Sedra-pitiavako (NY HERIMAR)

Mpanoratra NY HERIMAR
Nampiditra Herimar
Nitsidika 108
Mpanoratra NY HERIMAR
Tantara napetraka tao amin'ny vetso.serasera.org
Pejy 1
Niantomboka ny fotoam-pianarana. Sedra no anarako. Zanaka fahatelon'ireo ray aman-dreniko aho. Anisan'ny tovolahy tia fianarana aho ary ny fahatanorako dia nirona tamin'izany avokoa. Roapolo taona manana ambiny iray aho ary tsy maintsy nandao ireo masoandro nipoirana satria hanohy fianarana any amin'ny faritra hafa. Tena tanora tokoa aho saingy tsy mbola niaina izay niainan'ireo ankamaroan'ny tanora amin'izao fotoana. Tokan-tena aho ary tsy mbola nanana olontiana izany. Maromaro izahay no andiany hiara-hanohy fianarana tany Tsiroanomandidy, lahy sy vavy ary samy avy amin'ny faritra maro samihafa teto Gasikara.

Ny volana Aogositra izahay no nigadona tany amin'ilay tontolo vaovao hiainanay sy hianaranay. Tsy haiko anefa fa toa niova nanarak'izany ihany koa ny fiainako, indrindra ny fiainam-pitiavako. Tsy izany mantsy fa tsy ampy iray volana akory dia latsa-pitia tamin'ity zazavavy anakiray ny tenako. Felana no anarany. Zazavavy sariaka, tsotso-piainana no mazoto miasa. Izy dia azo lazaina fa anisan'ny takaiky ny foko tamin'ireo mpianatra andiany niaraka tamiko. Natahotra anefa aho sao sanatria ka sendra fitia tsy ho anjara ny anay ka naleoko tsy naboraka taminy izany. Ny nataoko aza moa dia nandainga taminy mihitsy fa ilay tovovavy namany no tiako ary nila hevitra taminy ihany koa aza aho mba hiarahako tamin'ilay namany. Tsapako anefa fa fitia noterena no nitiavako azy satria tsy tia hanimba ny fifandraisako an'ity zazavavy akaikin'ity foko ity izaho. Marina tokoa hay anefa ilay oha-pitenenana hoe tsy misy takona tsy afenina.

Tsy izany mantsy fa nanjavona ho azy teo ity fitiavako noterena. Nafindrako tany aminĂ  tovovavy hafa ilay fitiavako satria izany no hitako fa vahaolana tsy hanambarako ny ao am-poko tamin'i Felana. Kinanjo anefa tsy noraisin'ity zazavavy ity ilay fondrofondrom-poko. Angamba tsy navelan'Andriamanitra ho tanteraka izany satria fitia mifono fitaka, tsy tena fitiavana fa noforonin'ity saina. Teto ihany koa moa dia efa niezaka nandray an'i Felana toy ireo namako rehetra aho na dia sarotra aza izany.

Nitambatambatra ny andro sy ny volana ka lasan-ko taona. Herintaona latsaka izay ny nahatongavako taty Tsiroanomandidy. Fotoam-pialan-tsasatra tamin'izay. Nisy namanay samy avy any amin'ny faritr'i Manakara iny nitsidika anay. Sivy mianadahy teo ry zareo, nipetraka fotoana vitsivitsy tao aminay. Tamin'ity fotoana ity ihany koa no nampitsimbadika ny fiainam-pahatanorako tanteraka. Nirehitra tampoka indray ilay afom-pitiavako. Tsy voafehiko intsony ny afo ka hany nandoro ny akaniko rehetra. Fa nisy inona hoy ianareo ? Lasa saro-piaro tsy fidiny aho. Teto mantsy dia toa niantefa tany amin'i Ranja ilay mpanao vakansy ny tsikin'i Felana. Teny malefaka no henoko ifanaovan'izy roa ireo, dia ilay teny tsy ary nataon'i Felana tamiko nefa azon'ity tovolahy mpandalo ity. Nirehitra tany anatiko tany ny hatezerako kanefa zazavavy tsinontsinoko akory izy. Tsapako teto fa mafy izany mitia mangina izany.
108 1

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103