fanaovam-beloma (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 35
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 35
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
FANAOVAM-BELOMA NY MPITANDRINA MPIZA-DRAHARAHA
Pejy 1
Fanaovam-beloma ny Mpitandrina Razafindravelo Heriniaina Raphaël mianakavyNanomboka ny Alahady 18 Aogositra 2024 ka mifarana anio Alahady 30 Martsa 2025 ny fizaran-draharana nataon’ny Mpitandrina Razafindravelo Heriniaina Raphaël na Pasteur Hery teto amin’ny Fitandremana Andrainarivo Fahasoavana. Nisaotra sy nitsodrano azy ny Mpitandrina Rajarison Nirina sy ny Fiangonana manontolo, izay anton’ny fanaovam-beloma azy efa-mianaka.
“Vita androany tokoa ny fizaran-draharaha teto amin’ny Fitandremana Andrainarivo Fahasoavana. Misaotra ny Tompo ny amin’ny fanomezany hery sy tanjaka nahazoana nanatanteraka izany ary misaotra ny Fiangonana Andrainarivo Fahasoavana manontolo koa tamin’ny fanohanana sy fanomezana rehetra nataonareo taminay tao anatin’izay fotoana niarahantsika teto izay. Nahafinaritra tokoa ny fiarahana teto ary enga anie Andriamanitra homba anareo mandrakariva. Mahareta amin’ny fanompoana ary mifankatiava tsara.”
Pasteur Hery talohan’ny nidirany teny amin’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina dia nampianatra tamin’ny EPP sady Talen’ny sekoly. Ny taona 2020 izy no voaantso hiditra hianatra ho Mpitandrina. Tsy mifarana hatreo anefa ny fizaran-draharaha ataony fa Fitandremana vaovao indray no handray azy hatramin’ny Alahady 27 Jolay 2025 hamoahana sy hanirahana azy. Manambady ary manan-janaka roa Pasteur Hery.
Hametraka hevitra
Midira aloha