Ny hita maso sy tsy hita maso amin'ny olombelona (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 3
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Isika olombelona dia sady vatana no fanahy, sady misy ampahany ita maso, ary misy ampahany tsy hita maso. Ny hita maso dia mazava ho azy fa ny vatana (le corps) na ny nofo (la chair), ary ny tsy hita maso kosa dia ny fanahy. Io fanahy io dia saika mahafaoka azy avokoa ny teny hoe: "fanahy, saina, fo, esprit, âme, sns".
Matetika anefa dia misy fahadisoana koa ny fandraisantsika azy ireo: misy mieritreritra hoe ratsy ny vatana na ny nofo, fa ny fanahy no tsara sy ilaina. Ny fomba fijery Kristiana hatrany moa no itarafantsika izany dia izao: samy sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra na ny vatana hita maso, na ny fanahy tsy hita maso. Ny vatana na ny nofo dia tsy hafa fa ilay "vase" izay matetika adikan'ny Testamenta Vaovao Malagasy hoe: fanaka: "fanaka voafidy" (Asa ), "homem-boninahitra sy halaim-baraka" (2 Tim). Ary tsy avelan'Andriamanitra holotoina ihany koa amin'ny alalan'ny fijangajangana, fisotroan-toaka, sns (Joda 1:). Tempolin'Andriamanitra rahateo koa ny vatana, koa tena tokony hokarakaraina (Kor).
Ny saina indray dia azo lazaina fa ampahany amin'ny fanahy, saingy ampahany novolavolain'ny maha olombelona sy ny fiaraha-monina, ka feno "izaho", "fizahozahoana", na ny "ego", loharanon'ny egoisme. Ary io no itenenan'i Jaona Mpanao Batisahoe: "Izy tsy maintsy mitombo fa izaho tsy maintsy mihena" (Jao 3:). Matetika ity teny ity dia ampiasain'ireo olona sasany hanaporofoana fa tsy tokony hampiasaina ny saina sy ny fahalalana. Kanefa tsy ny saina loatra no ratsy fa ny fizahozahoana ao anatiny ka itenenan'i Jeosy Kristy hoe: "miova" amin'ny fanavaozana ny saina" (Rom 12:).
Ny fanahy dia ilay "endrik'Andriamanitra" ao anatintsika ka tsy mety maty, sady mbola feno misitery amintsika. Io fanahy io no maha olombelona antsika, izany hoe loharanon'ny fahavelomana ny fisiany. Andriamanitra irery no tompon'ny teny farany mahakasika ny fanahy, ka aoka isika hitandrina raha vao hoe fanahy no resahina!
3

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0693