ZANAKA AMPIELEZANA ANDRAINARIVO FAHASOAVANA (GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO)

Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Nampiditra ANDRAINARIVO
Nitsidika 2
Mpanoratra GAZETY TANIKETSA ANDRAINARIVO
Mitantara ireo asa natao teto amin'ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana
Pejy 1
Zanaka ampielezana FJKM Andrainarivo Fahasoavana.
Vita ny fankalazana ny faha 75 taonan’ny Zanaka ampielezana (1951-2026). Nahafinaritra ny tsangambato nataon’izy ireo izay nomeny ho fanomezana ny fiangonana. Tsy inona izany fa seza vato vita amin’ny " granit-poli " tsara tarehy izay niisa folo; ka ny roa hipetrahana ety aoriana ary ny valo ambiny kosa eo andrefan’ny fiangonana no nasiana azy. Ny Filohan’ny zanaka ampielezana no nitarika. Ny Salamo 116:12, moa no fehizoron’izany fankalazana izany na ny teny faneva raha ny marimarina kokoa.
Fanomanana ny Lasy
Tselatra ho any Mpampianatra Sekoly Alahady:
Notanterahana tany Tsarazaza, izay toerana misy ny Filohan’ny Sampana Sekoly Alahady, Atoa Joro, ny lasy
Tselatra . Ny 14 sy 15 Martsa 2026. Efa tany ny mpampianatra ary mbola nanana faniriana hiverina any. Nahafinaritra ny toerana ary nahatamana tokoa. Io lasy tselatra io dia fampivelarana ny Mpampianatra Sekoly Alahady mba tsy hiolonolona samy irery. Dinidinika momba ny asa ho tanterahina sady nankalazana ny datin’andro nahaterahan’ny Filoha.
Alahadin’ny STK Zokiny :
Notanterahana tamin’ny Alahady 08 Martsa 2026, izany fotoana anjaran’ny Sampana izany. Tsy nampoizina ny zava-nitranga satria tsy tahaka ny nahazatra ny fiangonana no hita. Voalohany aloha dia ny fankasitrahana sy ny fanolorana mari-pankasitrahana ny mpikambana nahatratra ny faha 100 taonany, Atoa RAVOAVISON, izay efa Tonian’ny
Fiangonana teo aloha sy Rtoa Berthe RATSIFANDRIHAMANANA, nahatratra ny faha 99 taonany. Nampihetsi-po satria vitsy ny nahatratra fahavelomana tahaka izany. Faharoa kosa dia nahazo ny anjarany ny mpitandrina izay vehivavy voalohany nitondra ny fiangonana eto Andrainarivo ka notolorana fanomezana poketra tsara tarehy izy. Fahatelo dia tsy tonga ny filohan’ny FJKM, satria nisy tsy fahasalamana tampoka taminy na dia efa niandry ny toriteniny aza ny fiangonana manontolo, ka ny mpitandrina teo an-toerana no nanolotra ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny mpino sy ny STK Zokiny. Nanolotra ny fanomezana ho azy ireo ny Mpitandrina sy ny filohan’ny STK Zokiny sy ny MSF.
2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0081