JOBILY SEKOLY ALAHADY FJKM ANDRAINARIVO (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 48
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 48
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
NANATANTERAKA NY JOBILINY NY SA ANDRAINARIVO FAHASOAVANA
Pejy 1
Namarana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny fahazato taona niorenana ny Sampana Sekoly Alahady eto amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Ny Sabotsy 11 sy Alahady 12 Desambra 2021 no nanaovana fiderana mita¬lakotrokotrona tao anatin’ny fifaliana. Nisy ny fanompoam-pivavahana, rindran-kira, fampirantiana, grand concert, sa¬kafo agape nentina nanamarihana izany fotoana tokana eo amin’ny fiainan’ny Sampana Sekoly Alahady izany.Ivon’ny Jobily
Sabotsy 11 Desambra 2021. Tamin'ny sivy ora sy folo no nitanjozotra hitokana ny takelaka fahatsiarovana ny fahazato taona napetraka eo amin'ny fidirana am¬bany tilikambo ireo Mpitandrina sy ny Diakona ary ny Birao sy ny mpampianatra Sekoly Alahady, vao niroso tamin'ny fa¬nompoam-pivavahana. Ny Filohan'ny Sekoly Alahady Synodamparitany Anta¬nanarivo Atsinanana, Rtoa Rakotomalala Nivomboahangy, Mpitandrina no nitarika ny fotoana. Nanatanteraka ny fampiana¬rana ho an'ny ankizy ny Filohan'ny Sekoly Alahady Faritra Avaratr'Andohalo, Rtoa Ramandimbiarimino Helisoa, ary nitory ny Tenin'Andriamanitra, ny Tonian'ny Sekoly Alahady Foibe, Atoa Razakarivony Char¬lot, Mpitandrina. "Ahoana izany hoe ma¬nahaka an'Andriamanitra izany ?", hoy ny fanontaniana napetrany. "Ny manahaka an'Andriamanitra dia mamela ny heloky ny hafa. Tsy maintsy mifamela heloka ny olona manahaka an'Andriamanitra raha tiana ny handresy. Ny famelan-keloka dia toetran'Andriamanitra tao amin'i Jesoa Kristy. Mamela heloka ianao satria za¬nak'Andriamanitra efa voavela heloka. Ny manahaka an'Andriamanitra koa dia mi¬dika fa mahay mitia ny hafa. Ny Malala (Efes 1. 6) dia entina hanondroana an'i Jesoa Kristy. Ny malala eto amin'ny Efes 5. 1 dia ilazana antsika. Malalany isika satria zanaka natsangan'Andriamanitra, izay manana ny toetran'ny zanak'Andria¬manitra mitia sy manolotra ny ainy amin'ny hafa. Fitia tsy misy fepetra no ta¬kiana amintsika tahaka ny an'i Kristy".
Mialoha ny fandraisam-pitenenana sa¬mihafa teo amin'ny asa vavolombelona dia niredona ny hira faneva "Zato taona nanompoana" ny Sekoly Alahady. Ny To¬nian'ny Sekoly Alahady Foibe no nisanta¬tra ny fitenenana, narahin'ny fijoroana vavolombelona nataon'ny mpampianatra sy mpianatra (vidéo), ny famintinana ny tantara (Tonton Raphaël). Niroso tamin'ny fanolorana fanomezana sy fankasitra¬hana (Mpitandrina, SAMM taona 2021, Filoha nifandimby, Birao teo aloha, Birao am-perinasa, mpampianatra rehetra, mpianatra tranainy olon-dehibe). Nama¬rana tamin'ny fitondrana teny fiarahabana avy amin'ny Synodamparitany sy ny Fari¬tra ary ny Fitandremana samihafa ny Mpi¬tandrina Rakotomalala Nivomboahangy. Taorian'ny famaranana ny fotoana dia ni¬dina tao amin'ny Akany Fahasoavana ny rehetra nijery ny fampirantiana ny fiai¬nan'ny Sampana Sekoly Alahady ka Ton¬ton José no nanazava tamin'ny mpitsidika izany ary nofaranana tamin'ny sakafo maivana ho an'ireo nasaina manokana. Nivelatra ho an'ny rehetra koa ny Boky
volamena nametrahana ny ventsoven tsompo sy firariantsoa ho an'ny Sampana Sekoly Alahady.
