ANTSA TSY NANTSAINA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 1072
Mpanoratra Ny Andri-Fara
TANTARA IRAY MANEHO FITIAVANA ANKAMANTATRA
Pejy 1
…17 taona lasa izay ; tsy niverina tamin’ity tanàna izay nahalatsahan’ny tavoniko ity mihitsy aho  ; tsy fantatro ny antony , saingy androany vao nangiran-dratsy no nigadona teo amin’ilay sampanana ho any aminay . Toa nangovitra hafahafa izany ny vatako iray manontolo , toa tsy nahajoro fa nangozohozo ny tongotro , fanina tampoka izany aho, tsy nisy ianteherako , tsy nisy akory na dia olona iray aza nampahery ahy. Tafatombina tamin’ny tany aho , angamba tokony ho andiny roa na telo mahery kely teo ho eo aho ; vao tonga saina ka namonjy ny diako hizotra amin’iny lalana iny indray . Lalana ankeviny ho ora efatra na dimy akory aza no tsy maintsy hizorako , dia hahita ilay akanin’i Dada sy Neny  indray aho . Izy ireo izay tsy hitako intsony fa efa nandao ahy any amin’ny varo-tsy mifody , dimy taona lasa izay …

…Trano milalotra tany ; miloko mena ranon-tany tsy misy hanavahana ny trano tazanao . Misy roapolo tafo eo ho eo izy ireo . Voadidina ala vitsivitsy tsy dia maro loatra saingy tsy hainao isaina ; saingy misy hazo iray vaventy miavaka eo an-joron-tanàna , somary miankavia . Efa nahatratra 200 taona hono izy io ; araka ny tantara efa reko fa tsy mba honohono akory . Dobo iray tsy dia lehibe loatra hanirian’ny lomotra sy ampanga ary bararata vitsivitsy no tazanao eo; ravahan’ny voahirana sy tatamo .

1

Misy vato iray fisaka somary lehibebe eo ankavanany izay fanaon’ny olona hanasany ny lamba na hidiovany , io dobo io mantsy no hivarianan’ireo lakan-drano madinidinika avy eny avaratry ny tanàna ; izay ahitantsika lohasaha midadasika iray , rakotra ahitra maitso mavana mandavan-taona . Eo ampitan’io lohasaha io dia misy fasana toa manirery , dongona mahantra tsy misy marika hahafantaranao azy ho fasana akory . Fasan’iza ary io ? Io foana no velam-panontaniana manitikitika ny saiko isaky ny izay mandalo maka rivotra eo aho ka miankina amin’ilay hazo fiankinako raha mibanjina ny lasako ihany koa ho . Tsy lavitra eo fa somary ambanimbany kokoa , dia ahita fasana maromaro ianao izay mifanao ambaratonga ary misy soratra sy marika hamantaranao izay milevina ao sy ny fotoana nandaozany an’izao tontolo izao . Ny eo atsimon-tanàna kosa dia sakelin-dalana mampitohy ity tanàna misy ahy ity amin’ny tanàna hafa ; tokony ho telo kilometatra ny halavirany ; any no mifarana ity lalana izorako ity . Ny eo andrefana no misy ny sekolim-panjakana roa dia ny ambaratonga voalohany sy ny faharoa ; ahitana fiangonana roa ihany koa izay mifanolotra dia ny katolika sy ny protestanta izay tantananan’ny MPF ; mpitandrina vazaha avy any Londra tsy dia fotsy loatra somary manifinify izay no nitandrina tao .

