"Kely foana no mbola hitoeran'ny mazava aminareo..." (Jao 12:35-43) (Elysé Azrael)
Pejy 1
Raha lazaina amin'ny teny hafa dia "kely sisa no hitoeran'ny mazava aminareo". Kely sisa= midika izany fa tsy manam-potoana betsaka hanaranam-po amin'ny nofo intsony isika fa AKAIKY NY FARANY:- Kely sisa hisentoanao
- Kely sisa no hiaretanao fahoriana eto an-tany
- Kely sisa fotoana hahafahanao manararaotra manao ny asan'Andriamanitra
- Kely sisa hahafahanao mino an'i Jesosy mba handraisanao ny famonjena...
Kely sisa, KA AZA MANAIKY INTSONY HOHAJAMBAIN'NY ANDRIAMANITR'IZAO TONTOLO IZAO; AZA MIRAIKI-PO INTSONY AMIN'NY FAHOTANA... Fa mitenena kosa miaraka amin'ny hira FFPM hoe:
"Ka amin'izao sisa izao,
Mikasa aho Tompo ô!
Hanao izay nohafaranao,
Hanaraka anao am-po:
Satana dia holaviko,
Hafoiko izao tontolo izao,
Rafesiko ny nofoko,
Fa hianao Mpamonjy ô!
Mpanavotra tsy foiko
No sisa hotompoiko".

Hametraka hevitra
Midira aloha