Sabotsy tolakandro, tamin'ny telo ora mahery vao nanomboka ny "Fitoriana an-kira lehibe" izay nafanain'ireto tarika ara-pilazantsara ireto : Zook David, Mi-Ray, AMAM, Rova, Feo Midera, Gasy Tsara Midera. Hoby, dihy, horakoraka, fiaraha-mihira, tehaka no nameno ny trano Fian¬gonana sy ny fon'ny tsirairay hatrany am-piandohana ka mandra-pisaraka. "Ny ma¬soandro mody no mampalahelo" hoy ny fitenenana fa tsy te-hisaraka ny rehetra. I Zoky Andry rahateo no namarana ny fise¬hoana an-tsehatra ka nihira ilay hira mampalaza azy manao hoe "Fiderana mandrava sakana" ka tsy tana ny mpia¬natra sy mpampianatra fa niakatra seha¬tra sy nandihy ary tena nifaly tokoa. Feno fifaliana iny tolakandro iny ho an'ny rehe¬tra. Mpanentana tamin'izany Tonton Ra¬phaël, Tatie Saholy, Tatie Zoely.
Famaranana Jobily
Alahady 12 Desambra 2021. Fanom¬poam-pivavahana famaranana ny faha¬zato taona. Efa tamin'ny fito ora sy sasany maraina no tonga ny mpianatra sy mpampianatra nanao ny fandaminana sy fiomanana rehetra toy ny fampiakan¬joana ny ankizy sy ny hafa. Nipaika ny ta¬min'ny sivy sy folo minitra dia niroso ny fotoana. Tsy afaka noho ny tsy fahasala¬mana ny Filohan'ny Sekoly Alahady Foibe Atoa Rakotoarisoa Heritiana Ka¬leba, Mpitandrina ka ny Filohan'ny Sekoly Alahady Andrainarivo no nitondra ny ha-fatr'Andriamanitra. Nitarika ny fotoana kosa Rtoa Ramaromanana Harinirina Haingo, Mpitandrina FJKM Antanibe Fiai¬nana Synodamparitany Arivonimamo Vaovao. Mialoha ny fampianarana ho an'ny ankizy izay nentin'Atoa
Ralambomahay Hendrininosy, Mpitan¬drina dia nohirain'ny Sekoly Alahady ny "He misokatra". Ny Efes 5. 1 hatrany no nakana ny hafatra izay mizara telo ma¬zava dia ny hoe : "Ateraka ho zanaka ma¬lala sy ny toetran'ny zanaka malala ary ny asan'ny zanaka malala. Misaotra ny Sam¬pana Sekoly Alahady aho, satria mitory ny Tenin'Andriamanitra mba hahazoan'ny ankizy ny fiainana mandrakizay. Tsy mora ny asan'ny mpampianatra satria raha tsy mamafy ny teny ireo dia tsy ha¬nana mpandimby isika. Masina ny asan tsika ka tsy ataotao foana".
