JOBILY FIHAVANANTSIKA (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)

Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 35
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
FANKASITRAHANA NY MPITANDRINA RALAMBOMAHAY HENDRININOSY
Pejy 1
Ny Sabotsy 4 Desambra 2021 no nametrahana ny vatofehizoron’ny tranon’ny Mpi-tandrina. Solotenan’ny Fiangonana ihany no nanatrika izany (noferana zato ny mandeha amin’ny fiara iombonana) izay notarihin’ny Komitin’ny fanorenana sy ny Mpitandrina mianakavy.
                          Toerana hanorenana
Tamin’ny fanamarihana ny faha roapolo taona nitandreman’ny Mpitandrina Ralambomahay Hen¬drininosy ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana, ny taona 2011 no na-noloran’ny Fiangonana tany ho azy, teny Ambohimangakely.
Tamin’ny faha dimy amby roa¬polo taona maha Mpitandrina azy kosa (2013) no efa nikasan’ny Fiangonana hanome trano fone¬nana ho azy, ho fitsinjovana ny fi¬sotroan-dronono. Notohizan’ny komitin’ny "Jobily Ny Fihavana tsika" izany, izay mikarakara ny fahatelopolo taonan’ny fiaraha-manompo sy fisotroan-dronono.
Niova ny terana hanorenana ny trano fonenan’ny Mpitandrina noho ny safidiny satria dia eny amin’ny Kaominina Bongatsara, fokontany Ambohibao indray no hananganana ny "Villa Fihavana tsika" araka ny nambaran’ny Mpi¬tandrina Ralambomahay Hendrini¬nosy tamin’ny fivorian’ny mpandray ny fanasan’ny Tompo ny Alahady 31 Oktobra 2021. Toe-rana izay an’ny fianakavian’ny Mpitandrina. Trano fonenana misy fanaka no hatsangana araky ny fa¬napahan-kevitra hatrany am-pian¬dohana.
Vatofehizoro
Ny Sabotsy 4 Desambra 2021 no nametrahana ny vatofehizoron’ny tranon’ny Mpitandrina. Solote¬nan’ny Fiangonana ihany no nana¬trika izany (noferana zato ny mandeha amin’ny fiara iombo¬nana) izay notarihin’ny komitin’ny fanorenana sy ny Mpitandrina mia¬nakavy. Teo koa ny Mpitandrina miza-draharaha Rakotomahefa Désiré izay nitondra ny tenin’Andriamanitra ka nampahat¬siahiviny fa mampiseho ny maha izy azy an’Andriamanitra ny asan’ny Fiangonana toa izao satria
mpanampy tandrify Izy no mpiaro azo antoka ary anton’ny zavatra rehetra.
                          Ny Filoha Mpanampy ny komity Rakoto Bruno Rodolphe no niton¬dra fanazavana mikasika   ny tany izay efa vita  titre misoratra amin'ny Mpitandrina sy ny  permis de construire. Vita tao anatin’ny fotoana fohy noho ny fitondrana ambavaka nataon’ny Fiangonana. Ary nolazainy amin’ny maha Filo¬han’ny FILODIA azy fa ny fototra rehetra dia ataon’ny Loholona sy Diakona ho voninahitr’Andriama¬nitra.
Niaraka niredona ny hira "Jesoa vato fehizoro" ny rehetra sady ni¬dina teny amin’ny toerana. "Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy no anatsatohana izao angady izao", hoy ny Mpitandrina sady nitehaka ny rehetra.
Raha ny vinavinam-panorenana ny trano avy amin’ny Komity dia mahatratra 95 tapitrisa ariary.
Ezaky ny rehetra
Hatreto ny fitadiavam-bolan’ny komity Jobily Ny Fihavanantsika dia ny rakitra fahatelo sy ny lafi¬bata avy amin’ny Sampana ary ny raki-pisaorana.
Nitondra fanentanana ny amin’ny fomba vaovao handrai¬san’ny rehetra anjara amin’ny fampidiram-bola ny komity ny
Alahady 7 Novambra 2021. Misy ny "Ezaka Villa Fihavanantsika" izay karatra azon’ny sokajin’olona rehetra andraisana anjara dia ny le¬hilahy "Ray kiady", ny vehivavy "Reny mavitrika", ny tanora "mi¬sandratra" ary ny ankizy "Tani¬ketsa". Natao hanehoana ny herim-pon-dehilahy sy ny sandrim-behi¬vavy ary ny tanora tomady sy an¬kizy falifaly izany. Misy toerana voatokana handoavana adidy ma¬nomboka ny Oktobra 2021 ka ha¬tramin’ny Desambra 2022 izany.

                          Fandahara-potoana
Fanompoam-pivavahana lehibe mbola handalovana amin’izao Jobily izao ny fetin’ny fanamba¬diana (17 Jolay 2022), ny ivon’ny fankalazana (7 Aogositra 2022), ny fetin’ny batisa (18 Septambra 2022), ny fetin’ny mpandray (16 Oktobra 2022), ary ny famaranana (10-11 Desambra 2022).
JR
35

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0465