Ireo kitapom-pako (Heriarilala Andriamamonjy)

Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 4
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano vahiny miresaka momba ny fahadiovana
Pejy 1
Ireo kitapom-pako

Indray andro,hono, nisy lahy antitra antsoina hoe Nikola, ary Marko kosa ny zanany. Mpamboly voankazo izy ireo. Mamboly paoma, paiso, poara ary paiso ran-kena izy ireo.
Indray andro, niteny i Marko :
- Dada, efa tonga taona hanambady aho. Saingy maro ihany ny vehivavy eto ka ahoana no hahitako ny anankiray ?
- Afaka manampy anao aho, Anaka. Andao hitadiavantsika vady ianao.
Nanisy voankazo vaovao tao anaty saretiny i Nikola ary nandeha teny akaikin'ny tanàna teny.  Rehefa tonga teo an-tanàna i Nikola dia nanomboka niantso mafy.
- Iza no mila voankazo ? Atakaloko fako ireto voankazo ireto.
Tsitapitapitr'izay dia nisy vehivavy nitanjozotra teo akaikin'ny sarety. Nitondra kitapo be feno fako daholo izy ireo. Noraisin'i Nikola ireo fako ireo dia nomeny voankazo vaovao tsara be daholo ireo vehivavy ireo. Nisy tovovavy iray tsy nanana afa-tsy kitapo kely.
- Iza no anaranao ry tovovavy ?
- Rada no anarako.
- Miala tsiny, Rada. Tsy afaka manome na inona na inona anao aho fa tsy manana fako ianao
- Nefa, ity fotsiny no hany fako nisy tao an-tranoko ange e !
- Izay mihitsy no tadiaviko. Tena ho tia be anao i Marko zanako ary ianao koa ho tia azy.

Faly ery i Rada, fa nanjary tezitra kosa ireo vehivavy hafa.
- Tena tsy rariny ! Nanana fako be lavitra noho izy izahay.
- Tena marina ! Tsy misy loto na dia kely aza ao an-tranon'i Rada. Midika izany fa madio koa ny sainy sy ny fony. Tokony ho tsara vintana izay  lehilahy manambady vehivavy tsara toy izany. Nentin'i Nikola nody tany an-tranony, tao amin'ny zanany lahy i Rada.
Avy eo, nivady izy ireo niara-niaina fahasambarana mandrakizay.
Ny olona madio fo dia manao izay hampadio ny zavatra rehetra manodidina azy.

Nalaina tamin'ny English Club tv tamin'ny 23-06-26, nadikan'i Heriarilala Andriamamonjy amin'ny teny malagasy
4

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078