TANTARAN'NY SYNODAMPARITANY ANTANANARIVO ATSINANANA. (Ny ANDRI-FARA)

Mpanoratra Ny ANDRI-FARA
Nampiditra ILAIMAILAKA
Nitsidika 22
Mpanoratra Ny ANDRI-FARA
Manambara ny votoantin'ny tantara rehetra teto amin'ny S.P.AA.12
Pejy 1
HIANGAVIANA IANAO,IANAREO ; MBA TSY HADIKA NA NY AMPAHANY NA IZY MANONTOLO,HO FANAJANA NY ZON’NY MPIKAROKA.NA IZA NA IZA TOMPOKO.

TANTARAN’NY SYNODAM-PARITANY ANTANANARIVO ATSINANANA . 12

Iza moa ny mpanoratra ?
          Andeha hofintinintsika ny momba ny mpanoratra ka mahereta kely monja. Andrianarivo Fanomezantsoa Raphaël, no tena anarany ; saingy manana solon’anarana vitsivitsy izy hanafenany ny maha izy azy. Ny Andri-Fara ( 1998), Hery Miary (2000),Sana Kerib (1996),Raphaël Spartacus (2020),Limailaka (2025).
                 Nisehatra tamin’ny asa famoronana marolafy izy ; ary niaina tao anaty tontolo mifangaro.Niofana mahakasika ny fikirakirana ny tahirin-kevitry ny fiangonana,niofana mahakasika ny fampianarana ho an’ireo olon-dehibe tsy mahay mamaky teny sy manoratra,niofana mahakasika ny hai-tarika sy fitarihana ary ny tontolon’ny asa mandeha an-jambany.
               Ravelontsalama Andrianarivo Guy Richard sy Ravaoarisoa Marie Marine, izay efa samy nodimandry ny ray aman-dreniny. Zanaka voalohany amin’izy folo mianadahy. Raberanto Fidson Dina Tantely kosa no vady andefimandriny ary manana zanaka telo mianadahy ka roa ny vavy ary lahitokana ny iray.
            Tao Fianarantsoa izy no teraka ; saingy ao Ambositra no tanindrazany.
            Vita batisa tamin’ny alin’ny 24 Desambra 1968, tao amin’ny FJKM Andrainarivo.Natao Mariazy tao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny 31 Martsa 2007.
             Diakona ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana izy,Mpampianatra Sekoly Alahady ao an-toerana,Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady Antananarivo Atsinanana.Mpampianatra SAMM Pratika ao amin’ny Ivo-toerana CENHOSOA.

Limailaka. Androany 12 Novambra 2025

1.Ny Fahamaizinana
        Tsy hidirantsika lalina ny nahatongavan’ny mponina teto Madagasikara,tahaka izany ihany koa na nisy mponina teto na tsy nisy.Ny mponina teto dia niaina sy nivelona tamin’ny varotra andevo.Nifamezivezy teto an’ivon’ny riaka ireo karazana vahoaka nanerana an’izao tontolo izao.
Ny Finoana no tiana hasongadina amin’ity boky ity, mba ho tari-dalana satria raha tsy nisy izany, dia tsy ho nisy ny Diarin’ny Synodamparitany rehetra ary ao anatin’izany ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana.


