Ny fametrahan-tanana (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 3
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Ny fametrahan-tanana dia zavatra voasoratra anaty Baiboly: Arona mpisoronabe dia nametra-tanana tamin'ny omby mba hamindrana ny fahotany amin'ilay omby, ny mpianatr'i Jesosy dia mametra-tanana amin'ny marary ka ho sitrana ireny...
Misy tian-kambara manoloana izany: ireny Pastora, Mompera, Mpiandry, sns izay mametra-tanana ireny ve mba voafehiny ny hery ara-panahy afindrany amin'ny alalan'iny fametrahan-tanana iny? Sao sanatria ka mamindra fahotana, na koa mamindra fanahy ratsy?...
Ny ahy manokana dia izao: aleo mba olona manana an'i Jesosy tokoa no mametra-tanana amiko, fa raha olona hitako izao fa mpisotro toaka, mpifoka, mpijangajanga ve no avelako hikitikitika ny lohako eo? Koa raha tsy daika aho koh...
Ny resaka ara-panahy dia tsy sangisangy. Aoka isika mpametra-tanana handini-tena, ary mba diniho ihany koa, ho an'ny ametrahana tanana, izay tanana masina sy tsy masina mikitikitika anareo sao mitondra fanahy ratsy.
3

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1801