Toriteny Alahady XII man TRINITE-(Marka 7:31-37) (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 78
Mpanoratra Elysé Azrael
Effatta = Maladia
Pejy 1
Ny olona any ivelan'ny Fanjakan'Andriamanitra dia "voafatotra", ka ny "hitondra fanafahana ho an'ny mpifatotra/mpigadra" no nahatongavan'i Jesosy ("Ny Fanahin'ny Jehovah no ato amiko...").ILAY LEHILAHY MARENINA SADY RAIKI-DELA ETO NO VAHAN'I JESOSY:Ny hoe EFFATA (teny Arameana) dia midika ara-bakiteny hoe: OUVRE-TOI na "mivohà/mivahà ianao" NY SOFINY SY NY LELANY. ISIKA FIANGONANA KRISTIANA ANKEHITRINY KOA DIA "SADY MARENINA NO RAIKI-DELA" rehefa:
-Tsy mitory marina sy madio ny Tenin'Andriamanitra.
-Tsy mijoro ho mpaminanin'ny firenena
-Tsy mahana-janaka maditra
-Tsy mahasahy mijoro ho vavolombelon'i Kristy.
Hataonao ahoana ny "hanao mpianatra ny firenena rehetra" raha ianao aza "MARENINA SADY RAIKI-DELA"? "Na inona na inona fehezinareo/hidianareo ety an-tany dia hofehezina/hohidiana any an-danitra". AZA HIDIANA NY FONAO TSY HIDIRAN'I JESOSY, raha tianao hovahany ny fatoranao, KA HO TONGA OLONA AFAKA IANAO!
78

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2171