2

Ny biraom-pokontany kosa no somary manalavitra ireo fiangonana ireo fa akaikin’ny sekoly ambaratonga voalohany kosa izy . Eo no misy ny toerana fatsakana izay namboarin’ny fikambanana Mitiasoa . Trano efa maoderina manahatahaka ny ety an-drenivohitra no hita ao , misy ny mitafo fanitso ao ny sasany mitafo taila ; saingy iray monja no naningana mitafo bozaka ary kelikely kokoa raha mitaha amin’iretsy namany ary raha tazanina avy ety aminay dia nahazo andrefana kokoa no misy azy ; ka naka zorony toa ho latsaka any amin’ny hantsana izany mihitsy . Misy hantsana telo metatra mantsy amin’io tanàna vitsivitsy izay tsy ahitana afa tsy trano telopolo tafo eo ho eo io ; tanàn’ireo manan-katao sy be vola . Telo na efatra eo no manana fiara fa ny ankamaroan’ny hafa dia bisikileta sy moto avokoa . Ny eo atsinanany kosa dia vohitra avo mandondona ahitana vato mitandahatra sy mifanongoa ; ala vitsivitsy ihany koa no tazanao eo toa mifandrangitra amin’ny ala tapia sy ny ala na bararata ; rakotra bozaka sy raketa lahy avo dia avo . Misy tanàna lehibe iray ao ambadik’io vohitra io ka ny lalana izay natoroko anao avy ery atsimo no mankao sy idirana ao ; saingy tsy azonao hitsiana na hanaovana hitsin-dalana akory eto fa mikodiadia tsy hita faty any . Nisy olona nanandrana nanao hitsin-dalana hono teo ka tsy hita hoe aiza na lasa aiza fa tsy hita faty akory .

3

Ny eo avaratra indray no varavarana hidirana ao an-tanàna , raha tombanana avy eto ka hatreo amin’ny sampanana andalovan’ny lalam-pirenena dia misy folo kilometatra ny lalana tsy maintsy hizorana , hamakivaky lohasaha ; tanimboly ; tanimbary ary havoana ivaiva sy lemaka izay rakofan’ireo ahitra tsy fahitanao any an-drenivohitra eny antsefantsefany eny .

Misy trano anankiroa somary lehibebe eo , ary trano kely iray , samy ao anaty tamboho gasy avokoa . Tsy misy ravaka na famantarana manonkana afa tsy paiso iray efa antitra sy goavy tsy mety mamoa mihitsy no eo an-tokotany. Tao amin’ireo trano ireo na ny marimarina kokoa no namoizako an’i Dada sy Neny ; indray takarivan’ny ririnina maizim-bava vilany . Jiolahy efatra nitam-basy no nanala ny ainy teo imasoko . Zaza dimy taona aho tamin’izany ; tsaroako tsara mihitsy tsy mety adinoko mihitsy i Neny izay nihoson-drà tanteraka lavo niankohoka teo anilan’i Dada efa tsy nisy aina intsony . Vola kely azo tamin’ny tsena nataon’izy mivady ny maraina ; tsy ampy enina arivo iraimbilanja akory no namonoana sy nandatsahana ny ain’ireo nahitako masoandro .

Ankehitriny 21 taona aho , tena mbola ao anatin’ny fahatanorako tanteraka . Tsy mbola tonga tany aminay aho fa mbola ety an-dalana .

4

Efa mandroso ho efa hariva ny andro no tonga tao amin’ilay tanàna tsy maintsy andalovana raha ho any aminay . Trano efatra anaty tamboho efa rava no eo an-tsisiny ankavia ; sarety roa avy nivarotra arina fandrehitra hitodi-doha hody any aminay no mifanao aloha sy aoriana . Reniranon’ikalavariana no miara mizotra aminay eo ankavanana , ary miankavia kosa izy rehefa afaka roapolo minitra mialoha ny hahatongavako eo amin’ilay tetezana vita vato . Misy lalana manivaka ihany eo ankavian’io tetezana io saingy rakotra ala sy feno bibidia toy ny fosa ka tsy vakiko irery ka naleoko nanara-dia ny sarety . Io tanàna izay tsy maintsy andalovana io dia ny mahagaga ahy , tsy ahitanao afa tsy hazo kininina roa monja no eo . Ny ampanga sy ny alam-boanjeva no maro sy mandrakotra ny lalana diavina . Mahalala dia mahalana vao ahita goavy sy raketa lahy maniry ianao . Bozaka maranitra manindrona tongotra ary mety handratra raha tsy misy kapa no tsy maintsy lalovana raha hamakivaky ny lohasaha ambony andrefana ianao . Feno voninkazo toa lakolosy mavomavo ihany koa , Vehivavy iray no tazako avy naka kitay sy miloloha izany hiditra ao amin’ilay tamboho rava , vao nierika hitazana azy aho dia efa dify izy ka tsy tazako intsony . Somary nafainganiko ny diako mba hanenjika ireo sarety ; kanefa toa niahotra tampoka indray aho ka nizotra moramora indray .

