Ny fitiavana no lehibe indrindra (Ny Eja)

Mpanoratra: Ny Eja
Nampiditra: hery
Nitsidika : 482
Sokajy: Fitiavana
Nalaina tao amin'ny Facebook
FA NY FITIAVANA MANKO NO LEHIBE INDRINDRA !
Mijery fitaratra aho dia toa tsy mino ity tenako, nihamahia aho izany, toa tsy eo amiko intsony ilay tarehiko nampierika an'ireo lehilahy , ny takolako nihafisaka sy nihakonka, ny endriko mivaloharika fa efa ho enimbolana izay no tsy nandao fandriana intsony, kikisan'ny aretina tsy mamela mahazo.... Sendra tazako nisy nametraka teo andoha-fandriako ny sarin'ny mariaziko tamin'i Rabela .... Oadray fa iza koa no nanao ity sary ity eto ? Ndryyy toa miverina ato an-tsaiko ny lasa ....
Miredona toa mampientanentana ny foko ery izany hira hidiranay sy Dada ao am-piangonana. Ny tsikitsikin'ireo ankizy niara nihira tamiko fahiny, ny somebisebin'ireo mpandrindra ny zava-maneno sy ny fandaminana izay mampandroso anay roa ho eny amin'ny Alitara ... Ndrôoo...Sambatra ery ange aho, tsy haiko ny manazava aminareo fa andro lehibe amin'ny fiainako io andro io, hampakarina aho, hanambady aho, hantsoina hoe madaman'ny Ragova aho!!!
Tsikaritro ihany ny pitrapitran'i Neny toa te hitomany, toa faly, toa miasa saina ny amiko, satria efa zokinjokiny ihany ity hovadiko , zokiko dimy ambinifolo taona be izao, ary lehibe ao amin'ny minisitera misahana ny volam-panjakana. Azo lazaina hoe lehilahy tena manana mahaizy azy . Raha ny amin'i Dada indray dia tretrika izy, ka feno tsikitsiky sy miedinedina ery mitantana ahy. Ny rahavaviko sy ireo namako rehetra mialoha anay; mitondra voninkazo, raozy mena , ilay tena ankafiziko!.
Rehefa hanatona ny alitara aho dia indro fa tazako ilay ho vadiko, ndrematoa Rabela...Sady ranjanana no vaventy, somary niorirana kely izy nibanjina ahy, izaho moa revom-pitia, fa hanambady lehilahy matotra be, fôksionera, nampiadana ahy tamin'ny izay niriko rehetra !!!!. Na dia nanana ny kilemany tamin'ireo vehivavy maro sakaizany ihany aza izy teo aloha, dia izaho no tiany sy nampakariny ho vady, sady nampihantainy fatratra ery.
Rehefa tonga teo amin'ny anjaran'i Rabela ny fanaovana voady dia tena tamim-pahamendrehana no namaliany izany. - Manaiky ve ianao hampakarin'i Rabela hoy ny mpitandrina tamiko, ka kevoka ery aho namaly hoe : Eny!.
Roampolo taona lasa izany... Manatrika ilay sarinay aho dia nitamberina ato an-tsaiko koa ny nanitsahako an'i Rabela rehefa tsapako fa resy tamin'ny aretina izy. Nitia olon-kafa aho: Lehilahy mitovitovy taona amiko, sady dokotera. Eny, Dokotera mpitsabo an'i Rabela no nanjary olontiako.
Mety ho gaga ianareo hoe fa nahoana ? Satria nambarany fa ity vadiko dia voan'ny AVC ka tsy ho toy ny teo aloha intsony fa hitaritarika ny tongony mandrakizay .
Vehivavy tsara tarehy ary voafidy ho tsara indrindra tamin'ny fifaninanana nisy tao an-tanananay aho, notezaina tanaty fiadanana aho ary tsy nisy nahaory ahy . Toa mahamenatra ahy amin'ireo namako ny hifanindran-dalana amin'ity vadiko mitaritarika tongotra sy mikaikona tanana , izay hanjary sembana . Tiako ihany Rabela, fa navesa-danja ny an'i dokotera izay toa nambabo fo ahy ny fitiavany sy ny fanampiany ahy tao anaty ady sarotra .
Tapaka ny hevitro fa hanaraka an'i Dokotera aho, ary hajanoko amin'i Rabela ny zanakay, raha mety, i Andry kely izay efa telo taona .
- Rabela a, mamela ahy fa tsy vitako intsony ianao, sady nilatsaka moramora ny ranomasoko, tsy haiko izay antony !.
- Fa nahoana ianao no mitomany ?Moa tsy izaho ve no tokony halahelo ?
- Rabela a, tsofy rano aho fa efa ela ihany izay nikarakarako anao izay, fa tsy manana herin-tsaina hiaretana izao anefa aho .
- Ka inona no tianao atao ?
- Tsofy rano aho fa handeha hiala eto, ary ho any amin'ny faritany
- Dia ahoana ny zanatsika ? hoy izy, toa nanganohano be ihany... Sahinao ve ry Raozy ny ....
- Aza omena tsiny aho fa samy tiako ianareo mianaka, kanefa raha hampilamina anao dia ajanoko ny zaza .
- Eny, tsofiko rano ianao, na dia izao aza no hanaovanao ahy ... Haninona moa aho, tsy afaka aho e, izao aho...
Noraisiko ny valiziko dia nihodina aho, tsy te hijery ny endrik'i Rabela, tsy te hijery izay ranomaso nikoriana tamin'ny tavany, satria toa henoko ihany ny sentony mangina izay niezahany nafenina ahy .... Ny tao an-tsaiko dia hoe mila manana fiainana tsara aho, izaho ve vehivavy toy izao dia hijaly sy hiferinaina, amina lehilahy sakaizam-pandriana, tsy efako ny hanambady lehilahy malemy izany, mbola tanora aho ka, sady ... Ny fitiavana no lehibe indrindra!.