Toa izao kosa no natao tao anatin'ny asa vavolombelona. Famakiana ny hafa¬tra avy amin'ny Foibe Sekoly Alahady (Tatie Liliane), fijoroana vavolombe¬lon'ireo mpampianatra sy mpianatra Sekoly Alahady (vidéo), filazana ny tanta¬ran'ny Sekoly Alahady (Tonton José), teny fisaorana (Tatie Zoely), fanolorana fankasitrahana samihafa. Niakatra teny amin'ny polipitra ny mpianatra sy mpam¬pianatra ka natao ny fitokanana ny fana¬miana sy ny fanolorana ny dian-tanana dia ny fanamafisam-peo sy ny fahitalavi¬tra lehibe roa. Niarahan'izy efatra mia¬naka notapahina ny mofomamy. Nanazava ny Filoha fa "ny sonorisation dia fanomezana avy amin'ny Tonton Kiady any Suisse, ny fahitalavitra roa sy ny cocktail omaly dia avy amin'olona tsy mitonona anarana".
samihafa eto amin'ny Fiangonana no¬tarihin'ny Tonian'ny Fiangonana Atoa Ratsifandriamanana Lanto. Natolotry ny Filoha sy ny mpitahiry volan'ny Sekoly Alahady ny lafibata ho an'ny Jobily Ny Fihavanan tsika, mitentina iray tapitrisa Ariary. Nanao surprise ho an-dRtoa Ramanase Zoelima¬lala ny mpampianatra ka nanolotra certificat sy logo vita amin'ny plexiglass. Naneho ny santionan'ny hira hatao ny hariva ny Sekoly Alahady ka hira telo no natao dia ny "Faly ny foko", "Torio ny Filazantsara", "Hidera an'i Jehovah". Nivavaka ny Mpitan¬drina Ralambomahay Hendrininosy avy eo ary nanakatona ny fankalazana an'Andria¬manitra noho ny fahazato taona, ary nanteriny fa mbola misy ny Grand Concert ny tolakandro. Nisy ny fizarana mofomamy ho an'ny rehetra. Nirava tamin'ny iraika am¬binifolo sy dimy amby telopolo minitra ny fotoana. Isan'ny mpivavaka roa amby efa¬polo sy sivinjato.
Niaraka nisakafo (sakafo agape) tao amin'ny Akany Fahasoavana ny mpianatra sy mpampianatra rehetra. Henan-kisoa sy petit pois ny laoka miaraka amin'ny lasary karaoty natao tao anaty barket.
Tsara ny fifaliana ao amin'ny Tompo. Izany no azo hamintinana ny Grand Concert natao ny tolakandro nanomboka tamin'ny telo ora ka hatramin'ny efatra ora sy di¬mampolo minitra. Maro ireo ray aman-dreny no tonga nijery ny zanany. Tompo ô isa¬oranay ianao fa tsara ny midera anao amin'ny hira sy ny dihy. Faly tanteraka ny Sekoly Alahady rehetra androany raha tanteraka ny Grand Concert. Izany no vavaka nasandratra.
Rehefa vita ny Concert, natao ny fisaorana samihafa, napetraky ny Mpitandrina miza-draharaha Atoa Rakotomahefa Désiré ny tsodrano dia niaraka naka sary ny Sekoly Alahady rehetra nanatanteraka ny hetsika ho fahatsiarovana. Nandefa hafatra manokana ho an'ny Sampana Sekoly Alahady ny Filoha tao amin'ny pejy facebook-ny manao hoe : "Misaotra ny Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady, ny mpampianatra, ny mpianatra rehetra, ny Vaomiera gazety Taniketsa noho ny fahatsiarovana mano¬kana natolotrareo. Hay moa efa folo taona sahady izay no niarahantsika. Toa nandalo tsy hitahita teo. Misaotra satria na dia hentitra aza ny fitondrako, dia tsarovy fa noho ny fitiavana hampandroso ny Sampana Sekoly Alahady mamintsika ity no anton'ireny. Ianareo rehetra tsy misy ankanavaka, dia efa noraisiko tahaka ny iray tampo amiko avokoa, ka tena akaiky ny foko. Iriko indrindra ny FIFANKATIAVANA ao anivon'ny samy Sekoly Alahady. Hoy Jesoa ao amin'ny Jao 13. 34-35 : Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ia¬nareo, raha mifankatia. Merci beaucoup".
Nanangona: José Ravoavison
Hevitra mandeha