HAFATRA MPIANDRAIKITRA FOIBE (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)

Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 30
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
hafatra avy amin'ny mpiandraikitra Foibe Fjkm
Pejy 1
30 Aprily 2025
HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE MF 08 SL XIX
23-30 Aprily 2025 CFD Ampandrana
Ry havana,
« Hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana. » (Joda 2)
« Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Israely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy » (Lioka 1:68). Izany Teny izany no isaorantsika an’Andriamanitra noho ny fahavitan’izao fivoriana ara-potoana farany, amin’ity taom-piasana ity izao. Tanteraka nandritra izao fivoriana izao ny fametrahana araka ny fomban’ny Fiangonana ireo  Prezida Synodaly sy ireo Talemparitra ary ireo Talen’ny  Sampanasa ary Asa hiasa ho amin’ny efatra taona manaraka indray (2025 - 2029), ary ny Komitin’ny faha 200 taonan’ny Trano Printy Imarivolanitra.
Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory tamin’ny 23-30 Aprily 2025, tao amin’ny CFD Ampandrana, Antananarivo, dia manao izao hafatra izao ho an’ny Kristiana FJKM rehetra :
Mampahery ny Kristiana, hihazona hatrany ny fampianarana tsy misy kilema, ka tsy ho voatariky  ny fampianaran-diso sy ny faminaniana sandoka mahazo vahana eto amin’ny firenentsika.
Manainga antsika rehetra hivavaka ho an’ny Synoda Lehibe XX, izay hatao any Taolagnaro, ao amin’ny FJKM Bazarikely Fort-Dauphin (SP07) ny 13 – 20 Aogositra 2025 ho avy izao, raha sitrapon’Andriamanitra.
Ampahatsiahivina isika  hanatanteraka ireo adidy ara-bola mifanandrify amin’izany.
Mampahatsiahy antsika fa an’i Jesoa Kristy ny Fiangonana, koa ekentsika amim-pahendrena sy fitiavana ny fandaminany. Mampahery ny Fiangonana sy ny Synodamparitany tsirairay, indrindra ireo izay nafindra amin’ny andraikitra hafa ny mpiasa tao aminy.
Mampahatsiaro antsika amin’ny fanapahan-kevitra efa noraisin’ny Fiangonana momba ny Fankalazana (isaky ny 5 taona raha zavatra ary isaky ny 10 taona raha olona) sy ny Jobily (isaky ny 25 taona).
Omena teny ny Prezida Synodaly sy ny Mpitandrina rehetra mitondra Fitandremana manerana ny sahan’ny FJKM hanentana ny Kristiana ao aminy amin’ny fanatanterahana ny Adidy Iombonana amin’ny Foibe sy ny Synodamparitany ary hamita ihany koa ny adidy rehetra momba ny Sekoly FJKM na manana sekoly ny Fiangonana na tsia (Kitapo Iombonan’ny Sekoly, 2%, rakitra…).
Entanina ny Fiangonana sy Fitandremana rehetra mba hamaky ny tatitry ny fivorian’ny MF rehefa avy novakina tany amin’ny MDR sy KL SP.
Manamafy isika, fa mitandro hatrany ny fahamasinan’ny Fiangonana, ka tsy manaiky na oviana na oviana ny fiarahana na ny fanambadian’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy amin’ny endriny rehetra.
Taomina ny fitandremana rehetra mba hijery sy hiasa ho an’ireo izay any ivelan’ny Fiangonana.
Manoloana ny fihanaky ny valanaretina samihafa, dia manainga ny Fiangonana hanangana ny vaomieran’ny fahasalamana na ny Komitin’ny Fitandremana miady amn’ny SIDA sy ny Valanaretina ivondronan’ny solotena isan-tsampana, ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy ary ny mpampianatra. Ny KPMSV dia vonona hiara-hiasa amin’izy ireo amin’ny fotoana rehetra.
Mampisaotra an’Andriamanitra fa nahatsangana sekoly miisa 115 isika hatreto, raha toa ka 111 no nokasaina hosokafana mandritra izao fe-potoam-piasana izao, araka ny vina natolotry ny Filohan’ny FJKM ka nankatoavin’ny  MF ho fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny SL XIX.
Mitaona ny Mpitandrina sy ny Fiangonana rehetra hanao ny “Herinandron’ny Fanabeazana sy ny Sekoly”. Hisy ny tari-dalana iombonana ho amin’ny fanatanterahana izany, hampitaina amintsika.
Isaorana ny Tompo ary ankasitrahina ny ezaka rehetra nataon’ny kristiana rehetra isam-pitandremana sy ny Synodamparitany ny amin’ny fanefana ny adidy ho amin’ny Kitapo Iombonana sy izay rehetra nanohana ny asa sy ny mpiasa araka ny vina natolotry ny Filohan’ny FJKM ka nankatoavin’ny MF ho fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny SL XIX MF 07. Manentana ireo mbola tsy nahefa sy mbola tsy nanohana mba hanao ho zava-dehibe izany.
Miantso ny mpitondra Fanjakana, handray andraikitra sy hitondra vahaolana manoloana ny fahasahiranana sy ny fahorian’ny vahoaka Malagasy, na ara-toekarena, na ara-kolontsaina na ara-piaraha-monina na ara-pahasalamana.
Manainga ny mpitandro ny filaminana handray andraikitra, manoloana ny tsy fandriampahalemana sy ny herisetra andro aman’alina mianjady amin’ny vahoaka.
« Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana. » (1 Petera 5 :14b)
Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe
Ny Filohan’ny FJKM
Andriamatoa Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi,Mpitandrina
30

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0702