NY SORATRA MITENIKO . (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 199
Mpanoratra Ny Andri-Fara
OHABOLAN'NY TAONA ARIVO FAHATELO
Pejy 1
NY SORATRA MITENIKO
Hoy ny ny Ntaolo Malagasy manao hoe: “ Manao saonjo mihoatra Akondro” ity mpandalina ny haisoratra sy ny tenin-drazany ity. Tsia! Fomba fijery efa tany amin’ny taon-jato firy nifanesy ny Ohabolana , ny oha-pitenenana, ny hainteny. Izay nanabeazan’izy ireo       ny taranany. Tsy azo lavina ny fahamarinany ary mbola mitoetra  amin’izao fotoana izao. Saingy! “ Laingom-boaloboka lohataona, ny mpanoratra ka notsongaina vao misandrahaka ” ary “ Volamena latsaka am-bovoka ihany koa ka tsy avelan’ny soa tsy hihiratra ”. Indro ary ny Ohabolan’ny taona arivo fahatelo na ny “ Soratra Miteniko ” atolotro mba ho eo am-bavanareo mandrakariva ny kilalaon-teny mba vitako tao anatin’ny fe-potoana sarotra teo amin’ny fiainako. Tsarovy fa ny mpiara-monina no toy ny Sekoly iray lehibe mampianatra na tsara io na ratsy. Tadidio fa ny toe-tsaina tia karokaroka no heverina hampandroso . Na dia noheverina fa adala aza mety hampahamenatra ny hendry.
                                          
                                            Ny Mpanoratra
01.-Toy ny rano notampohana asindra; tsy mamono fa mamelona.
02.-Ny fo tsy te ahalala lavitry ny manina.
03.-Rafotsibe no leom-pitiavana ka nahoana aho no tsy ho tia.
04.-Toy ny Masoandro mody tsy lasa aiza fa indro miverina ihany.
05.-Mampisara-bazana toy ny politika diso fiantefa.
06.-Lalonan-diavolanana sady  mibanjina anao no mibanjina ahy.
07.-Aza manahy ny ho ampitso, itodiho ny dina nifanaovana omaly.
08.-Kalon’ny Mandritsara, tsy maha manina fa mampamelovelo.
09.-Aza mihambo ho mahay fa mbola resin’ny bado.
                  10.-Raha hianatra fahazotoana.Mandehana aloha jereo ny vitsika
11.-Fitia miorina an-daba-pako, ka anjakan’ny adala.
12.-Vahinin’ny Andriamora, variana nitazana ny tsy ho azony akory.
13.-Tia ka nahoana no lazaina fa adala sa adala nanantena fa ho tiavina.
14.-Aza manembona ny fofo-manitry ny hafa tsy hiara-dalana aminao.
15.-Nahoana no mitovy zo kanefa tsy mitovy ara-potoviana.
16.-Tambatambazan-ko ambakaina; tiana ihany kanefa ankahalaina.
17.-Tsy misy matiantoka noho ny tia, satria sandaina arivo arivo izany.
18.-Ray aman-dreny tsy misorona, loza ho an’ny taranan
19.-Aza mifaly toy ny tapa-tongotra mandeha tongotr’efatra, hay  solony ihany.
20.-Na maty aza aho tsy avelan’ny fisainany tsy ho resy tondro-maso
21.-Mbola eo ny eritreritra hanenjika anao nandavo ny rariny.
22.-Tsy avelan’ny nenina hanjaka ny ratsy.
23.-Raha salaka mihodidina ny tso-drano, tsy mateza fa miboraka alohan’ny fotoana.
24.-Zaza maditra hoy ianao, jereo aloha ny vitanao fahiny.
25.-Tsy lavolavo foana ny mahery fa nisy mpamingan’azy teo.
26.-Ny aina tsy hita maso, kanefa mamelona anao.
27.-Ny fijeriko ny tiako. Itodihana mahafanina, banjinina maha ovitra
28.-Naleoko eritreritra ihany mba handrenesako izay ao an-tsainy.
29.-Na ho ela na ho haingana tsy avelan’ny tody tsy hiakarapoka.
30.-Tsy misy mafaitra noho ny nenina tonga tampoka.
31.- Izay nataonao omaly ihany no valin-kasasaranao androany.
32.- Tsy adala ny tia, fa ny tia no natao hanelingelina ny saina.
33.-Aza maniry ny elatry ny vorona tsy ho azonao akory.
34.-Na dia naniry ho loharano aza, tsy mba niandry ny ranomasina haka azy.
