Ny BOKY MASINA . EPISTILY (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 17
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 17
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Famintinana ny Boky Masina Epstily
Pejy 1
Boky MasinaEpistily
Epistily no iantsoana ireo taratasy nosoratan'ny Apostoly hitari-dalana ireo fiangonana vao niorina. Sokajy mampiavaka ny Testamenta Vaovao ny Epistily. Nosoratana izy ireo mba hankahery ny fiangonana, hampaha¬tanjaka finoana, hitaiza, hanoro lalana sy hampianatra hiaina amin'ny toe-piaina Kristiana tsy hanaraka ireo fampianaran-diso. Sokajy Soratra (Mpaminany, Tononkira) no mifanan¬drify aminy ao amin'ny Testamenta Taloha.
Epistily no nandikana amin'ny teny malagasy ny teny frantsay hoe "épître" izay nalaina tamin'ny teny latina "epistula", avy amin'ny teny grika "epistolé", izay milaza taratasy ifanoratana, taratasy ifamaliana, valin-taratasy. Teo amin'ny fiaraha-monina fahiny dia io no fomba fano¬ratra hamelabelarana filôzôfia sy moraly. Indraindray koa ampiasaina amin'ny resaka an-tsoratra ifanakalo¬zan'olona tsy mifanatrika mikasika ny fiaraha-monina, ny fitondrantena. Mety ho lahateny mirindra milaza fahendrena sy miendrika fampiana¬rana koa.
Amin'ny sehatry ny fiangonana dia Epistily no ilazana ireo taratasy noso¬ratan'ny Apostoly ho an'ny fiango¬nana, ho an'ny tompon'andraikitra ao amin'ny fiangonana, ho an'ny olona manokana.
Manana drafitra iombonana ny epistily :
Fampidirana : matetika ahitana ny momba ny mpanoratra nandefa ny taratasy, ny nanoratana. Eo koa ny fiarahabana, (apostolika) hoy isika, ny antony nanoratana, ny fisaorana an'Andriamanitra
Vontoatiny : fampianarana sy fam¬piharana
Famaranana : teny farany, hafa¬trafatra, fanaovam-beloma, fiderana ny Avo
Miisa 21 ny Epistily ao amin'ny Tesatameta Vaovao. Ireto avy izy ireo. Epistily nosoratan'i Paoly telo ambin'ny folo (13), Epistily ho an'ny Hebreo iray (1), Epistily katôlika fito (7).
Ny Epistilin'i Paoly, nosoratana ho an'ny fiangonana, ho an'ny mpitondra fiangonana (pastoraly) ary ho an'olon-tsotra.
Fiangonana naoriny na efa notsidi¬hany ny ankabeazany.
Araka ny fandinihan'ny mpikaroka dia Epistily 7/13 no tena asa soratry Paoly madiodio : Romana, Korintiana voalohany sy faharoa, Galatiana, Fili¬piana, Tesaloniana voalohany ary Filemona. Ireo no atao hoe epistily "proto-paulinienne". Epistily telo nosoratan'ireo mpianatry Paoly niara-niaina sy niara-belona taminy no an tsoina hoe epistily "deutéro-pauli¬nienne". Ireto avy izy ireo : Efesiana, Kolosiana ary Tesaloniana faharoa. Farany dia ireo epistily "trito-pauli-nienne" na "pastoraly", izay nosora¬tan'ny mpianatra taty aoriana, ahitana ny Timoty voalohany sy faharoa ary Titosy.
Toa izao kosa no fomba mahaza¬tra isokajiana ny epistilin'i Paoly :
-Epistily voasoratra voalohany : ireo taratasy nosoratana ho an'ny fiangonana any Tesalonika dia ny 1Tesaloniana sy 2Tesaloniana
-Epistily lehibe : nosoratana ho an'ny fiangonana tany Roma sy Korinto ary Galatia : Romana, 1Korintiana sy 2Korintiana, Galatiana
-Epistily tany an-tranomaizina : nosoratan'i Paoly fony izy nigadra noho ny fitoriana ny Filazantsara : Filipiana, Efesiana ary Filemona
-Epistily Pastoraly, nosoratany ho an'ny mpiara-miasa aminy, Timoty sy Titosy, nomena andraikitra ho Mpi¬tandrina ny fiangonana vao niorina : 1Timoty sy 2Timoty ary Titosy
Ny Epistily voalohany ho an'ny Tesaloniana no nosoratan'i Paoly voalohany tamin'ny taona 50-51 teo ho eo. Boky tranainy indrindra ao amin'ny Testamenta Vaovao. Tsy milahatra araka ny fotoana nanora¬tana azy ny epistilin'i Paoly, ao amin'ny Testamenta Vaovao, fa araka ny halavany na/sy ny vontoa¬tiny. Manomboka amin'ny Epistily mafonja indrindra (Romana) ka mia¬fara amin'ilay taratasy nosoratan'i Paoly ho an'ny sakaizany (Filemona).
Satria avy amin'i Paoly hatrany ny taratasy dia ny fiangonana na ny olona anoratana no iantsoana ny epistily nosoratany. Romana ho an'ny fiangonana any Roma, Efesiana ho an'ny fiangonana any Efesosy, Titosy ho an'ny mpiara-miasa Titosy…
Ny Epistily ho an'ny Hebreo, noso¬ratan'olo-tsy fantatra, no manazava ny Testamenta Taloha amin'ny ala¬lan' i Jesoa Kristy. Tsy manaraka ny drafitra iombonan'ny Epistily fa
miendrika famelabelaran-kevitra momba ny foto-pinoana, manambara ny maha Mpisoronabe an'i Jesoa Kristy. Nosoratana ho an'ny Hebreo.
Ireo taratasy nosoratan'ny mpia¬natry Jesoa (Apostoly Petera sy Jaona) sy ny rahalahin'i Jesoa (Jakoba sy Joda) no antsoina hoe Epistily katôlika (universelle = mane¬rana izao tontolo izao). Natao ho an'ny fiangonana rehetra, mpino rehetra maneran-tany fa tsy ho an'ny fiangonana na olona manokana. Voa¬laza mazava ny mpanoratra fa ny fiangonana anoratana no tsy fantatra anarana indraindray. Heverina fa taratasy nosoratana ho an'ny fiango¬nana mifanakaiky ao amin'ny faritra iray, nalefa hitety fiangonana isan-tanàna fa tsy ho an'ny fiangonana iray fotsiny ihany. Amin'ity sokajy ity dia ny anaran'ny mpanoratra, izay fantatra tsara, no iantsoana ny Epis-tily.
Miisa fito izy ireo :
-iray (1) nosoratan'i Jakoba (Jakoba)
-roa (2) nosoratan'i Petera (1Petera sy 2Petera)
-telo (3) nosoratan'i Jaona (1Jaona, 2Jaona, 3Jaona)
-iray (1) nosoratan'i Joda (Joda)
Loharanom-pahalalana tsy manam-pahataperana ireo Epistily nosoratan'ny apostoly nangonina ao amin'ny kanonan'ny Testamenta Vao¬vao. Mirakitra foto-pinoana, fampia¬narana, toro lalana, valim-panontaniana, vahaolana mahomby ho an'ny fiangonana hatramin'izao vanim-potoana iainantsika izao izany ary inoana fa mbola hitondra voka tsoa hatrany ambarapahatonga ny fahataperan'izao tontolo izao.
Niry Ravonison
Hametraka hevitra
Midira aloha