FO NIFANDILA (Heriarilala)

Mpanoratra Heriarilala
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 444
Mpanoratra Heriarilala
Olona roa nifankatia anaty, izany hoe tsy nifampisipa. Ny iray mpandalo matetika any an-tanindrazany moa ny iray mponina any mihitsy.
Pejy 1
FO NIFANDILA

- Salama, inona no vaovao, tonga soa, aiza izay voandalana ? Hoy ianao manantsafa sady mandihy ihany.
- Izao mikarakara ny raiamandreny izao no vaovao. Misaotra anareo manotrona ! Faly mifankahita !
- Nisy an'ilay finamanantsika taloha ireny dia avy eo ....
-  An ? Mañinona hotsinao ? Tsa dia maheno aho.
- Ilay finamanantsika hatramin'ny mbola kely ho'aho dia...

Tsy nisy henoko intsony izay nambaranao fa tsy ifandrenesana ny maneno sy ny fingadon'ny tongotra manao kidodo. Manohy mitantara ihany ianao, miteny, miteny. Nanomboka ho liana aho.

- Aleo mihitsy aloha miala teto isika fa mihaohao be ny mañeno dia tsa misy raha henoko.

Naka sisintsisiny tery isika sady nitazana ireo mpandihy no niresaka.
Namboraka ianao, namboraka !
Nanaitra ahy ireo dinazanao. Andraso ! Mandainga aho raha miteny hoe taitra. Efa fantatro hatry ny ela ! Ny nanaitra ahy fotsiny dia hivaky ihany ianao kanefa taona enina, fito aty aoriana. Nibitaka aho fa nandre ny nofinofiko hatrizay, nalahelo aho fa tsy ho afaka manatanteraka azy. Tsy niafina tamiko izay tao am-ponao nokobonina e ! Impiry moa isika no samy tsy mahajery rehefa sendra mifanojo tsy nahy ny maso ? Dia impiry koa no minia mifangala-pijery ? Ataonao fa tsy tadidiko angaha ireny isika samy mangasihasy ireny rehefa tonga eo amin'ny sampanana manasaraka ny fodiana ?
Ity hadalanao ! Tia ianao fa nanafina ! Raha tsy nahalala ny tato anatiko ianao no nanafina dia tsy nampaninona ahy. Mety hoe niahotra ianao, nisalasala. Fa hay kay ianao nahalala tsara ! Dia maninona anefa no...
Hilaza ihany ianao dia izao !
Tadidiko ireo antso maromaro tsy voaraiko satria mbola tao an-dakilasy aho. Nony nirava, namerina niantso aho. Olona hafa no nandray : "tsy eo intsony izy fa ity finday ity lasako, an-dalana ho any Mahajanga aho izao."
Ranomaso tsy latsaka ny ahy, nanantena fa hahita finday hafa indray ianao hiantsoana ahy amin'ny andro hafa. Nefa inona ? Tsy nety nahare ny feonao intsony aho nandritra ny taona roa na telo.
Asa... Mety ho nikambana ihany ve ny lalantsika raha drinaiko ny antsonao tamin'ireny ?
Tao anatin'izay taona roa sy telo tsy nandrenesako ny feonao izay anefa dia nandalo tanà-misy havana foana aho.
- Mba aiza izao i... ?
- Nifindra nipetraka atsy amin'itsy traño itsy izy.
- Fa angaha tsy miaraka amin'ny dada sy mamany intsony ?
- Ôôô !
- Nanambady ?
- Izy irery ihany ka fa efa mba mianatra ny ho mahaleo tena, hono. Andao moa hojerentsika ao !
- Aaa ! Aleo ihany izao.

Toa mahasanganehana be izany hamangy olona mipetra-drery izany, moramora kokoa aza ny mitsidika anao ao an-tranon-dray aman-dreninao noho ny hoe ... Angamba hiely indray ny antsanga tsy aman'orana.

Taona hafa nandingana taona hafa, novako indray ny fomba fanontany tamin'ireo namantsika hafa.
- Firy izao ny zanak'i... ?
- Efa misy roa !
Mazava !

Zendana ihany aho, ny menimenim-po tsy reko hatramin'izay no henoko daholo izao ! Nihaona ange isika tamin'ny taon-dasa e ! Fa resadresaka tsy dia manahoana loatra no nisy. Rariny, dadan'olona ve moa hilaza inona, tokan-tena aza nanidy vava. Fa dadan'olona koa ange ianao amin'izao mibaradaka sy mirediredy izao e ! Farany, tsy nino tampoka indray aho ilay efa nahazo antoka teo.
Naveriko nohatsihina indray mandeha ianao raha sendra nanatsipalotra ny masonao teny amiko, nanatona ianao na dia revo mandihy aza, izaho mbola niankinankina teo amin'ny ampian-tany teo.
- Ahoana ?
- Efa nisotro angaha ianao androany ?
- Fa ahoana ?
- Tahaka ny manimanitra izany.
- Ka fety ange ny andro e, aiza indray moa no  hisy olona tsy hisotro rehefa fety tahaka izao.
- Izay manko !
- Maninona ?
- Tsy izany fa nieritreritra ilay resaka lavabe teo aho.
- Aaa ka ! Tsy mamo aho, ny ahy ny marina ihany.
- Ka gaga aho hoe hatramin'izay ianao tsy nitsotra ny marina.
- Eny e, fa nifankatia isika hatramin'izay, fantatro ianao fa nalahelo ahy foana, naky aho koa tsy mba nanadino anao mihitsy. Isaky ny lasa ianao dia henoko foana hoe nanontany ahy.
- Fa isika tsy nety ho tafahaona mihitsy nefa henonao ihany aho hoe tonga aty.
- Ka mifandila foana isika. Efa lasa ianao vao fantatro.
- Tapabolana farafahakeliny anefa aho no mitôtra aty ange... Mba miantsena eny Ambatotsaonjo ihany aho rehefa Alarobia, mba mivavaka eny Andrefanjaka ihany rehefa Alahady fa tsy hita ianao e !
- Eny e, fa nifankatia isika tamin'ireny na dia tsy mbola nitory fitiavana anao aza aho.

