Perikopa FLM-Alahady III man.Paska (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 4
Mpanoratra AZRAEL
Jaona 16:16-22
Pejy 1
Hoy Confucius, olon-kendry sinoa tamin'ny andro taloha: "manana fiainana roa isika, ka ny fiainana faharoa dia hatramin'ny fotoana ahatsapantsika fa tokana ihany ny fiainantsika". Ny dikan'izany dia izao: fohy sady mandalo ny fiainantsika olombelona, ka aza lanilaniana foana fahatany. "vetivety foana": izany no ilazan'ity Tenin'Andriamanitra ity azy. Vetivety foana ny fiainana an-tany, ny fahoriana, ary indrindra ny fanenjehana izay TSY MAINTSY HAHAZO ny mpianatr'i Jesosy Kristy, kanefa vetivety foana koa dia "hahita Ahy indray ianareo" hoy Jesosy, "ary tsy misy mahay manaisotra ny fifalianareo". Tsy mandainga Andriamanitra, tsy mamitaka Jesosy, fa miareta, mahareta fa "VETIVETY" no hisentoanao, hijalianao, ary tsarovy fa "izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena", ary "aty amin'izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana, nefa matokia: Izaho efa naharesy izao tontolo izao", hoy ny TOMPONTSIKA. AMENA
4

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0184