5

Nisy tahotra sa ahoana fa naleoko nampihemotra ny diako ho miadana dia miadana ; ilay sarety taty afara anefa toa miandry ahy , tsy manafaingana akory ny dian’omby . Tena efa nilatsaka anefa ny haizina , zara raha tafita ny tetezana efa nambarako tery aloha ; nanopy niankavia ny masoko …, toa misy hery manintona ahy hanantona ny ala hamakivakiako azy io , anaty haizina . Jereko indray iretsy sarety toa mifampiandry mitaintaina hoe ; ahoana ny fanampahan-kevitro ? handroso sa hiverina ! Lehilahy iray avy tao anatin’ilay sarety faharoa no nitsilo fanala ahy milaza fa miverena fa tsy azonao aleha any . Izany no nandrasako ka nahatonga ahy nihazakazaka ka nanantona azy ireo ary niray lalana taminy . Tsy nisy niresaka teny an-dalana fa samy nametsovetso tao am-pony . Ilay mpitarika sarety nisy ahy no nanolotra mofo gasy iray ahy ka tsy nisalasala aho nandray dia nihinana , saingy niverina indray ny fahanginana . Toa resy tory ho azy teo aho , ka tsy taitra raha tsy efa nandre ny koran’ireo ankizy milalao amin’ny diavolana . Nanitsy niditra ny vavahady ny sarety ka zendana aho hoe iza ireto olona nitondra ahy fa toa namonjy niditra tao amin’ilay tranon’i Dadafara rahalahin’i Dada izy . Izaho kosa namonjy ilay trano ivaiva izay nisy anay fahiny ; tadidiko tsara 17 taona lasa izay .

6

Bobongolo ny rindrina ; feno sy rakotra lomotra ny trano ary kofehy novolavolain’ireo hala marobe ny efitra roa sy ny lakozia . Tsy mba nisy niditra mihitsy tato hoy aho ; mbola reo avokoa ny vilia sy ny sotro nihinanako raha naka ahy teto ny fianakavian’ny reniko . Ny lamba tsy nisy niova ; ny farafara fatorianay mbola eo ny lamba narakotra azy , saingy niova ho maintimainty ilay fotsy ranoray nataon’i Neny teo . Tsy nisy nanova izany na dia efa nandao ahy 5 taona azy izy mivady . Tokana mantsy aho ary tsy nahafantatra akory izany atao hoe mampirin-trano izany no nalain’ireo havan’i Neny aho . Nojereko ny lalimoara sy vata nisy ireo akanjonay ; notadiaviko ireo taratasy marobe nampirin’i Dada fa ny tsikaritro ; dia nisy taratasy iray izay nambarany ahy no tsy teo amin’ny toerany . Efa nitsilopilopy ilay jiro labozia ; nanomboka rendremana ny torimaso aho ka voatery nidaboka tsy satry teo amin’ny fandrian’i Dada sy Neny . Resy tanteraka aho ary ny trano efa nivoha no nanaitra ahy tampoka . Na dia tsy tazako aza ilay lehilahy iray nitsilo fanala ahy tery an-dalana dia azoko antoka fa izy io niditra tao an-tranonay io . Nambarany ahy fa rahalahiko izy ary mpirahalahy ny raiko sy ny rainy ary i Dadafara , ilay nitarika sarety , saingy tsy tadidiko noho izy efa fotsy volo sasaka tanteraka .