35.-Maty namela  otrika toy ny otrik’afo ny fitiavako anao.
36.-Ny fo natao hanafenana no namboraka ny tsy nolazaina.
37.-Fitiavana ve! Toy ny rano sy afo, ka sady mamono izy no mamelona.
38.- Aza manao tahaka ny siny fa sady nitoera-maloto no asina madio.
39.- Ny fihavanana toy ny torimaso hariva fa rehefa maraina miverina ihany, ka asakasakao handrava izany amin’ny teny tsy voahevitro.
40.-Ny fitiavana manaraka toy ny aloka, hadosirana! Indro eny ihany.

41.-Ataovy toy ny fitia varavarana ny fitiavanao azy fa miaro amin’ny loza, manidy ny fo tsy ho tia olon-kafa.
42.-Aza mijery ny eo anoloana fa izay hiafaranao banjinina.
43.-Tsy misy lehibe noho ny solosaina fa ny olona ihany no afaka mibaiko azy.
44.- Sambatra lahy ny mpanety fa izy ihany no afaka manodikodina ny lohako.
45.-Aza manao fisaotran’ny ganagana fa kely mampiferinaina, betsaka mahagaga.
46.-Aza manao fitia hiandronann’ny tsiny.
47.- Raha fitia feno fihatsarambelatsihy, avereno amin’ny tompony ihany.
48.- Tsy no sola no be voninahitra fa ny fo lavitry ny ankaso.
49.-Aza mijery ny volofotsiny fa jereo aloha ny fo amam-panahiny.
50.-Very ianao raha sodokan’ny bika aman’endriny.
51.-Ny fihavanana tsy maha lavitra ny tia sy ny manina.
52.-Aza atao fihavanan-toaka fa ady no hiafarany.
53.-Ny fitiavana tsy anjaran’ny kanosa saingy mampidrikidriky ny mahery.
54.-Tsy ny faheresena no nampitomany fa ny toetra tsy zaka niniana natao.
55.-Sambatra ianao itoeran’ny bika aman’endrika saingy tsy tohako izato toetranao mifanahy toetran’alika.
56.-Tsy izay rehetra fahavalo ihany no tena fahavalo fa ny tsy manam-pitiavana ihany koa.
57.-Raha hiantafika ihany aza miantehitra amin’ny kamo.
58.-Ny hetraketraky ny tany leoko ihany fa ny hetraketrakin’ilay sakaizako no tsy tanty.
59.-Lany henatra toy ny alika tsy voabaikon’ny sainy ny ratsy toetra.
60.- Tsy mahalala menatra toy ny alika manokotoko etsy sy eroa.
61.- Tsy nisasarana tsinona ka anjakan’ny noana sy adala.
62.-Miseho ho mpanan-karena tsy kahihitra madany ny azo.
63.-Harena tsy azo amin-drariny aza mba eboeboina.
64.-Tsy ny fihavanana no taloha fa ny fitiavana ka asanao tsy ho tia.
65.-Raha tsy adala aho ka hanompo ny hazo izay novoleko.
66.- Ny sikidy tsy misy intsony fa ny fitaka no be ka aza mba tratrany.
67.- Aza manafin-kilema toy ny lava zipon’Antananarivo.
68.-Aza anafenan-javatra toy ny fivavahana; fa sady atsy no an’ny eroa.
69.-Fitiavan-tsezan’ny mpanao politika ka hamoronana ny tsy misy.
70.- Laingalaingan’ny ramoravava fa raha azony ny seza hampangininy ianao.
71.-Tsy misy Andriamanitra mangina fa rehefa tratran’ny kapoka mandrivirovo, miantso ny Anarany ihany.
72.- Andriamanitra tsy tompon’ny fankahalana fa ianao no namaritr’azy handemena ny fanahin’olona.
73.- Zaza diso fitiavana, fahafatesana no tadiaviny.
74.- Zana-domohina irery amoron-kamoro, tsy mierikerika intsony fa leo ny hanin-kavana.
75.- Aleo lavitry ny fisarahan-janaka toy izay nandiso fanantenana ny antson’ny Tompo.
76.- Ny rano no tsy manam-piafarana, ny eritreritra no mitovy aminy.
77.- Aza heverina ho toy ny lohasaha ny fitiavana atolotra fa tsy ilaozan’izay tsy ahenoana taraina.
78.- Fitia faty, fitia velona fa lozan’izay nandatsak’aina.
79.- Ny eritreritry ny fo leoko ihany fa ny eritreriry ny saiko no tsy tanty.
