FANAOVAM-BELOMA (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)

Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 35
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
NATAO VELOMA NY MPITANDRINA TENDRY MPIZA-DRAHARAHA
Pejy 1
Tendrinjanahary ho ahy ny ho Mpitandrina
Natao ny Alahady 25 Aogositra 2024 teto amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny fanaovam-beloma ny Mpitandrina Nambinintsoa Tendrinjanahary rehefa nahavita ny fizaran-draharaha nandritra ny sivy volana sy roapolo andro (5 Novambra 2023-25 Aogositra 2024).
Nambinintsoa Tendrinjanahary dia zanaky Ratongasoa François sy Razanadraibe Jacqueline. Telo mianadahy izy ireo no iraitampo ka izy no zaza voalohany. Mipetraka any Amparafaravola Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro, ny Ray aman-dreniny. Ny Raibeny dia Mpitandrina ary naniry hanao izany asa fanompoana izany koa izy satria « tendrinjanahary ho anay izany », hoy izy.
Nanolotra ny lahatsoratra famaranana teny amin’ny Toeram-panomanana Mpitandrina Ambatonakanga izy, izay nalaina tao amin’ny Mika 4. 1-5 na « Ny fampanantenan’Andriamanitra ny voninahiny tamin’ireo Firenena sy ny olona avy nampahoriana ». Hoy izy : « Ny olona avy nampahoriana ve mbola afaka manantena ny voninahitr’Andriamanitra ? Eny satria Andriamanitra dia miasa mandrakariva ao anatin’ny olona ». Taorian’izany no namoahana azy ho Mpitandrina ny Alahady 28 Jolay 2024 tao Antsahamanitra, niaraka tamin’ny andiany « Miray », araka ny Jaona 17. 21 manao hoe : « Mba ho iray ihany izy rehetra ».
Mialoha izao fizaran-draharaha teto Andrainarivo izao dia efa nanao izany tany amin’ny Synodamparitany Tsiroanomandidy, izy ; tany amin’ny Fiangonana atao hoe Ambohibarikofay, zana-pitandremana Bevato, nandritra ny herintaona.
Ny toerana nanendrena azy dia any amin’ny Synodamparitany Kristy Fihavanantsika Avaratra Atsinanana any amin’ny toerana antsoina hoe Anjialava (Sambava).
Hafatra ho anareo zanako
Hoy izy : « Zavatra telo no holazaiko dia ny fisaorana sy ny fifonana ary ny hafatra.
Voalohany, isaorantsika Andriamanitra nampiombona antsika teto nandritra izay fotoana izay. Isaorana koa ny Ray aman-dreny Mpitandrina mivady sy ny Biraon’ny Fiangonana na ny teo aloha na ny vaovao ary indrindra ny Fiangonana manontolo eto Andrainarivo Fahasoavana. Nahafinaritra ny fiarahantsika teto nefa noho ny fandaminan’Andriamanitra dia tsy maintsy mandeha manatanteraka ny iraka izay efa niantsoany anay izahay.
Faharoa, ifonana eto anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana manontolo raha nisy zavatra natao ka nahasorena na nanafintohina anareo satria mahatsara antsika ny manatanteraka izany eo anatrehan’Andriamanitra, mba samy hadio fo isika ka samy hahita an’Andriamanitra.
Fahatelo, nataonareo ohatry ny Ray aho teto. Koa amin’ny maha Ray ahy dia misy hafatra omeko anareo zanako, araka ny hita ao amin’ny 3 Jao 1. 4 manao hoe : Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. Zanako ianareo ry havana malala koa tanteraho ary ny fifalian’ity Rainareo ».
Nivavaka sy nitsodrano azy ny Mpitandrina Rajarison Nirina sy ny Fiangonana.
35

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0232