Efa hatramin’ny fahagola no nisy ny fifanoherana(1), mahakasika an’Andriamanitra teto Madagasikara na io talohan’ny Fahagola ka hatramin’izao taona arivo fahatelo izao. Nifandimby niainana sy ninoana teto Madagasikara avokoa ireo karazam-pinoana rehetra izao, indrindra fa ny fivavahana amin’ny razana. Izany no nahatonga an’ireo vahiny naniry mba hivelona sy hitoetra ary hivarotra teto an’ivon’ny riaka(2), hitory ny Filazantsara. Aza adino fa Ingahy « Souchu de Rennefort »(2), no nanana faniriana manokana hanatanterahana ilay hoe : « Extirpation du paganisme et de l’Hérésie », na ny famongorana ny hevi-diso momba ny fivavahana amin’ny razana fa tena fanompoan-tsampy. Mamela ahy hitanisa kely fotsiny momba ireo sampy tena nalaza sy notompoina mafy teto Madagasikara :« Ikelimalaza, Behajaina, Imajaibola, Ravahiny, Ravololona, Imanjakatsiroa, Andrianarivo, Rafataka sy ny sisa tsy voatanisa ».
Nanaovana antsa manokana izy ireny, nanaterana fanatitra sy nametrahana hasina ambonin’ny hasina rehetra ary nomena voninahitra tokoa. Nomena lanja manokana teto amin’ny Firenena sy ny Fanjakana ary natahorana sy nampanjakaina ka ireo olona nitaiza azy ireny dia nomena haja sy voninahitra manokana avy amin’ny mpanjaka na ny tompomenakely sy ny vodivona , tsy nisy sahy nanohitra azy akory.
               Tsy hijery ny zava-nisy tany anindrana isika, saingy fantatra fa nanjaka tokoa ny fahamaizinana tany ivelan’Antananarivo sy ny manodidina, ary mbola iainana sy averina izany amin’izao tany efa mazava izao , izay vao tsy ela akory ho fanajana ny hasin’ny tendrombohitra sy ny fasan’andriana, ka iverenana hangataham-pitahiana indray. Eo ihany koa ny famerenan-kasina ireny fasana misy tranomanara na tranomasina ireny, izay hita fa nohavaozina tanteraka kanefa raha ny tenin’Andrianompoinimerina dia tsy azo havaozina na soloina raha sendra simba. Ao ihany koa ny fanandratan-tena ho andriana nipoitra avy atsy na eroa, efa nisy aza moa nisora-tena ho mpanjakan’i Madagasikara mihitsy, ambonin’ny zanak’andriana rehetra.
              Ny taon-jato faha 13 sy 14 (1300 - 1400) , no nifaninana nihazakazaka ho aty Madagasikara ny Misionera Katolika sy Protestanta, saingy ny Misionera Protestanta no tena hibahan-toerana ato amin’ny tantara . Ireo taona roa na ny teo anelanelan’ireo taona roa ireo, no fiandohan’ny fanjakana sasany teto Madagasikara, raha tsy hiteny afa-tsy ny teto Iarivo isika ; dia ny « Faha Gola ».Nahatratra 100 taona izany ary heverina fa na dia nahafantatra an’Andriamanitra azy ny Malagasy izay hita anaty Ohabolana ; dia azo lazaina fa mbola maizina ny fiainany. Tena maizina tanteraka tokoa.
Teo anelanelan’ny taona 1400- 1810 (Taon-jato faha 14 ka hatramin’ny faha 17) ; dia nahatratra 410 taona be izao.teo anelanelan’ireo taona ireo no nanjakan’Andrianampoinimerina sy Radama I.Efa maro ireo vazaha sy Misionera nandalo sy nanitsaka an’i Madagasikara ; mba tsy hilazako fa nanitsaka an’Iarivo .Tany Londra no niorina tamin’ny taona 1818 ny « Fikambanana Misionera avy any Londra » na ny LMS.Io Fikambanana io izay efa nisy tamin’ny taona 1795 , saingy niova anarana fotsiny tamin’io taona 1818 io.Ny Dokotera Bogue, no nanorina ny LMS,aza adino izany tantara izany(3),satria lova ho an’ny taranaka.Tadidio fa nanafaka an’ireo Kristiana tany atsinanan’ny Ranomasimbe Atlantika ( Amerika sy Angletera)ny fampianaran’io Mpitsabo sy mpampianatra ary mpanofana Misionera ho aty Madagasikara io ilay atao hoe : « Transatlantic Divinity ». Io ilay Teolojia nanala ny fatopatorana samihafa nageja azy ireo tamin’ny Teolojia, ny fiaraha-monina sy ny Politika,ka nisakatsakanana ny asa