7

Nafana ny resakay ary saika tsy vita raha tsy nifamontoana tery amin’ny lanitra ny vorondreo sy ny tararaka hamonjy ny akaniny indray , noho izy ireo matahotra ny andro hivoahany raha tsy amin’ny alina , ka mba hody kely hiala sasatra hono ry zareo fa hivoaka alina. Laniko nanadiovana ny trano kelinay ny dimy andro nahatongavako ; tsy nivoaka ivelan’io tamboho gasy mbola nijoro io aho . Toa hoe , efa nahatratra 200 taona mahery .

Indray andro anefa dia mba nivoaka harivariva aho ; nanana fikasana mba hiakatra ery andrefan-tanàna hamonjy ny fokontany hanatitra ny taratasy manamarina ny fifindrako honina sy hiverina aty an-tanindrazako . Tsy naharitra ela aho fa vita vetivety ny raharaha nataoko teny , ka nikasa hidina hamonjy fodiana aho . Tsy nisy nahafantatra ahy ny mponina teny ka maro no nihafahafa tamiko , fa na dia niarahaba azy ireo aza aho dia nianjonany fotsiny . Ny fomba nahazatra ny mponina ihany koa tsy nisy fantatro .

8

Hany ka niondrikondrika aho nizotra tamin’izay hitsiko sy handehanako. Raha mba nitraka anefa aho dia nahatsinjo endrika iray tsy niala tato an-tsaiko mihintsy nandritra ny 17 taona lasa izay; mbola tadidiko na dia mbola zaza aza ihany aza aho tamin’izany.Maloka feno hatezerana ny foko , kanefa nampionona ny foko aho tsy hampiakatra fahatezerana fa ho tony tsara aloha hiatrika izay mety hitranga eo . Tsy haiko fa nandalovany fotsiny aho …, tsy tadidiny ve! Izy niakatra tsy nierika mihitsy fa izaho kosa namonjy ilay kisilalisa rakotra bozaka , tsy nisy afa tsy voninkazo lisy sy raozy mamelana fotsy sy mavokely ary mavo misy pentina no nandrakotra io toerana nahatafatombina ahy io ; somary natongilako ny lohako hijery izay fandehany fa tsy nisy fieritreretana akory momba ahy teny aminy ; lasa ny ny eritreritro hoe , harahako ve sa ahona , saingy ny hiakarako indray no nahatapaka ny hevitro kanefa toa vahotra indray aho ka namonjy ny tohatra efa ratsiratsy hidina amin’ilay efa nizorako .

9

Efa harivariva aho vao tonga tao an-trano ka nandry fotsy fa tsy nahavita nahandro akory..; reraka loatra aho , tsy ny saiko ihany fa ny vatako iray manontolo , tena nikorotana be ny ihany ny lohako , mifaninana mibosesika ato an-dohako ny lasa sy ny ankehitriniko . Ny fahazazako niaretako ny jalin-kavana ka izay tian’izy ireo natao tamiko dia ny fanompoana takalon’ny sakafo isan’andro … , he izato fifohazana marain’alina mba hatsaka rano , vita izay dia mitaona ranon-tany sitrany ahay mba sakafo kely sy hamitana ny fianarana , ny karama fanadiovana ireny lava-piringa manara-penitra ireny kanefa dia vary masiso no setrin’izany , noana tsinona ka tsy maintsy hanina ihany . Tsaroako rehefa nividy akondro dia ireny efa lo ireny no betsaka ka iny no miantoka ny alina sy atoandro . Ny tsaka-ranon’olona …Nihiaka ny fanahiko , tafatombina teo ambony farafara aho . Tena marina ve! Eny tena niainako tokoa…17 taona lasa izay…

10

Nampiakariko ny tanako ankavanana hamafa izato ranomaso nikoriana tamin’ny tavako saingy tsy voafafany fa tsy maintsy nandray lamba kely teo anilan’ilay fandriana nisy ahy ; vao voafaokany izany ; nojereko fa kotsan-dranomaso ; ranomaso narahan-tsento , sento lalina nahafanina , nahajemby ; naha irery satria tena irery .

