Tantaran'ny vohitr'i Soamanandray. (lonjokely)

Mpanoratra lonjokely
Nampiditra ikalamako
Nitsidika 2690
Mpanoratra lonjokely
Pejy 1

Tanàna iray ao avaratra atsinanan'Antananarivo, ao anatin'ny fari-piadidian'Andrianamboninolona no misy azy. 8 km miala eo amin'ny orinasa mpanao bodofotsy "Somacou" eo Ilafy, amin'ny làlana mankany Fiaferana.

Andrefambohitra no anarana niantsoana azy taloha fa tamin'ny vanim-potoana faha-mpanjaka no nahatonga io anarana ankehitriny io.

Tamin'izany fotoana izany, nisy manamboninahitra iray nantsoina hoe Rainitsizafy. Raha nanasa lamba i Soa, zanaka vavin'i Rainitsizafy, indray andro, ka hitan'i Ranjaka, Mpanjaka, izay nandalo teny, dia nentiny an-keriny ho eny an-dRova.

Tezitra ity manamboninahitra raha nahita izany, nefa hoy ny Mpanjaka hoe : "Halaiko ho vady ny zanakao". Tsy nety anefa Rainitsizafy raha tsy anaovan'ny Mpanjaka trano ao am-bohitra, mitovy amin'ny eny Manjakamiadana, ny zanany.

Dia nampanaovin-dRanjaka ny trano ary vita soa aman-tsara, ary mbola hita hatramin'izao tao Andrefambohitra.

Raha tsy nanana Ray tokoa mantsy i Soa dia tsy nisy io trano io. Soa izy fa nanana ray ka dia izany no niantsoana ny tanàna hoe : SOAMANANDRAY.

Raha vao hiteny ny finoana katolika ao Soamanandray dia tsy hay hadinoina i mompera Jean Beyzym, ilay pretra poloney nanitsaka tany voalohany satria nikarakara ireo marary hoditra tao Ambahivoraka sy ramatoa Ra-Cathérine, zanatany avy ao Soamanandray, mpianatry ry masera teny Andohalo.

Nifandray i mompera sy Ra-Cathérine ka dia nanentana ny mponina hivavaka teny Ambahivoraka. Nataon'ny olona fihomehezana anefa izy ireo ka nolazainy fa mitaona ny olona hanatona ny habokàna.

Ny 10 novambra 1897 no nanao lamesa voalohany tao Soamanandray i mompera Jean Beyzym, ka tao an-tranon'i Paul Rainizanany, taranak'i Rainitsizafy, no nanaovana izany. Nisy ireo olona nanatrika izany sorona masina voalohany izany nanome tany hanorenana ny fiangonan'i Soamanandray, dia i Rainiketamanga, tao amin'ny ilany avaratra, ary Ranialijaonina tao amin'ny ilany atsimo.

Ny taona 1898 dia natao ny trano zozoro ary ny zoma 6 jiona 1898 no nitokanana azy ary nanaovana batemy voalohany an'i Rainizanany mivady sy olona hafa. Fetin'ny Fo Masin'i Jesoa io andro io ka izay nahatonga azy ho mpiaro ny Fiangonana.

Noho ny fitsaboana ny boka izay nafindra any Maharana, dia natolotr'i mompera Beyzym ho an'ny fiangonana ny lakolosy sy dabilio 4 teny Ambahivoraka. Io no lakolosy izay mbola hita hatramizao ka nanaovan'ny tanora tongony biriky tamin'ny taona 1982.

Nandroso ny asa ka notafoina taila izay nalaina tany Ambahivoraka ny fiangonana ary notokanana ny 4 jiona 1900. Ary nosoloina tafo fanitso indray kosa tamin'ny taona 1959.

Ny lakroa izay misy eo am-pidirana ny tanàna dia fanomezana tamin'i mompera Guillaume, ny taona 1934 ary nohavaozina sy nolokoina ny 4 martsa 1991. Ny 23 jiona 2012 kosa no notokanana ny tsangambato fahatsiarovana an'i mompera Beyzym, izay natsangana eo anilan'ny lakroa.

2690

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.7978