"AHOANA INDRAY ILAY HOE AKAIKY NY FARANY" (Tolotra Misantatra)
Fikarohana tsotra
Pejy 1
Miarahaba antsika rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika indray aho amin'izao taona vaovao 2026 izao.Araky ny fantatsika dia maro ny resaka momba ity Lohahevitra iray ity izay miteraka resaka maro sy tabataba ary indrindra fifandirana.FA AHOANA MARINA?
isan'ny re matetika any anaty don-dresaka sy any anaty ady hevitra matika ny hoe "efa roa arivo taona mahery lasa izay no nilazana fa akaiky ny farany,kanefa ankehitriny mbola tsy farany ihany". Misy indray moa araky ny resatsika efa elaela iny dia milaza fa ny fahafatesana no fanehoana ny fiafarana.
Betsaka koa ny milaza hevitra hafa. Saingy tsy diso akory ireny na hoe tsy izy fa misy ny tsy ampy ary misy ny mihoatra.
Izao ny MARINA ara-baiboly:
Tamin'ny fotoana niresahan'ny Jesosy tamin'ny mpianany dia nampitandrina azy ireo izy mba hiambina*(Hivavaka sy hibebaka ka hitahiry ny finoany) ary nomeny toromarika maro. Izao no fanambarana ny fiafarana:
-Matio 24: 5 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.
6 Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa.
8 Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana.
9 Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.
10 Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.
11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.
12 Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro.
13 Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
14 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
DIA AHOANA IZANY NY ANKEHITRINY?
Eny,efa maro no tanteraka ny teny amin'io faminaniana io toy ny hoe "sandoka , Tafintohina , mifampiapanga , mifankahala , sy ny sisa efa voalaza "
Mahagaga e? raha tena dinihana tsara ireo rehetra voalaza ireo toa efa tanteraka avokoa. Misy andininy hafa koa mantsy milaza ireo karazana areti-mandringana sy loza izay tsy mbola nisy toy izany ary tsy hisy toy izany intsony mandrakizay.
DIA HIFARANA AMIN'IZAY IZANY
Hein,tandremo fa misy mpamitaka any a! efa voalaza tetsy ambony izany fa hisy mpaminany sandoka sy mpampianatra sandoka ho avy. KENEFA...tandremo sao sondriana.
IZAO SISA no mbola andrasantsika tsy mahatanteraka ny farany:
"14 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany."
Joela 3:1 [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho;
Asa 2:17 Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
18 Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy;
Tadidio fa raha tsy mbola henika ny fitoriana filazantsara ny tany rehetra dia tsy mbola hifarana velively ny tantaran'ny bolantanintsika, ary ny fitoriana ny filazantsara irery ihany no afahana mahazo ny fanahy masina.
SAMIA TAHIAN'i JESOSY KRISTY TOMPO DAHOLO isika rehetra tompoko.

Hametraka hevitra
Midira aloha