Hay ianao nihevitra fa efa mifankatia isika dia tsy mila anao mamboraka intsony. Nitohy indray ny resakao lavabe, tsy haiko intsony hoe tantara foronina sa angano mahazendana. Nambaranao hatramin'ny hoe tsy niantso intsony ianao fa drinaran'ilay namantsika ankiray, toa hoe nifamaly mihitsy ianareo raha ny tatitrao.

- Aza antsoantsoin'ialahy foana leitsy izy fa efa ahy a, aza adaladalain'ialahy ny sipako !
- Izaho leitsy tsy miditra amin'izany fa olona any Antananarivo hadalaiko amin'ny inona a ? Sady izaho mbola kely, mbola tsy miditra amin'izany aho.
- Ka ahoana àry ialahy no miantso azy foana ?
- Aleo rehefa tonga aty izy dia ho hita eo.

Hay izay no antony tsy naharenesako ny feonao intsony nandritra ilay taona roa na telo. Minomino foana ianao ! Hitako moa  no niparitaka be ny hoe... Nahatonga ahy ho tezitra hoe ny olona aty raha hamorona ny tsy misy dia voalohany. Itompoany fatratra io zavatra foroniny io dia avy eo inoany.

- Tsy mbola nisy fotoana niresahako manokana tamin'iny olona iny na indray mandeha aza. Ireny miaraka amin'ny besinimaro ireny no ahitako azy, na tamin'ny telefaonina aza tsy mbola niresaka izahay.
- Ka izy niteny tamiko hoe...
- Ka izaho tsy nieritreritra an'izany taminy akory e ! Maninona no tsy mba nohamarininao tamiko akory izany ? Fantatrao tsara fa zokintsika folo  na roa ambin'ny folo taona eo izy. Izany hoe olon-dehibe no niheverako azy. Isika no zaza mitovy !
- Tahaka izay aho leitsy mbola tsy nanambady a !
- Aaa ! Andriamanitra no manoratra ny tantaran'ny tsirairay, navelany hifandila foana isika. Nanoritany lalana ianao hoe "tsy any fa aty", aaa ka, "tsy aty fa any".

Navelako ho ianao ihany no nitantara teo fa nohidiko mafy ny vavako. Efa nangina hatrizay aho dia aleoko mangina mandrakizay ! Ianao rahateo mahalala, nefa raha fantatrao dia maninona ? Haninona ? Hampaninona ? Hatrizay aza ianao tsy nanao inona.

Namboraka ianao, namboraka !
Nanaitra ahy ireo dinazanao. Andraso ! Mandainga aho raha miteny hoe taitra. Efa fantatro hatry ny ela ! Ny nanaitra ahy fotsiny dia hivaky ihany ianao kanefa taona enina, fito aty aoriana. Tsy malahelo aho satria tojo ny anjara mahasoa anao ianao,nibitaka anaty aho fa nanokanan'Andriamanitra olona afaka manatanteraka mihoatra ny nonofisiko, faly aho fa tiany sady tia azy.
Na izany aza... Soa ianao nisotro !
Tiako ny toaka ! Mpamosaka ny marina, misaotra ny alikaola namaha ny lelanao. Roso namonjy ny namanao teny am-pandihizana ianao raha izaho kosa namonjy fandriana hifamotoanako amin'ilay tiako ao anaty nofy mamy. Tsy tiako hifandila tahaka ny antsika ny fonay !

Tapitra

Dinaza : nolazaina, voalaza
Drinara : norarana, voarara
Drinay : noraisina, voaray
Nohatsihiko : nohofaiko tanana hanatona, nokopahiko tanana hanatona
Heriarilala Andriamamonjy 13/08/24
444 2

Hevitra mandeha

iheriarilala 20/08/2024 17:18
Asio fanamarihana raha namaky ianao !
hery 22/08/2024 07:50
Namaky aho dia nahita ny fanazavana napetrakao fa misaotra.
Teny betsileo izany ve ireo?
iheriarilala 22/08/2024 17:38
Eny, fiteny betsileo. Miova endrika ny ny fototeny miantomboka amin'ny l, r, rehefa asiana tsofoka -ina. (l>d oh : laza > dinaza, r>dr oh : rara > drinara)
iheriarilala 22/08/2024 17:44
Ilay "nohatsihiko" na "nohatsihina" fiteny ôfisialy. Teny iray fototra aminy ny hoe "manatsika", mampiasa an'io ny Baiboly hoe : Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. — Lioka 5 : 7
Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy. — Jaona 13 : 24

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0634