Ny masoandro sy ny volana (Angano)

Mpanoratra Angano
Nampiditra jantina
Nitsidika 6117
Mpanoratra Angano
Angano azo tantaraina amin'ny ankizy rehefa hatory
Pejy 1
Ingahy masoandro sy ramatoa ravolana hono dia mpivady fehizay. Nananjanaka izy ireo ka ny lahimatoa dia ny kintana fa ny ankoholahy kosa no manaraka.Tsy mifanaratsaina anefa hono izy mirahalahy ireo fa I kintana dia tia an-dreniny kokoa raha toa ka iakoholahy kosa dia tia an-drainy.
Indray andro anefa hono tsy afaka nanaraka an-drainy nitety ny tany akoholahy ka izy mirahalahy no hany nijanona tao an-trano.
Raikitra anefa hono ny fifamaliana teo amin'izy ireo ka indro tonga ravolana reniny sy ingahy ramasoandro
nanasaraka. Ka hoy rainy:
Manomboka anio ianareo roalahy dia tsy ho tafahoana intsony.
ka ianao rakoholahy dia hilaza ny fahatongavako amin'ny olona any an-tany ny maraina,fa i kintana rahalahinao kosa hanambara ny fahatongavan'i volana reninareo ny takariva.
Ka nanomboka teo dia tsy tafahoana intsony izy ireo .Ary vokatr'izany ihany koa hono no niteraka nyfisarahan'izy mivady

Angano angano arira arira
6117 1

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.107