ZAZAVAVINDRANO (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 391
Mpanoratra Ny Andri-Fara
Rehefa narary nandritra ny fotoana ela ny lehilahy iray dia nanjary Nofy ny fisehon'ny tantara
Pejy 1
ILAY ZAZAVAVINDRANO

                  Indray andro hono , fahagola ela tany ho any  dia nisy zazavavindrano anankiray , tafavoaka tao anaty rano nisy azy ka tafatsoropaka tety amoron-drano . Nisy lahilahy anankiray izay nahita azy ka nitondra azy nody tany an-tranony . Niangavy azy mafy hono ilay zazavavindrano ny mba tsy hitondrana azy any aminy satria rano ihany no fivelomany ary zavavin'ny rano izy fa tsy olombelona . Tsy nanaiky izany hono ilay lehilahy nahita azy fa ny hitondra azy foana no masaka tao an-tsainy . Be di-doha zany ralehilahy ; inona hoy ianareo no nataony , lasa izy naka barika lehibe anankiray dia nofenoiny rano dia nataony tao ilay zazavavindrano ary nentiny tamin'ny sarety kely izay fitondrany miasa . Inona no zava-nitranga hoy inareo rankizy?! Maloka nivalo-mainty tampoka teo ny andro , nandrivotra nifofofofo tsy nisy toa azy ny rivotra ; nitselatselatra tsy nisy nifandrenesana ny tselatra sy ny varatra ary niantefa tamin'ilay sarety ka nahatonga azy nirehitra , ilay barika feno rano nisy ilay zazavavindrano kosa dia nipitika ka nikodiadia niverina tany anaty rano indray sahabo ho indray mahamasa-bary tsy nialany teo amin'ilay nahitany Besetra azy , fa izany  hono no anaran'ilay lehilahy nahita ilay zazavavindrano .Na dia efa mby an-koditra aza ny loza tsy namela ity hazany handeha izany Rakoto fa azony teo amin'ny vombony ary tsy namelany . Ilay zazavavindrano kosa tetsy an-daniny tsy nanaiky ho azo mora foana ka vetivety monja dia efa tery am-povoan-drano izy roa no nifampitolona , ka mbetika miletika ; indraindray kosa anefa mipoitra ihany , ary farany tsy hita intsony .
              Roa taona lasa izay no nandalovako tao amin’io tanàna io …Efa nandroso be ary mikaretsaka sy mifanaretsaka aoka izany ny mponina . Te-hisakafo aho , ka nandroso tamin’ilay toeram-pisakafoanana teo amoron-dàlana , tsy hita hoe ahoana fa nidirako ihany satria efa refona loatra aho . Tovovavikely zarazara hoditra , tsy dia mainty nefa tsy fotsy , misy fandaingana kely roa eo amin’ny takolany …Hita miharihary kosa ny tandra kely eo ambany takolany havanana , izy no nandray anay telo mianadahy . Taitra tampoka aho aloha , ary sanganehana izy mianadahy niaraka tamiko vokatr’izany . Izaho kosa naminavina izay mba ho taonany …Ankeviny ho enina ambiny folo taona angamba izy ….1675 , tamin’izay… tadidiko tsara satria Andriambavety teny ny razambeko . Nangina aho ary tsy nahetsika vokatry ny fahagagana teo amiko . Nisakafo izahay ary samy tsy nisy nahaloam-peo …Nohanina mangina ny vary nilaofana laoka tsy nisy sira . Tsy nisy sira !? Notazoniko ho ahy samy irery ny tsiambarantelon’izany kanefa , tsy haiko ny hangina manoloana ny fitiavako . Feno valo ambiny folo taona izy , izaho kosa nananika ny faha dimy amby roapolo taona .