Ny asa na Misionera tsy handroso tamin’izany(3).
Iza moa ireo olona ireo ?.Avy aiza ihany koa ?
Nanodidina an’i Angletera = « Ecosse sy Pays de Galles ».Nipoitra tamin’ireo sarangan’olona tsotra ary tsy mpomba ny fombam-pivavahana tany Angletera mihitsy.Tantsaha ary mpanao taozavatra ny ankamaroany,nahita fianarana na dia izany ary tena nanam-pahaizana tamin’ny resaka foto-pinoana sy foto-pampianarana mifandraika amin’i Kristy Jesoa.Tonga tao Afrika Atsimo, ny Dokotera Jean Théodore Vanderkemp ( Holadey)ny taona 1789 ; niasa ho an’ny LMS io mpitsabo io ary natao hanadihady manokana an’i Madagasikara. Nanambady Vehivavy Malagasy io Misionera Holadey io, indrisy anefa fa maty izy ny taona 1806.Saika ho aty Madagasikara kanjo nopaohon’ny fahahatesana tamin’ny taona 1811.
Nanohy izany Atoa Mine, izay niara niasa tamin’Atoa Sir Robert Farquhar, izay governora tao Maorisy.Vitan’io Governora io no nandefa an’Atoa Lebrun,ho Misionera LMS ho aty Madagasikara ; mba hitory Filazantsara eto an’ivon’ny riaka.Izany fiaraha-miasa izany ; dia natao tao anatin’ny fanjakan’ny Mpanjakan’i Madagasikara Radama I. Nisokatra ho an’ny Malagasy ny fahazavan-tsaina indrindra teo amin’ny lafin’ny fampandrosoana sy ny fifanankalozam-barotra.
2.Ny Fahazavana
Ny 18 Aogositra 1818,no niakatra an-tanety tao amorontsiraky Toamasina Atoa Thomas Bevan sy Atoa David Jones ; izay olona avy any « Pays de Gales ».

2

Nandray mpianatra zatovolahy folo, eo amin’ny 9 taona ka hatramin’ny 14 taona teo ho eo, ary anisan’izany Berora ; zanaky Fisatra, Mpanjakan’Ivondro.Tsy nisy trano fianarana , fa dia ladina tany, ary teo amin’ny fasika no nianarana nanoratra.ny iray tamin’izy roalahy izay atao hoe, David Jones moa ilay very anarana hoe : « Jonjilava taty aoriana ».Ny fomba fampianarana : « Monitorial System » izay Atoa « Lancaster » no namorona azy io.Tena nampahomby ny fampianarana teto Madagasikara izany.
Tsy nionona tany anindrana ihany anefa ny Misionera fa nahenika ny faritry Madagasikara manontolo mihintsy.
Andeha tsy handalovana fotsiny ny tantara, sao mampandringa azy izany. Tonga teto Antananarivo, David Jones, ny 3 Oktobra 1820 ; ary nitondra ny tetikasam-pampianarana ho an’ny Malagasy.Ny Mpanjaka Radama I, no nitaky ny LMS,hampihatra izany haingana.
Ny « Royal School »,izay naorina teo anelanelan’i Besakana sy ny Rova, ka nisy mpianatra telo tamin’izany izay havan’ny Mpanjaka avokoa ; ny 8 Desambra 1820. Io no Sekoly voalohany teto Imerina.Nantsoina hoe : « Bevato » indray David Jones na ilay Jonjilava tery aloha.Ilay mpianatra telo teo aloha , niakatra ho 12 taty aoriana, izay mbola havan’ireo tandapo sy zanak’andriana.Ny 30 May 1821, no tonga Atoa David Griffiths, Misionera « Gallois » kosa izy ; izay nanampy an’i David Jones.Tonga nanampy taty aoriana ; izay marihana fa tsy Misionera akora , fa nangonin’Ingahy Governora tao Maorisy fotsiny ity mpanao taozavatra ity : « Carvaille »,mainty hoditra izy ary mpivavaka navondron’Ingahy « Lebrun ». Nantsoina ireo fianakavian’iretsy Misionera roalahy ka tonga ary vetivety dia nisokatra ny Sekoly faharoa tao Ifidirana , ambany avaratry ny Rova.Niavaka ny Sekoly, satria ny an’Ingahy David Jones ;dia ny zanak’andriana sy ny havan’ny Mpanjaka no niandraketany ; fa ny an’Ingahy David Griffiths ; dia ny zanak’olona ambony tao an-tanàna no noraisiny ho andraikitra,ny an’Ingahy Jeffrey kosa,dia ny zanak’olona izay azo lazaina sady tsy andriana no tsy andevo no noraisiny. Ary ny 10 Martsa 1824, dia nakamban’ny Mpanjaka Radama I, ireo Sekoly Telo ireo.Izany dia natao tao Ambodimiangara,izay nisy an’i David Griffiths.
Ny 21 Jona 1835, no vita ny takila voalohan’ny Baiboly Malagasy .
Ny «Salisbury Spelling-bOOK» «Suday-Schools»=Boky Anglisy izay nampianarana ny Sekoly Alahady teto Madagasikara.
Ny 22 Jona 1835 : Vita Ny Baiboly dika teny voalohany teto
Antananarivo,Ny Testamenta Taloha.