Maraina ihany ny andro , maraina toa hafahafa . Tsy nisotro tsy nifoka aho kanefa malaindaina hafahafa izany , maharary ahy avokoa ny lamosiko rehetra , manaintaina ny lohako mila tsy ho zakako ; tsembo-dratsy mangatsiaka kanefa mipotrapotraka ny hatsembohako . Voan’ny tazo ve! Tsia an! Niasa mafy ny fieritreretako iny alina iny . Niarina ihany aho dia namonjy iry fantana nilaozan’ny afo ka nanokatra ilay vilany kapoaka ; ary nisotro ny rano tao anatiny sy nihinana ilay ambiny vary atoandro tsy nohaniko ny alina . Nafaitra fa tsy nahoako…, nahery ny hanoanako . Dia lasa aho nivoaka tsy haiko hoe , ho aiza .

11

Nikasa hivoaka ny tanàna aho no nahatsinjo tovovavy iray tokony ho iray metatra sy efapolo eo ho eo , zarazara hoditra malama volo bango tokana ary akanjo tohi-tena sy kiraro gasigasy no teny an-tongony . Nandalovany fotsiny aho ; izaho koa moa afaka hanao ahoana , he izato fahantrana efa mby an-koditra. Fotoana fohy monja no niainako izany ary gaga aho raha teo anilan’ilay fasana tokana efa nolazaiko tery aloha vao tonga saina , fisainana namoaka tsiambarantelo anefa noho ny fanantonako tsikelikely ny moron-pasana . Vonin-draozy mbola miaina tsara no tazako teo ,ary tena vao haingana no nisy nametraka teto hoy aho . Iza anefa no nanao izany …Sa ilay tovovavy nifanena tamiko teo ?! Toa nisy hery nanintona ahy hanantona bebe kokoa hjery ny zava-misy . Fasan’iza ary ity fasana ity . Nijery ny manondidina ihany aho vao sahy nikitikitika izay zavatra hitako teo . Tsaroako tsy nitepo intsony ny foko kanefa mbola miaina tsara aho .

12

Ny anaran’ireo nahitako masoandro no hitako , naveriko nofafana tsara ilay soratra efa maizimaizina fa ny anaran’i Dada sy Neny ihany no hitako . Tsy ilay fahafantarako ny tsiambaratelon’ilay fasana ihany no nanosika ahy fa te ahafantatra aho hoe , iza no nahatsiaro azy ireo ary fianakaviana sa olona mba te hanolotra raozy ho an’izy mivady . Ny raozy izay tena tian’i Dada fahavelony , raozy mavokely . Tsy nahatomany aho tsy nahaloa-peo akory , ny endriko anefa hendratra be ihany . Nalaiko ilay fehezan-draozy nisy nametraka teo dia lasa aho . Tsy tonga lavitra akory anefa dia nifanena tamin’ilay tovovavy teo indray aho ka nosintonina an-kery ilay fehezan-draozy tety an-tanako . Teny an-katezerana tsy nisy nandaharana tsy nisy fiantoana no nifanesy nila valiny tamiko ; tsy namaly anefa aho fa izay vao nipololotra ny ranomaso …, fanina tanterka aho ary tsy nahatsapa hoe , efa tao anaty fiaran’ilay tovovavy aho vao namerina ny tomaniko indray .