1
                   Nandrivotra tampoka ny andro , nikasa ho any amin’ilay farihy malaza ho masia-dolo ny tenako…Toa nisy nanankana ahy tsy handroso anefa noho ilay rivotra nifofofobe tampoka , ka iny saika hiverina iny no nipoitra tampoka ilay tovovavy nandray anay tery amin’ilay toeram-pisakafoanana . Nisy hovitra hafahafa teo amiko , nandraiky narary ny kiboko , nanjary nalemy tampoka teo ny tongotra aman-tànako . Feo malefako no reko…Manao ahoana Fano ; tsy nahaloam-peo aho . Fano a ! saika ho aiza anefa ianao …Ho any amin’ilay farihy Andrarenoka ? . Tsy mbola namaly aho ; fa ny lohako no nanaiky . Nanohy ny resany izy ….Rahoviana ianao no hiakatra any Iarivo . Namaly aho : Rahampintso . Tafatombina teo anilako izy no nandray ny tànako ary nanatrika ny tavako ; Famby no anarako hoy izy Famby Besetra . Besetra no raiko , ary tena mahery setra tokoa izy . Nangina indray aho : Besetra ! Ilay mpitolona zazavavindrano .
                Besetra ve ny rainao , naondriny fotsiny ny lohany ; Besetra tokoa . Vao hitako ianao , dia nisy feo niresaka tamiko fa mahalala ny tantaran’ity toerana ianao , ka noho izany dia tsy tafavoaka velona ato ianao raha tsy mampakatra vady ahy . Haka anao ho vady ? fa nahoana hoy aho somary niakatra ny feoko . Zany eee ! iny ianao saika ho any Andrarenoka iny , dia niova ny toetry ny andro ….Ny mpanjakan’ny rano iny , satria Zazavavindrano aho izao hitanao izao , ary miova miandalana ny toe-batako isaka ny tsinam-bolana . Iny fiovana tampoka hitanao iny no maneho ; fa haka ahy ny reniko .
               Tsinam-bolana !? Tsy efa manomboka androany ve izany . Nangina ny tontolo , sina ny voahary ….Na dia maitso mavana naondrikin’ny rivo-mangatsiaka tsindraindray aza ny voninkazo , dia rivo-mamanala no nafafiny tamin’ny tarehiko . Sary hafakely no hitako ao anaty erika manify…Tovovavy tsara tarehy saingy misary trondro ny tapany ambany . Manolotra ny tànany mba ho raisiko saingy mana-lavitra ahy . Niseho tamiko foana izany tao anatin’ny telo taona nahatongavako tany . Izy mianadahy namako moa…Vao tonga dia lasa satria vita ny nataony tany .
             Zazavavindrano , zava-miafin’Andrarenoka ! Besetra , ilay lehilahy voro nofo , be herisetra ary nahery setra tokoa , saingy herisetram-pitiavana no nahavoa azy . Andrarenoka ? Teo no nahalavo azy …Famby ! ilay Antsam-pitiavako…Ahoana no hanolorako fitiavana azy ? Toe-batana tsy hifanaraka mihintsy ary tontolo samihafa no misy anay ?
             Famby… ! Efatra amby folo taona izao no nahavitan’ny fanambadianay ….1689 , tonga ilay Nofy tsy an-tery ….Tonga ihany koa ilay nifamatotr’aina taminay ary nofaranan’ilay fifindran’i Aina vaovao .
              Ary ny ankehitriny !? Taon-jato maro no nifandimby , rehefa navalon’ny taona sy ny volana ary ny andro nifandimbidimby.


2
               Olona tsy latsaky ny roapolo no rendrika teo Andrarenoka , ary tsy nisy tafavoaka velona tao . Roa amby valopolo taona ankehitriny ….1771 . Fokontany kely anankiray ao anatin’ny distrikan’ny Manjakandriana no nisy anay . Amparanjazavavindrano no anarany . Tola tsy kelikely ilay Farihy ary lasa haolo tanteraka . Randezoka no mpitaiza ao ary io farihy io no fitaovana hanasitranany olona . Miditra ao anatin’ilay bararata matevina izay izy ; ary tsy hita ao anatin’ny hefarana na iray volana manijitra mihintsy . Lasa i Dada , rehefa narary nandritra ny dimy volana ; Neny kosa mba naharitra folo taona vao nodimandry .
Zazavaindrano …Zava-miafin’Andrarenoka ...Tsy hita fiafarana . Randezoka kosa..Iny ihany no nahitanay azy farany ary tsy niverina intsony .
              Ny vady aman-janako no nanodidina ahy , teo amin’ny fandriana izay nametrahana ahy . Ny zanako vavimatoa no teo amin’ny lohako izay nanafosafo ahy …..Nahiratro moramora ny masoko ….Nofy ! Nofy …tao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tsainako . Nofy…Nofy…Nofin’Andrarenoka .




Tapitra .

Ampandrianomby : 18 Septambra 2024 , Tamin’ny 12Ora sy Sasany
Ny Mpanoratra : Ny Andri-Fara
391 1

Hevitra mandeha

iheriarilala 19/09/2024 19:16
Tsy nampoiziko ilay farany. Misaotra fa tsara kely !
SANAKERIB 04/10/2024 06:52
Mankasitraka tompoko ; mankasitraka Iheriarilala

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0838