3.Niverina indray ny Fahamaizinana
              Mialohan’ny hidirantsika amin’ity lohahevitra iray ity,indro omena antsika ireo Misionera niasa sy nipetraka teto madagasikara.
Iza avy izy ireo :
. «David Jones » : Ny taona 1797-1840
. «Thomas Bevan » : Ny taona 1818
. «Baker » :Ny taona 1828
. «James Cameron » Ny taona 1875…Atoa isany « J.Jeffrey,Rev W Roby,Brooks,Chick,Rowlands,Canham ».
Ny Zoma 12 Jona 1829, no niseho tamin’ny vahoaka 60.000 tany ho any ny Mpanjaka RANAVALONA I . Andro nampihorohoro ho an’ny ambanilanitra izany satria nivadika ny pejy. Fanevan-drafataka sy imanjakatsiroa , izay sampim-panjakana no teny an-tànany. Nody ny Misionera, ningoso tamin’Andrianampoinimerina ny Mpanjaka vaovao ny 15 Febroary 1835 , fa na hisy rà mandriaka aza haringany ny mpivavaka ; hoy izy tamin’ny 26 Febroary 1835 : “ Izay fahendrena sy fahalalana tokony hahasoa ity tany ity dia ekeko, fa raha ny fomban-drazako kosa no kasikasihana sarasara ny olon-ko hariva ny andro, fa laviko izany ” ;