13

Dada sy Neny no reko noteneniko nialoha ny fiverenan’ny saiko , sy izy namihina ny soroko ; hitako ihany ny anandahiko , ianao ilay notadiaviko nandritra ny 17 taona . Tonga vao haingana avy tany am-pitan-dranomasina mantsy aho sy ny vadiko hoy izy mbola namihana ahy . Nentiny namonjy ny fonenany tsy lavitra ny trano fiangonana protestana aho ary tsy navelany hiala teny raha tsy izaho angaha hono no manala ahy ao . Saingy tsy niandry izany aho fa nangata-dalana hamonjy ny tranon’izy mivady izay tsy ampy roa volana akory no niarahanay indray . Tena kivy tanteraka aho raha nisy antso nilaza tamiko fa maty ny rafozan’ilay anabaviko , izay tsy iza fa ilay namono ny ray aman-dreniko . Tankina tsy nahateny izy , atao ahoana moa , tany an-dafy no natao ny raharahany , izy tsy nahalala izany tokoa satria zandriko roa taona izy ary tamin’iny famoana azy mivady ireny dia nalain’ilay rahavavin’i Neny izy ka afaka tamin’iny loza iny .

14

Lozam-piarakodia no nahazo azy satria nirimorimo loatra ka niala ny lalana raha ho aty an-tanàna ka nifatratra nialoha kelin’ny tetezana , noho ny sarety maromaro efa tafiditra kanefa mbola nosisihany hidirana ihany . Omby efatra no maty ary mpitondra sarety valo no naratra mafy , sarety dimy kosa no simba tanteraka ; izay no vokatry ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana . Ilay fiara tsara tarehy kosa potika tsy nisy noraisina rehefa nampiakarina avy tao anaty rano . Indrisy fa tsy tana ny ain’ilay nitondra azy . Soa ihany hoy aho satria raha velona teo dia hizaka izay vokatry ny nataony ary higatra mandrak’izay satria namono olona .

Mitsiditsidika ahy ihany ilay anabaviko sy ny zaodahiko kanefa tsy nampiova ny foko izany kanefa tsy nandrava ny fihavanana ; atao ahoana tokoa moa ; helokin’ny rainy ve ho heloky ny zanany ? nilefitra ihany aho , nilefika toy ny vero notaingenam-pody , afaka ho aiza moa !

15

Misy fitenin’ilay namako iray izay,manao hoe : “ Ampitomboy ny tiana dia hihena ny fahavalo ”, kanefa hoy aho hoe : “ Raha satrinao ny ho tiana, nahoana no tsy mba hitia ”.

Tena tampoka loatra ny fiheverako fa any aoriana any , mbola hisy Antsa iray hanakoako ato am-poko , ary tsy ho ela izany , saingy difotry ny ankaso izany fomba fisainako izany . Mangidy mila tsy ho telina kanefa na ho ela na ho haingana , hisy tsioka malefaka hanangoly ny antim-panahiko; hamelovelo ny fitiavako , hampangina ny hambom-poko . Hitady azy aho , eny rehetra eny na aiza na aiza mety hahitako azy . Ny Aloka sy Tsiky ; Ny Tsiky sy Tamberina , ary Aloka sy Nofy mitamberina ahoana no ato anatiko ? . Mitady ho very fanantenana aho , kanefa tsy hanary toky , nankasitrahako ny fiheveran’ny ato am-poko ny tolokon’ny lasako…, ny lasako mitady tsy ho tsaroako.

Aiza ilay fanantenana nodradradradraina isaka ny fampielezan-kevitra

16

Fahavaratra ny andro…, fahavaratra diso misafotofoto loatra , mahery fiavy , hany ka tsy nahaleo ny rotsak’orana matevina ka nihoatra amin’ny tsy tokony ho izy ny fahabetsahan’ny rano , ka nahatondraka velaran-tany maromaro teto an-dRenivohitra . Tsy nisy toerana tsy nahitana rano , rano etsy , rano eroa ; izay mba nisy toerana avo sisa no mba nitazanana ; Ny amin’ireto vahoaka tsy misy aleha. Vokatr’izany dia vaky ny fefiloha andehanan’ireo renirano , toy ny lalan-drà hikorianan’ny aina mamelona vahoaka maro. Velaran-tanimbary tsy tambo isaina no difotry ny rano . Tsy mbola vanim-potoanan’ny rivo - mahery akory kanefa efa izao sahady ny zava-dratsy aterany .

Hitako mifamezivezy avokoa ireo mpamponjy voina sy ny mpitondra fanjakana , na ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna , ireo rantsa-mainga eto amin’ny Firenena mihintsy ee!

17

Famonjena ny mpiara-belona hono , saingy ny mpanohitra indray mampiseho fa fanamafisana orina ny fifidianana mialohan’ny fotoana sahady , ka maka ny fon’ny vahoaka . Zaraina fitaovana izay zaka ny ankamaroan’ny vahoaka fa sahirana , laroina teny mamy , dia tolorana avy amin-drizareo manokana sy navoaka am-paosy hay misy ambadika politika ilay izy , tao ihany loa ireo fanomezana nomen’ireo vahiny mpiara-miombon’antoka teto an-toerana sy avy any an-dilam-bato ho an’ny vahoaka . Ka ny Vahoaka ve no tsy mahalala sa ry zareo no mana-bado ny entina ? Tao anatin’izany vanim-potoana sarotra izany indray aho no niezaka indray hamelona ilay Antsa efa tato am-poko , ka asa izay hipoahany sy izay ho fidonany fa mino aho fa ho hivetso azy indray aho.

Tao anaty lalina tanteraka aho , no niandry azy hilalao ato anatiko indray , niezaka aho hamoha ny lasako teo anatrehany fa tsy tonga mihitsy izy .

18

Tsy fantatro ny antony ; notakariko ny fitadidian’ny ela sy ny tsaroana fa nanadino ahy izy . Indrisy anefa , trotraka ny fanahiko ; kivy be ny ihany ny foko …, impiry niantso ny indrisy …!

Tsy toin’isan’andro aho fa hendrantrendratra be ihany ; Nisy zavatra tsaroako tampoka . Hitako ihany ilay Antsa tato am-poko , Ilay Antsa efa navalon’ny tantara…Indro izy fa manantona ahy , te handray ny tanako , saingy mihamanalavitra ahy . Tsy ampy heritaona akory mantsy no nihaonako taminy ; nanantena ny hifandray taminy aho saingy , nosarahana tamiko ilay angolam-paniriana tsy ho tanteraka na oviana na oviana; ary tsy ho azo ekena noho ny antony maro samihafa . Nohon’ny natiora nanankana ny fiarahanay . Fiarahana , eny e! aleo angaha atao hoe , izany satria ny foko te hanantona azy fa ny azy nisalasala ny hanantonana . Mifanena foana ny masonay kanefa tsy sahy nibanjina azy ny masoko .

19

Ny tanako te hamihana azy saingy vahotra tsy sahy , malemy ny fitiavany ka tsy sahiko nohararaotina . Kanosa ve aho ? Tsy fantatro . Hoy izy mantsy :

“ Fa ilay antsoina hoe fitiavana , dia ilay teny mampiray , koa aoka ho tsoriko rahavako…; fa foko tsy mivoha ary mbola iray ”. Inona no avalinao an’izany !?.

Sengotra vitsy nihaloa ny fipoahana mahery vaika , nanaparitahana ny mpikomy sy ny mpitady ny fanjakan’ny rariny , no tsikariko nihanahery setra ny olona ka indray niredona ilay Antsa tsy nantsaiko efa ho heritaona izay . Velona indray ny hambo-poko na dia natao aza hoe , tsy niraika tamin’izany aho kanefa mba menatra ihany raha to aka mba misy rà Malagasy mikoriana ihany ato anatiko . Tovovavy maromaro no indro nifandrombaka nanodidina ahy te hisambotra , te hamihina ; te hanoroka ; te hamono ahy ; te hampiala ahy eo anoloan’ireo Miaramila tsy mahalala afa tsy ny hamono ihany ; Te hitoroka ahy ho mpamingana ny fitiavana efa navalon’ny tantara .