80.- Tadiavo aloha ny toe-po tsara voatra dia handositra anao ny fankahalana.
81.-Rehefa tia dia manolotra ny kely indrindra eny aminy toy ny voromahailala mifanoroka.
82.-tsy voasaron’ny ngidy sy ny taraina ny fitiavana madio tsara fototra.
84.- Tiavo izay tianao fa iza moa no hianjeren’ny nenina.
85.- Toy ny volam-penomanan-takariva ny fo lavitry ny tiana.
86.-Aza mijery ny saronan-karona natolon-drafivavy fa sady mandatsa no voalatsalatsam-bady.
87.-Tsy ho foana ny fifandrafiana raha mbola misy tsy tiana.
88.-Ny zoky no toy ny kiady vonon-kiandry ny tanàna fa I zandry no antily manamontsana ny be karokaroka.
89.-Taitra ny sarivazo nandalo angaha ’zato havako no tsy naharay lamba izato izy.
90.-Raha ny zoky no maro-taraina tsy mahagaga raha very hasina ny tokan-trano.
91.-Tsy ny haren-drafozana no fitia tsy hivaly fa ny herim-pon-dehilahy ho rafozanina mitily ny halemem-binanto.
92.-Aza manary tena toa fako na miankina aminy aza ny momba ahy sy ianao.
93.- Anabavy iray tampo na tsy mpandova aza manana ny vadiny hianteherana.
94.-Ny harena azo amin’ny halatra, toy ny rano notovoziana amin’ny sobika.
95.-Tsy ny saiko no adala fa ny fiheverako, fa hay mbola misy tery ihany ny ambony fahalalana.
96.-Aleo maty fahalalana toy izay very an-javona ny zo sy ny fahafahako.
97.-Matoa ilay tsy manam-pitsaharana nanondro ilay tsy tiana, fantany fa tsy hamadika azy.
98.-Hevero toy ny anatra tsy hisy fanenenana ny loza mitatao eo an-dohanao.
99.- Iray ny fo, iray ny saina fa ny fieritreretana no misandrahaka.
100.-Tsy ny alina no miteram-pahavalo, fa ianao no manita-tsaina.
101.-Toy ny boka notoloram-bady ve ! Ka tsy manan-katolotra ?
102.-Ela ny ela fa azo atao ihany ny mampangina ny vahoaka amin’ny fampanantenana poak’aty.
103.-Iza no niteny tamin’ialahy, fa raha tojo mihorirana fanina; tojo mitsivalana miraparapa.
104.-Tsy ny vorondolo intsony no tsy miseho masoandro fa ny fisainana nateraky ny fialonana.
105.-Na maty aza ilay nohampanginina tsy avelan’ny eritreritra ho lasa lavitra ny mpamono.
106.-Mahagaga fa hay mbola mitoetra ny fitiavan-diso nanapenany ny fankahalany.
107.-Mamy ny zanaka fa ny vola sy voninahitra no tena loza.
108.-Malemy fanahy toa bado, kanjo mijoko ny fanananao.
109.-I Dada sy Neny no toy ny diamondra lafo vidy ka sady harena no voninahitra.
110.-Dongidongin-tsakaiza tiana tsy ho aiza izy fa handany ny harenanao.
111.-Aza mandindona toa aloka fa ny tompony ihany no ampitahoriny.
112.-Raha ho avy izay fotoana hangatahako atolotra anao ny tsy ananako
113.-Fitia tsy atakalo ny tody sy ny lahatra, ka tongava amin’izay mangataka raha ho avy ilay nantenaina.
114.-Tsy ny tanin-jaza no nahatongavany fa ny hitsikilo izay notadiaviny.
115.-Vonoy ny fankahalana dia hanatona anao ny fitiavana.
116.-Aza menatra toa biby fa sitrapo ny te hisaraka.
117.-Menatra aho raha olo-mahay no mitomany hitovy amin’ny adala.
118.-Tsy aleo ve very ho zokony toy izay fahanan-dava izao
119.-Matoa misy ny fisaonana tsy fiombonam-pahoriana fa noho ny henatr’olona.
120.-Aleo mananotena hanam-pahoriana toy izay feno harena handry andriran’antsy.
121.- Mahery fiavy toy ny antso an-tarobia ahelin’ny olona ny tsaho.
122.-Tsy ny vahoaka no malain-kiadana fa ny mpitsetsitra no tsy mahalala onina.
123.-Fahantrana mojoy an-dàlana tsy fidiny ho an’izay niharany.
