ILAY DIARY MAINTIN'NY NENY (RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé))

Nitsidika : 2634
Tohin’ilay diary maintin’ny neny
Avy hatrany dia nampandre an’i Rindra i Bary mba hiandry azy ao an-trano, ary novimbininy ilay boky mainty mirakitra ireo zava-miafin-dramatoa Rasendra ka nampafantarin’ i Bary an’i Rindra izany. Noho ny avy eo tany an-tranon’i Rindra, « fa misy inona ry Bary no tsy maintsy mankaty amin’ity andro efa hariva be tahaka izao a, f’angaha maika be tsy afaka miandry rahampitso maraina izany a ? jereo ange ity ianao e, mipetraha aloha etsy amin’ny canapé etsy e, dia aleo aloha angalako ranom-boankazo mihitsy ianao fa tena sepotsepotra be no reraka sady reraka be ko » hoy i Rindra mantsy azy, « aleo re amin’izao f’aza misahirana e, na aleo rano mangatsiaka fotsiny fa izay izao no mety ahazoako aina », « tsy maninona re izany f’efa misy voahomana ao anaty vata fampangatsiahana ao, sady ‘’glacé’’ tsara ! », « tsy maninona rehefa izay no hitanao fa mety e ! dia misaotra anao mikarakara, ary mialatsiny manelingelina ! » ; « tsy maninona re izany ry Bary a ! », tampoka avy teo anefa dia nisy zavatra nianjera tao an-dakozia, nisy rivotra nifofofofo be avy any ivelan’ny trano ka nanokatra ny varavarakely avy hatrany dia nofahon’ny rivotra ny lovia ka vaky, taitra i Bary ka nikoropaka avy hatrany nijery ny zava-niseho, izy rahateo koa efa mahana noho ny fisian’ilay boky nosoratan’i Rasendra ho azy, « hoay fa inona izany ry Rindra » hoy izy etsy sady matahotra, « tena tsy haiko izany ry Bary a ! aleo aloha jereko kely hoe, angamba nazeran’ny Minette (saka) indray lay lovia nisy loaka tao koa ? », fa i Bary kosa amin’ilay mbola feno tahotra dia tsy nanaiky fa tsy maintsy hiaraka amin’i Rindra any andakozia no hiantefan’ny sainy, « aleo izaho hiaraka aminao any ihany fa sao dia tsy ho vitanao irery koa » ; « eny » àry hoy i Rindra fa tsy maninona. Saingy tamin’io fotoana io anefa dia notsofon’ny rivotra tokoa ny varavakely fa tsy mbola niseho i Rasendra, ny antony dia mbola tsy niverina niaraka i Rindra sy Bary. Rehefa vita izay natao tao andakozia dia lasa niverina niresaka ka teo indrindra no nanontanian’i Rindra i Bary : « fa nisy tokoa aloha ry Bary fa toa variana fotsiny teto isika a, ny tena anton-dia anao mantsy izao mbola tsy voalazana tamiko akory koa, inona no anton’izao fahatongavanao hariva be izao ? soa ihany koa fa tsy ato dadanay sy neninay fa lasa nandeha any ambanivohitra any ! tantarao hoe misy inona ? ». somary sadaikatra ihany anefa i Bary ny hitantara an’ilay zava-niseho satria mety tsy hino izay ho lazainy i Rindra. I Anja koa any an-trano tsy misy mpikarakara ny fatiny, raha hitantara mantsy izy eto dia toa sarotra ho an’i Rindra no hino fa tena maty novonoin-dRasendra reniny i Anja satria noheverin’i Bary hitohy aty amin’i Rindra izao fandatsahan’aina ataon-dreniny izao, saingy tsy niseho anefa i Rasendra tamin’io fotoana, ny hany azon’ny lazaina dia hoe maty i Anja, ary tsy nolazainy izay antony nahafaty azy tao an-trano, ka hoy izy : « maty i Anja ry Rindra a ! », « an ! hoy i Rindra etsy sady nanontany azy hoe « fa naninona ? f’angaha narary ? », i Bary kosa etsy vonton’ny tomany ny masony ; « mety tsy hino ahy ianao raha ho lazaiko ny antony, satria zavatra tsy dia fahitanao no mety nahafaty azy, fa porofo iray mety haharesy lahatra anao angamba dia ny fisian’ity boky ity ! « boky ? fa boky inona koa ity ry Bary, toa sady miloko mainty no hafahafa be ny paoziny ? » hoy i Rindra etsy manontany, « ity no boky mirakitra ny valifatin-dreniko rehefa tsy nanaraka ny teny izay nolazainy aho fony fahavelony, mbola tsy dia tena haiko mazava anefa ny antony fa ny fantatro dia manao vali-faty amiko i Neny, ary ireo vehivavy izany miaraka amiko no haripany, isan’izany i Anja, izy no namono an’i Anja tao an-trano rehefa iny izaho hijery zavatra tany amin’ny efitra ambany iny, i Anja kosa efa novonoiny tao amin’ny efitra misy anay, ka vatana mangatsiaka sisa no hany tratrako tao rehefa niantsoantso ahy mafy izy. Ny trano rehetra tamin’io nikorontana ambony ambany, tsy hay hoe nisy inona na nisy inona. « an ! hoy i Rindra taitra mafy nahare izany rehetra izany, « fa loza inona ity lazainao ry Bary ? tena tsy nampoiziko marina !
« Dia izay ry Rindra no azoko lazaina anao a, maty i Anja (sady mitomany) », ary hono ho aho efa novakianao ve izany iny boky iny ? hoy i Rindra nanontany, « tsy mbola haiko loatra hoy aho aminao ny ato satria vao nahita ny aranao tato aho dia avy hatrany dia namonjy anao taty aminareo, araka ny tenin’ny neny tamiko mantsy fa hoe ato daholo ny anaran’ireo tovovavy niaraka tamiko ary tsy maintsy maty avokoa, isan’izany ianao » i Rindra : « an ! ahoana tsara hoe ry Bary ? fa loza inona àry re ity ry lanitra ô ??? », nandritry ny resaka nifanaovan’izy roa teo anefa dia mbola tsy voavaky mihitsy ilay boky satria i Bary koa mbola hody ary tsy maintsy hiverina hikarakara ny razana any an-trano, mbola hampandre ny fianankaviana, ny manampahefana, ny ray aman-drenin’i Anja, « aleo amin’ny manaraka ity boky Rindra no hiarahantsika mamaky raha sitrakao f’izaho koa mbola hody hikarakara ny an-trano a ? » i Rindra : « aleo aho hiaraka aminao any hanampy anao raha mety e, toa mampalahelo be ahy ny mahita anao miady irery toy izao koa », i Bary « Tsy maninona fa aoka izao Rindra a, ny tranonareo koa tsy misy miandry ka sao vao mainka hanahirana ahy eo ianao, tongava fotsiny any maraina dia tsy maninona afaka manampy ahy ianao » ; « eny ary hoy i Rindra mantsy azy, dia lasa i Bary sy ny honjohonjony samy irery hiatriaka adidy mavesatra mampizogain-dreniny azy….
Tao aorian’ny fotoan-tsarotra izay nolalovan’i Bary ireny dia tsy mbola niseho mihitsy i Rasendra. I Rindra kosa nanomboka teo dia nanamafy ny finoany an’Andriamanitra ary nanampy an’i Bary sy nitaona azy mba hiara-dalana aminy ary hanakaiky bebe kokoa an’Andriamanitra.

Mbola hitohy
Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha

#2 17/05/2020 05:44:01
mamaky finaritra tompoko o!
#1 17/05/2020 05:36:28
Mahafinaritra. Hamaky azy miaraka amin'izay