20

Iza avy izy ireo : “ Miora ; Tinahy ; Tolotra ; Gaelle ; Mialy ; Domoina ; Mbolatiana ; Oely Tiana ; Laingotiana ; Koloina ; Haja ; Miarisoa ; Lisy ; Henika ; Ulrich ; Nohajaina ; Fenovola ; Meva ; Mahandry ; …” , nihamaro ihany izy ireo ary vao mainka aza nihananantona hatrany . Gaga anefa aho fa toa nitambatra , ary nanjary endrika sy vantana tokana izy ireo ; ka ilay notadiaviko heritaona lasa izay no namihana ahy sy nanarina ahy , efa lavon’ny balan’ireo milisy tsy nitsitsy nandatsaka ny rako .

Niarina moramora aho , dia nakipiko indray ny masoko ary tsy tsaroako intsony ny zavatra niseho teo aloha sy ny tato afaran’izay nahatsiarovako saina indray .

Vita soa aman-tsara ny fifamofoanay sy ilay olon-tiako ary nifanaiky fa hivady mandra-maty izahay . Tantara tsy hay adinoina izany satria nanamarika ny fiainako izay nenjehina noho ny tsy rariny sy ny fitiavana tsy tena izy akory . Angamba tretrika sy sambatra aho , hoy ianao ; marina izany .

21

Ary tsy azonao lavina ny fahamarinany . Fa ilay Antsa tsy nantsaina kosa toa manamaloka ny fiainako sy dindo tsy hay faritana .

Nihiratra moramora ny masoko , ireto no zavatra hitako voalohany . Ny malalako sy ny mpitsabo nanodidina ahy ary ny tanako misy ilay atao hoe : “ Serum ” , natao hitazomana aina . Reraka loatra mantsy aho ary tao anaty tsy fahatsiarovan-tena naharitra dimy andro . Vao nisokatra ny vavako dia tsy nitady afa tsy ny zanako aho , saingy tsy ho hitako raha tsy efa nody aho . Malemy ny olona rehefa sendra ady , na io adim-piainana na io adim-panahy na ihany koa adim-pitiavana . Feno ady ny manodidina ny olona anankiray ary raha tsy manana fiarovana izy dia ho rendrika . Ary ao anatin’izany dia hiteraka horohoro sy rehaka tsy hay faritana hamely azy . Tsy mifidy io na iza na iza ary mety handrava tanteraka sy hamono . Tahaka izany no nahazo azy . Nandaboky ny tantara tsy hay navalona . Tsy nahay nifehy ny fahatsiarovana nandratra ka nandavo .

22

Olombelona ianao , misehatra amin’ny fiainana Kristiana sy izao tontolo izao . Tsy hitsitsy anao ny olona , raha vao miana-kendry eo ianao . Potehina sy halavony mihitsy ary vovoka no hiafarana raha tsy manaraka ny sitrapony . Tadiavo ilay Antsa tsy natsainainao , tadiavo izy ; karohy ataovy izay hivetsoinao sy hikarohanao ny dindon’ny tantaranao . Raha lehilahy ianao no hanakoriana ny masonao amin’ny peniko dia vehivavy izy ; fa raha Vehivavy kosa mazava ho azy fa lehilahy izy izany . Antsa ! Mety ho fantatrao ve ny tsiambaran-tsoratra tantaraiko ? Iza izy ary fanahy ve sa Angolan-tsoratra natao hanaingona ny tantara fotsiny ihany . Ny hany ambarako fotsiny ; dia misy izy , ary tsy ho zakanao ny hiaina izany ; satria tsy ho hitanao intsony izy , saingy hanaloka anao foana ihany koa . Raha hisy ary dia Antsa vaovao indray no hameno ny fitiavanao .

TAPITRA

23

1072 1

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0386