SEDRAN' NY FIAINANA (Tsinjo RAZAKANIAINA)

Mpanoratra: Tsinjo RAZAKANIAINA
Nampiditra: Itiavina
Nitsidika : 1932
Tantara mampalahelo...
Dia efa mainty isika...

Tsy niposaka akory leitsy io masoandro io
Dia efa mainty isika...

Solo no anaran' ny dadan' ialahy, Ketaka kosa ny an' ny maman' ialahy. Avy any Ambalavao, atsimon' Ambatolampy any no fiaviantsika, fa tsy teto akory.
Tao ialahy no teraka, tao no nahalehibe an' i dada sy i Neny,
tao ny naha olona ahy, tao ny nikipian' ny mason' ny Ray aman-drenin' ialahy...
Tsy vao izaho, fa efa tamin' izany no efa tsy nanana isika.

Tadidiko tsara, akoho iray, vilany roa , ary akanjo rovitra, sendra tazan' ny dada teny an-dalana no notsiponiny, ka nentiny ho antsika mirahalahy.
Ireo no hany nentitsika namakivaky, ny ririnina mamirifiry...
Trano bongo no nitoeratsika tamin' izany

Telo ny zanaky dada sy i Neny. Lahy avokoa: Ialahy no farany, I zoky Miavaka no voalohany :Herinandro monja izy dia maty ,hoy i mama . Izy ilay hany fotsy tamitsika, izany angamba no antony tsy naha ela velona azy , ary izaho zokin' ise ny iray.

Tsy niposaka akory leitsy io masoandro io,
dia efa mainty isika...

Indray andro ary, sabotsy tamin' izay...
Nirotsaka ny orana, nipatraka ny avandra, nilentika ny masoandro, niposaka ny volana ,
tsaroako, telo taona aho tamin' izay,
raha iny nihaloka iny izaho sy Bema namako,
Dia hoy izy tamiko:

Bema: Tojo an!!!!

Izaho: Maninona leitsy!!!!
Sady nitsiky aho.

Bema: Ilaisany moa...

MBOLA HITOHY

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha