NY LANJAN'NY TSO-DRANO TAMIN'NY MALAGASY (AZRAEL)
Ny tso-drano zava-mahery...
Pejy 1
Fahizay teto Madagasikara, dia nino ny herin'ny tso-drano sy ozona ary ny fisian'ny hasina ny Malagasy. Ny tso-drano manokana dia tsy azoazo fahatany, fa tena italahoana sy angatahina fatratra, ary indraindray aza dia andoavam-bola, ka raha sendra ny fetsilahy dia fikaramana tokoa. Ny lehilahy fitopolo taona no mihoatra amin'izao taona 2025 izao dia afaka manamarina, fa taloha na dia hanala volombava voalohany aza dia mila angatahan-tsodrano sy andoavana vola amin'ny ray niteraka. Nirindra ny fiaraha-monina tamin'izany.Ankehitriny anefa tsy mino ireny zava-javatra ireny intsony isika, dia jereo ny fiaraha-monina misy anao: mitari-bady tsy lasam-bodiondry ny ankamaroan'ny tanora, mangala-badin'olona ny sasany, izay heloka bevava tsy takatry ny saina misy avokoa: halatra taova, voamaso, lakolosy, harem-pirenena, hala-jaza, sns.
Tsy ampy fanabeazana angamba ny taranaka taty aoriana, ka manaonao foana. Andao tsy hifanilika andraikitra, fa samy hanao ny manandrify azy avokoa isika rehetra!
Hametraka hevitra
Midira aloha