124.-Kahihitra toy ny mahantra kely vola tsy inona fa te hitovy amin’ny mpanana.
125.-Raha fitia nolaroina valifaty aoka hiatra amin’ilay nanao azy.
126.-Aza mihevi-tena ho hendry fa mbola ambakain’ny adala.
127.-Tsy ny marary no mahalany hanina fa efa akaiky ny fara famoizana.
128.-Soa ihany ianao tsy tonga namangy fa saika loza no niseho.
129.- Vitan’ny Malagasy ihany ve ha hanitsahako ny any ivelany.
130.- Fiteny ny hoe: “ tsy nahita fahoriana aho ”, fa iza moa no nandre sy nahita.
131.-Raha tsy maintsy hifidy ihany moa tsy izay tiako no manendrika ahy?
132.-Aleo jamba mifampitarika toy izay mahita  mahiratra mamarina an-kady.
133.-Avelao ny ditra hanjaka aminao fa izy ihany no hananatra ny hendry.
134.-Aiza ny marina hoy rafahamarinana fa toa izaho ihany ity no ifandrotehan’ny olona.
135.- Tsy ny ahiahy no tsy hiavona am-po fa ny toe-tsaina no tena poizina.
136.-Aza jerena amin’izato fitafy maloto fa ny vola hampidiriny aloha mba jerena.
137.- Tsy ny kamo no malaina fa ny di-doha no mamosavy.
138.- Raha ny entako tsy lafo no maha be seriny ahy haniko tokoa moa.
139.- Androany aho lavonao fa rahampitso tsy ampoizinao ny handavo anao.
140.- Tsy ny mati-kely no fadiranovana fa ny dedaka tsy manam-piry akory.
141.-Loza ity re olona fa ny dindoko ihany no nampatahotra ahy
142.-Tsy ny foko no leo anao fa ny saina aman’eritrerotro koa; Aiza ko ilay natao ray aman-dreny ity no nampivadravadra.
143.-Tsy misy sain-kanina fa ny te hampahory no maha maika.
145.-He! Jereo aloha izay mba eritreritrao vao mba mùiteny.
146.- Tsy ny saka ihany no manafin-koho fa ny loza dia ny olona.
147.- Tsy ny zavatra simba no mampalahelo fa ny fahatsiarovana raketiny.
148.- Hanina an’i Mandritsara tsy inona fa fitia tsy te- hisaraka.
149.- Sodokan’ny tranoben’ Iarivo ka ifandrotehan’ny tsy tena tompony.
150.- Aleo very hasina mbola velona toy izay maty vao atao firesaka
151.-Fitia diso hanta tsy inona akory fa tahotra ny ho taiana.
152.-Lazaina fa ratsy ny vita Gasy, loza ! fa tsy hitany akory ny an’ny Sinoa.
153.-Aza mivoady fa sao alain’ny Tompony
154.-Ny eritreritra toy ny tsiny nalefan’ny olona niangaran’ny feon’ny fieritreretany
155.-Tsy ny vintana no mahery na ny tody no manjaka fa ny teo-tsaina no nanimba ny soa toavina Malagasy.
156.-Aza mihomehy ny manan-kilema fa mbola hiteraka indray andro any.
157.-Ny olombelona toa hazo maniry fa misadrahaka ambany ny azy ny toe-tsaina.
158.-Very fanahy toa hazo irery atopatopan-drivotra eny an-tampon-kavoana ny ratsy fanahy.
159.-Voninkazo amoron-parihy alaivo aho raha afakao hoy ny Tatamo, saingy hazo amoron-tevana ny mpaka ka matahotra ny tandindony.
160.-Ny endrikao toa felam-boninkazo tsy vita nanahary saingy halazo vetivety fa ratsy karakara.
161.-Adala ve aho ka hiady amin’ny olona manam-bola sy mahitahita, rehefa lavony ataony fihomehezana.
162.-Ny sahobakaka no mitabataba tsy hifandrenesana.
163.-Loza fa ny amalona natao laoka no namadihana ny namana.
164.-Tsy misy tahaka ny adala, tenenina mora mamitsaka. Ny hendry arakaraka ny hitenenan’azy vao mampirifatra.
165.-Ny fitiavana rano mangarahara, ianao hitako izaho hitany.
166.- Voasary notapahan-dririnina, lohataona izy hisandrahan’izato felany.
167.-Azafady hoy ilay tokana, moa tsy izaho no hisafidy ny tiako.