3
« Tsy mila vazaha eto amin'ny taniko aho hafatr'izay manaraka ny lalàna velona eto Madagasikara ka manasoa ny tany sy ny fanjakàna,tsy mila jiolahy eto amin'ny tanindrazako aho.Izay vazaha tsy manaja ny Malagasy,eny na dia kely indrindra aza dia amidiko ho andevo ».Mbola nohamafisiny tamin’ity kabariny ity izany hoe : « Ity no tany nofinari-bavan'ANDRIANAMPOINIMERINA , Novorin'ILEHIDAMA ka navelany ho ahy, Tsy ekeko raha ny satany no hoe mba hohamavoina ka atao ambanin-olona ny razana nitahy. Indreo ny sampy nohamasinina :ny « roambinifolo » Nanan-kery hatry ny ela,ka tsy tiako ny manova , Ireo no naha -ari-fenitra ny Nosy manontolo,ka ireo no hohamasinina fa tsy mba izay Jehovah. Raha hivavaka amin'ny razana ,dia aleo ny an'ny tena .
Raha mitady alitara ,indreo ny tendrombohitsika , Fa ny razan'ny vazaha tsy mba azo ekena. Ho lalàn'ny tany izany ,ka tsy tiako ho voadika »(4).Io vanim-potoana io , ilay nataon’Ingahy Rabary,Mpitandrina; tao amin’ny boky : « Ny Maritiora Malagasy »,hoe : « Ny Ranonorana nilatsaka ». Tamin’ny taona 1835-1840 » ( Ny taon-jato faha 15 ) . Mety ho naharitra firy taon are eee. Maro ireo Malagasy no lasa Maritiora nandritra izany fitondran’ny Mpanjaka Ranavalona I, izany.Andeha mba hotanisaina sao mba ilaintsika ihany :
.Rafaravavy Mary, no saika lasa Maritiora voalohany saingy votsotra ka lasa tany Angletera.
.Rafaravavy Rasalama Maritiora voalohany :Nolefonona tao Ambohipotsy ny Alatsinainy 14 Aogositra 1837.
.Rafaralahy Andriamazoto no Maritiora faharoa : Novonoina tao Ambohipotsy ny volana martsa 1838.
*Ireo navarina teny Ampamarinana :
« Rainimiadana,Raniniasivola,Andrianasandratra,Ranahatrarana,
Ramaria,Ramainty,Rafalahizandrina,Rakotonome,Rabodomanga,
Rafaralahy Antanifotsy, Raivo Ravao vadiny,Rasikina,Rafaravavy,
Ramatoa Razafy »,Nisy avy any Vonizongo izy ireo ; dia hatreo amin’ny Rakotonome no manaraka.Manomboka eo amin-dRabodomanga kosa sy Raivo sy Raivo Rasikina ary Rafaravavy dia mpiray tampo.Rtoa Razafy kosa zana-drahavaviny.Rtoakely Ranivo irery no nifonan-dRaombana andriambaventy tamin’ny andriana ka afaka.Ireo navarina ireo rehefa maty , dia nodorana tao Faravohitra ihany koa.
*Ireo nodorana velona tao Faravohitra :
«Andriantsiamba,Ramitraho,Andriampaniry,Ramanandalana vadiny izay efa nitoe-jaza »,Andriantsimba irery no tsy avy any Vonizongo.
Eny lasa Maritiora ihany ilay zanaky Ramanandalana, rehefa teraka tao anaty afo, ary naverin’ireo mpamono tao anaty afon’anjavidy indray.
*Ireo notoraham-bato teny Ifiadanana :
« Andriamanantena ( Rasoalandy),Ramandimby,Rainitsontsoroka,
Rainivomanga rahalahiny,Ramananokoraisina,Rabako anabaviny,
Razafinirina(Rainivoalavo),Ratsitohaina,Rahaingo,ramahazo,
Ramanandafy,Razaka,Rabetsarasaotra,Rahandraty ».
Maro ireo Maritiora no novonoina sy nampisotroina tangena ka maro no maty sy natao gadra fohy sy lava tamin’ny vy mavesatra dia mavesatra tokoa,ireo natao andevo sy namidy ary natao sesin-tany.Ireo maty moa tsy nomen-kavana ka nohanin’ny alika dia avokoa.
Hoy ny mpikaroka :
{ « Ranavalona I, 30 taona niady tamin'ny mpanjanaka . Mpanjaka taty Afrika nahavita nanohitra ny mpanjanaka ela indrindra. Tamin'ny androny dia lavon'ny Eropeana avokoa ny mpanjaka Afrikana fa i Ranavalona teo foana, nanohitra nandritra ny 30 taona mahery.
Ny malagasy tamin'ny andron'i Ranavalona I ; dia nahavita niady sy nanosika an'i Frantsa sy Angletera niaraka.

