ny mahazatra izy. I Lalaina moa mbola eo am-pamitana ny fianarany, fialan-tsasatra izao ka tsy rototra firy izy hivoaka ny trano anio. Nisosa tsimoramora teo iny maraina iny.
Ny antoandro, efa tamin'ny 2 ora latsaka vao nanidy birao i Tiana dia namonjy ilay toeram-pisakafoana mahazatra azy. Angamba mieritreritra ny tsy hiverina hiasa intsony izy io... Ho aiza?!
Nony efa kely sisa tsy ho lany ny sakafo dia nandray ny findainy izy ary niantso:

-Allo, Ra-Tiana ihany ry zandry a, misy efitrano malalaka? Mba hiotra kely aho fa valabalaka...

*Ah... Ra-Tiana marina, oadray... raha ho an'ialahy indray misy foana ka. Sady misy sipa kely vaovao izay ao, tena mbola hafa raha samy sipa tato izy izay, azoko fandrihana ho anao raha ho avy ianao.

-Hay, tonga dia raikitra izany fa amin'ny 3 ora sy sasany aho tonga eo.

Vao lany ny sakafo dia nanainga izy hamonjy ilay hotely fa efa amin'ny 3 ora latsaka izao... Hiotra hono ny tovolahy!
Toa efa toerana mahazatra azy loatra ity toerana ity fa vao niditra izy dia nitsiky taminy ireo tanora maromaro mpiasa ao. Tsy niresaka betsaka anefa Ra-Tiana fa niarahaba vetivety dia nanatona ilay tovolahy iray nantsoiny teo am-pisakafoana:

-Tonga dia omeo fanalahidy aho letsy dia asaivo miakatra ao izy rehefa avy eo fa handro kely aho aloha a.

*Ia ia, efitra faha 14... mazotoa ialahy!

Dia niakatra namonjy ilay efitrano Ra-Tiana, nandro vetivety izy dia nitsotsotra teo ambony fandriana. Teo am-piandrasana izato mpanotra mahay vaovao dia noraisiny aloha ny finday ary izao no hafatra mbola tsy voavaky tao:

-Tiana o, malahelo be anao aho vadiko a. Azafady tamin'ilay resaka tamin'ny maraina fa 'zaho ange saro-piaro satria tia be anao e, ahy irery moa ianao o?

Dia toy izao no navaliny azy:

*Lalaina a, 'zaho koa aty tsy mahavita asa mihitsy fa malahelo anao. Eny ary e, fa aza dia saro-piaro be loatra moa e, anao irery ange aho e... Dia ianao koa ahy irery moa o? Ba mamy...

Fantatro fa malahelo ny fonao am-pihainoana izao tantara izao. Satrinao angamba ho faranana eto fa tsy holazaiko intsony ny tohiny, na koa raha azonao atao ny niangavy dia nangatahinao mihitsy ny hanova ny tohiny mba tsy ho araka ny tian'i Tiana hanohizana azy... Izaho koa toa anao, nefa mamelà ahy ianao hanohy kely farany ny ampahany monja satria mety hahasosa anao ihany ny fihainoana izany.
Efa misy mandondona ao am-baravarana:

-Ho avy tompoko!

Sady nitsangana i Tiana hamoha varavarana ity mpanotra vaovao. Nosokafany moramora ny varavarana:

-Miarahaba tompoko! Fa... La... Lalaina?!

*Ti... Tiana?!

Riva,
14/01/13 Ambohidratrimo

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha

#4 01/08/2020 04:26:21
Mpankafy an'i Riva tanteraka
tiako avokoa izay zavatra avoakany
#3 24/03/2018 20:53:55
Maro ireo asasoratr'i Riva no nandalo teo ambany masoko, ny tsapako dia mandona fo hatrany ireny...
Mitomboa hasina hatrany zokibe a!
mitomboa talenta e

FahNamby
#2 19/08/2015 07:39:56
Dia ho an'iza ny tsiny ?
#1 18/08/2015 08:56:11
Ny foko dia tia azy!
fa ny saiko ngamba no te hanitatra zava-baovao sy te hiala voly kely fa tsy mahazaka ny fifanandrinana mandinidinika ao antokatrano ao.

saika tratran'izay avokoa ny olombelona amin'ny akapobeny. mbola tia fa te hialavokona kely.
tsy maty ilay fitiavana, fa ao ihany ; saingy ny tsy fahazakan'ny saina ny zava-mitranga dia mitady fitonian-tsaina isika matetika .
ao ny :
_ miasa
_ misotro
_mi-ball
_ miloka
_ manao sipa
_ mitakoritsika
_ sns....
fa amin'ny akapobe samy mahatsiaro ambadiny daholo rehefa vita ny rs ao antakonana ao.

fa amin'ny tokatrano tsy dia ampy arabola dia toa ity tantara ity no hiafarany. mitady famenony any ivelany ny vehivavy.
na ankolaka na mivantana toa izao.

hafatra eh! _ aza maika ny hakavady na hanambady raha tsy mba fenofeno ny fivelomana fa miainga ao ny fahampotehana sy faharavana .

lehilahy tia rendrarendra , vehivavy tsy mahazaka tsy fisiana ! :-)