Niverina tampoka ny saiko, fa iza tokoa ary no nametraka ity sary ity teto e ? Ny olona ato koa tsy misy afa tsy Ikalapita irakiraka, tsy mahalala ny fisian'ity sary ity sy ny tantarako akory . Radokotera vadiko efa zara raha mandalo eto, ary efa nanambady, ny zanakay aza efa lasany any koa .
Tampoka teo, indro niditra ny efitranokeliko, tovolahy iray sady feno tsikitsiky... .
- Manao ahoana ianao izany ry neny ?
- Neny ??? Fa iza ianao? Andray ! i Andry ve ianao ? ilay zanako ve ianao ?
Nifokofoko nitomany aho, sady niezaka namihina mafy ny tanany.
Namihina ahy i Andry, sady nanorokoroka ity tarehiko efa mahia dia mahia...
- Neny a!, Neny a, hoy izy, neniko foana ianao ! Tiako ianao, azonao ve izany ? Eny ry Neny, i Andry ity, ilay zanakao !!! Nitady anao hatraiza hatraiza ange izahay sy dada e , Neny a , faly aho mahita anao.
Nifampibanjina sy samy nitomany teo aloha izahay dia nifamihina mafy indray, ary hoy i Andry :
- Neny ô, misy olona niaraka amiko koa io....Azonao an-tsaina ve hoe iza ?
Niditra Rabela, ary nahagaga ahy fa toa tsy nitaritarika tanana sy tongotra .
- Rabela ? Oay Rabela marina !!!! Menatra be anareo mianaka aho, izao aho sisa, ... Resy aho Rabela, marary mafy aho, fa mamela ahy!
Noraisin'i Rabela ny tanako efa antsatra, norohany, ary tamim-pitiavana no namaliany ahy ....
- Aza manahy fa tsy hanome tsiny anao no nahatongavanay mianaka, fa hamangy anao, dia nitondra voninkazo koa ! Raozy a, Mamela anao aho !.
Notolorany raozy mena aho, ka faly sady sahirana, menatra aho fa ity vady mariaziko, sy ny zanako izay tsy noraharahiako indray no tsy manadino ahy.
06/08/2022

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha

#1 05/11/2022 16:16:30
Misaotra fa tiako !