4

Tsy hoe niady fotsiny fa :
-Nahaleo tena ara-tsakafo.
-Nampiroborobo ny asa tanana.
-Nampiroborobo ny indostria mpanao sy mpamokatra fitaovam-piadiana.
-Nampiroborobo ny sampam-pitsikilovana sy fiarovana ny sisin-tany.
Nataon'ny frantsay izay fomba rehetra hanonganana azy na mivantana na an-kolaka fa teo foana izy mandra-pahafatiny ».}
4.Ilay Masoandro niposaka
Maty ny 16 Aogositra 1861,ny Mpanjaka Ranavalona I.
izay faharetana tamin’ny fanenjehana sy fangirifirina nihatra tamin’ny Kristiana izany, dia naharitra 26 taona be izao ( 1835 - 1861). Rehefa nandray ny fanjakan’ny reniny Radama II, izay nandimby azy ka hatramin’ny nanjakan-dRanavalona III, dia niverina indray ilay fahazavana saika maty tanteraka teo ( 1861-1897)= 36 taona niaina ankahalalahana tamin’ny fivavahana tiany harahana ny vahoaka.
*Andeha ho jerentsika indray ireo Misionera niasa nandritra izany :
. «Griffiths »,tafaverina teto Madagasikara ny taona 1840
. « William Ellis »,Pastora LMS izy io,tonga tao Toamasina ny Jolay 1856,tonga teto Antannarivo kosa ny jona 1862.
. Nanaraka ireto Mpitandrina ireto : « Toy , W.Cousins,ny Dokotera Davidson ».
           Ny « Friends’ Foreigns Mission Association » na ny F.F.M.A, avy any Angletera. 48 taona i « Joseph Stickney Sewell » , raha teto Madagasikara; very anarana ho  “ Ingahibesola ”. Ry « Louis »  sy « sarah Street », Frenjy Amerikana  avy any Richmond, Indiana fa nifindra fonenana tany Angletera. Tonga teto Antananarivo tamin’ny 01 Jona 1867, nampianatra tao amin’ny Distrikan’Avaratr’Andohalo tamin’ny fampianarana ny zazavavy i « Sarah Street » , nanampy an-dramatoa  « Hartley », vadiny « Richard Griffiths Hartley » ary « Joseph Sewell » sy « Louis Street » kosa nampianatra ny zazalahy tao amin’ny « Ecole Centrale » Ambodin’Andohalo izay teo ambany fiandreketan-dry « Charles Thomas » , « Henry Stagg » , avy eo nodimbiasan’i « Baker ». Tsy nohadinoina anefa ny fampianarana an-trano tao Ambohitantely izay nataon’i « Joseph Sewell »  tamin’ny taona 1864. Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny L.M.S sy ny F.F.M.A dia vita ny trano ka notokanana tamin’ny  24 Jolay 1872. Samy efa nitondra io Fiangonana io ireto misionera Frenjy ireto ny taona 1868 ka hatramin’ny 1908:
« Joseph Sewell, Samuel Clemes, William Johnson , John C, Kingzett, Henry E. Clarc,  William Wilson ». Naorin’ireto misionera ireto teto izay nananany tany aminy ho fampandrosoana ny Malagasy na toeram-panomanana ho mpampianatra ho mpitsabo na ho mpiasan’Andriamanitra. Tsy mbola afa-po anefa i « Joseph Sewell » fa  nanorina ny sekoly teo Ambohijatovo atsimo, ilay tanàna natao fahiny hoe : “ Andranonamboa ”.
          Ny  Alatsinainy 07 Febroary 1870 , no notokanana ny trano, vita niaraka tamin’izany ny sekoly tao Faravohitra. Niandraikitra an’ireo sekoly ireo: « Sarah Street , Helen Gilpin, Miss Baker, Rachel Clarc » .Niara niasa hatrany ny L.M.S sy  ny  F.F.M.A.
               Dokotera « A. Davidson » , mpitsabo avy amin’ny L.M.S ; no  nanorina ny  toeram-pitsaboana  tao Andohalo  ny  Septambra 1862  ary voatery nikatona tamin’ny taona 1876. Ka ny fahatongavan’i Dokotera « Fox », mpitsabon’ny F.F.M.A no nanokafana azy indray.
.Ny M.P.F ( Mission Protestante Francaise ) ny fiandohan’ny Volana  Febroary 1896  , no  tonga teto Madagasikara ny Pastora « Henri Lauga »  sy « Fruger Frederc » , ary ny Alahady 23 Febroary 1896 , dia nisy fotoam-pivavahana lehibe tao anaty Rova.  Ny mpitandrina ; « Henri Lauga » , no nitoriteny sy nampita hafatra ho an’ny Fiangonana Protestanta malagasy avy amin’ny Fiangonana Protestanta Frantsay, manao hoe :