168.-Angaha moa rehefa nanaiky ho resy dia efa vonona hanakora ahy ‘ty ianao.
169.-Toy ny ranomasina tsy tazam-piafarana ny halehiben’ny fitiavako anao.
170.-Ny mpandalo manao hoe: “ aiza ny bika aman’endriny ? ”, fa izaho kosa ny halemem-panahiny no katsahako.
171.-Aza sodokany vady vao nampakarina fa sao ho mpiasa be handaniana ny masokarena.
172.-Rafotsibe azon’ody ka ny zanaka ama-jafiny avy no tsy afa-bela.
173.-Sahirana toy ny maty tsy afa- nitondra na dia sotrokely iray aza ihinanam-bary.
174.-Be filazam-pahaizana, fa tsy nisy nahita hoe: “ hatraiza ny làlan-diso ny fahalalan’olombelona ”.
175.- Ny toerana ambony notanako no hanitsakitsahako ny zo sy ny fahafahan’ny hafa.
176.-Avelao ho lavon’ny fahantrany refefa tsy vonona ny hihary harena.
177.-Maty aho fa ilay sakaiza nitokiako no nivarotra ny fahamarinako.
178.-Leo laza toy ny sakaizam-bohitra mamingavinga ny mpiray tanindrazana aminy.
179.- Avezivezin’ny fieritreretana tsy naha leo ditra ny voninahitra azo.
180.- Kely rehaka kanefa mintso ny mpiatafika hanafika azy.
182.- Raha misy tiana ka mihoatra ny fitiavany dia ny fiangaviany ny tsy hibanjinanao ny fahantrany.
183.-Sahirana ny saiko milaza fa tia , kanefa ny foko manalavitra an’ilay ho tiaviko.
184.- Nahoana ianao no manambara fa tsy misy fantatrao izay ambarako. Sa! Mihevitra ny tenanao ho ambony fahendrena ka manosihosy ny tsy mba manan-kambara.
185.-Aleo biby tsy mahalala izay hiafarany toy izay olom-be manan-tsaina izao ka mitovy laharana aminy, fa mihevitra ny tenany tsy ho azon-tsampona ka ny malemy tokony ho arovana no tolomina ( Hifampitolomana ).
186.- Aza mihevitra ny tsy mahay ho bado fa lasa lavitra izy raha ny saina sy  ny hafetsena no heverina.
187.-Misy mihevitra fa ny faratampin’ny maha olona : Fahaizana, fa hevero kely ity; Avy aiza ny Hadalana?
188.-Tsy misy very sasaka noho ny hakelezan-tsaina nefa miaro ny kely ananany.
189.-Tsy ny aloka no manenjika anao na ny eritreritra no mampamaloka anao fa ny toe-tsaina mivonona ny handrodana ny namana ka tsy mahita ny fahatonian-tsaina.
190.-Tsy ny Tatamo no te ho any aminao fa ny fitsiriritanao azy no hanimbanao ny hankatony.
191.-Aza sodokan’ny harenan’olona, fa tsy tompon’ny aianao fa mpindrana fotsiny.
192.-Aza misahirana mieritritra ny ho ampitso fa  ny rahariva hatrehana.
193.-Vita ny amiko, tsy noho ny aminao fa vokatr’izay nanampotika ny fanahiko.
194.-Matoa aho lavitra anao, tsy tsiniko rahavako, fa noho ny ankason’ny tany.
195.-Aza mijery ny bika aman’endriko. Jereo aloha ny fitaratra.
196.-Raha lavo aho tsy ianao no namingana ahy fa ny  eritreritro ihany.
197.- Misy ny tia natao hankahala ka aza gaga ianao na mamoifo.
198.- Noana ny olona, voky ny mpitondra.
199.- Tsy ny fahavalo no fahavalo fa ny fo amam-panahinao.
200.-Na lavitra aza ianao tsy aiza aho fa manaraka anao eny ihany.

                                           Tout droits réservés pour tous pays y compris.
                                 Conception et saisie : Ny Andri-Fara. Micro Edition «  MEVA »
                             Roneo special. D.L.02/2005.   PRIX: 6.000 Fmg ou 1.200.Ar
                               Adresse : ANDRIANARIVO Fanomezantsoa Raphaël
                                       Lot IIG 32 KT zep . Mangarivotra. Ambatomaro
                           E-mail: raphaelfanomezantsoaandrianari@gmail.com. Nombre 100
Raha toa moa ka hanampy ahy ianao ny amin’ny fanatontosana ho boky / 0331274919.0340150519
199 1

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0651