5

“ Mandehana, ilazao ny Protestanta Malagasy fa i Frantsa reninay dia tsy mba manadino ny zanany amin’izay finoana na fivavahana arahiny, fa efa nosoratany eo an-dohan’ny lalàny ilay lalàna lehibe ahazoan’ny olona rehetra mivavaka araka izay lazain’ny fietritreretany avy ho mety ”. Ny  15 Septambra 1896, no  tonga teto Atoa  « Benjamin Escande » , mpitandrina .Ny  25 Martsa 1897, dia niampy dimy indray ny misionera M.P.F, dia Atoa isany : « Edmond Meyer » , mpitandrina izay niandraikitra ny Fiangonana miteny Frantsay sy ny tao Anatirova, « Siméon Delord » , mpitandrina. Izay nitondra ny Distrikan’Imerina ivelan’ny Renivohitra, « Paul Minault » , mpitandrina izay nalefa hiasa tany Betsileo ary ny mpampianatra roalahy Atoa « Gustave Mondain »  sy  « Charles Ducommun »(5).

*Ireo fiangonana telo Misionera nanan-tantara teto Madagasikara :
Ny London Missionary Society : Talata 18 Aogositra 1818
Ny Mission Protestanta Français : 03 Febroary 1896
Ny Friends’ Foreigns Mission Association : 01 Jona 1867
*Ny fisarahanan’ireo Fiangonana naorin’ny Misionera
.FMTA = Niendaka tamin’ny Misionera ny Fiangonana Malagasy Tranozozoro sy Antranobiriky.Ny fiaviany dia tao amin’ny LMS Ambatonakanga ary ny mpitandrina Rajaonary no niala ka nanorina ny Fiangonana FMTA ny taona 1893.Fiangonana nentiny Malagasy voalohany teto Madagasikara.Izany dia vokatry ny fifanolanana tamin’ireto Misionera ireto taminy : «  Matthews,Briggs »
.METM= Ny Dr Rakotobe Andriamaro, kosa no nanorina azy
Maro ny zava-nitranga tamin’ny fielezan’ny Filazantsara teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana Protestanta, indrindra fa ny FJKM.

2.Ny fiandohan’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana
              Misy Faritra dimy ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana,ka ny Efatra amin’ireo no Synodamparitany nahaleon-tena teo aloha , fa ny iray kosa dia nitambatra tamin’ny Synodamparitany Anosibe afovoany teo aloha . Ireto avy izy ireo :
1.Avaratr’Andohalo
2.Isoavina
3.Faravohitra
4.Ambatomanga
5.Merinarivo ( Anosibe Afovoany) ; hojerentsika tsirairay izy ireo. Marihako etoana fa tena sarotra ny nahazahoana ny tantara ary tena nahavaky fo tokoa, satria nisy nalaina tany an-tranon’olona, nisy kosa no azo tao amin’ny Tranomboky FJKM na ny Arsivan’ny FJKM, tetsy Faravohitra. Akoatra an’ireo tsy nisy nahatahiry na iray aza.Na ny tao amin’ny Arsiva aza dia Diary tsy nahafeno taona nifandimby no hita tao ary tsy nanomboka tamin’ny fiandohana akory ka voatery nikaroka sy nanaovana fikarohana manokana mahitsy.Marihana kosa anefa fa ireo Sampana velona ao amin’ny Foibe dia efa nisandrahaka tamin’ireo Synodamparitany 5 ireo avokoa, na ny efa ela nijoroana na ny vao haingana.
          Mialohan’ny tena nijoroan’ireo Synodamparitany ireo anefa dia nisy ny niandohany(6).Inona ary ilay niandohany ? Tsy inona tsy akory fa ny rafitra natao hoe :  « ISK ». Ny « President Synodal ISK » no « President ISK », fanovana sy foto-dalana notapahan’ny Synoda lehibe faharoa izay natao tao Toamasina. Hita izany ao aminn’y andininy faha :59. Azonao jerena ihany koa ny andininy faha 134, izay manao hoe :  « Ny President Synodaly ; dia ampiandraiketina ny ISK na I.4.B, iray na maromaro.Ny M.F, Foibe FJKM no manendry.Omena fahefana ny Presiden’ISK ( I.4.B ) ; sy ny Andininy faha 137,manao hoe : « Azo fidiana ho President ISK ny President Synodaly »

Tsy azo hodian-tsy hita ny I.6.B Imerina, rafitra anankiray ihany koa io, ka tsy haiko hoe,talohan’ny Distrika ve izy sa taty afara vao nomena andraikitra sa niaraka tamin’I.4.B ihany koa. Hatreto aloha dia nanjavona ny tahirin-kevitra momba izany, raha nisy aza dia ny boky misionera sisa no mety ahitana. Ny Bokin’Ny Maritiora Malagasy izao , izay nosoratan’ny Mpitandrina,Rabary no miresaka momba ny I.6.B ; Ka ny Mpitandrina, Ravelojaona mihitsy no mpitari-drahara ary nanana anjara lehibe tamin’ny fankalazana ny faha 100 taona ny Maritiora Malagasy.
Omena antsika aloha ireo Nitondra ny ISK teto amin’ny Faritra Antananarivo :
.Afovoany Andrefana : Atoa Solohery Paul,Mpitandrina
.Afoavoany Avaratra : Atoa Andriamiadanarivo,Mpitandrina
.Atsimo : Atoa Randriamanalina Raymond,Mpitandrina
.Atsinanana :Atoa Andriamiadanarivo,Mpitandrina
.Avaratra : Atoa Rasolofoson S,Mpitandrina.(7).
              Azoko antoka kosa anefa ny I.4.B tamin’ny taona 1966 , dia nahatra 11 ny isany.Ny ISK kosa tamin’ny taona 1968, dia 17.
Alohan’ny hidirantsika amin’ny rafitra Synodaly dia aleo mba omena antsika ireo Birao nandrafitra ny ISK, satria ny Filohany ihany no nambara tetsy aloha.
Ho an’ny Afovoany Atsimo :
.Filoham-panampy : Atoa Ramarovahoaka
                                   Atoa Ravalohery.
Mpitan-tsoratra : Atoa Ratsimandresy Joseph
                             Atoa Razafindraibe Louis
P.V : Atoa Ramanamahefa.
Efa nitondra azy io : Atoa Randriamanalina,Mpitandrina
Ho an’ny Afovoany Andrefana :
.Filoham-panampy : Atoa Rakotoarivony Paul
                                  Atoa Raveloson Georges
Mpitan-tsoratra : Atoa Rakotobe Noël
                             Atoa Ramarojaona
P.V : Atoa Jules Foltz.
Hoa an’ny Atsinanana :
Filoham-panampy : Atoa Rajaonarivony J
Mpitan-tsoratra : Atoa Vahinimalala Petera
P.V : Atoa Ramanamahefa.
Ho an’ny Avaratra :
Filoha : Rasolofoson S
Filoham-panampy : Atoa Rabelison
                                  Atoa Ramasitera Théodore
Lasan’ny Filoham-panampy teto ny Toeran’ny Mpitandrina Andriamiadanarivo,satria lasa «President Synodal » tany Fianarantsoa izy.
Ho an’ny Afovoany Avaratra :
Filoham-panampy : Atoa Ravo Kefasy
Mpitan-tsoratra : Atoa Randriamidana Samüel
PV : Rakotoarivony Jean de Dieu.
         Raha izay ary,tsy fantatra hoe, iza no nandimby ny Synodam-paritany 4, teto Antananarivo Atsinanana sy Anosibe Afovoany ?
Ireo mpitarika ireo ihany koa, dia Mpitandrina avokoa ny ankamaroany ,raha ny fahafantarako azy ; ary tsy nahitana vehivavy mihintsy.
22

Hevitra mandeha

ILAIMAILAKA 4 andro lasa
Fangatahana tompoko. Aoka mba ho fikarohana ihany fa tsy azo adika amin'ny ampahany. Mankasitraka tompoko

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0086