""INY ZANAKO INY"" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mpanoratra Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Nampiditra ZavonaRakoto
Nitsidika 8
Mpanoratra Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Nampiditra ZavonaRakoto
Nitsidika 8
Mpanoratra Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Namoy ny ankohonany tao anatin'ny fotoana fohy nifanesy ingahy Ralanto,maty ny zanany faravavy sy ny reniny ary maty nisy namono ny zanany lahy tokana ary ny zanany vavimatoa very tsy hita popoka.
Pejy 1
20 taona izay no lasa ,20 taona nisambarako teo anilan’ny vadiko sy ireo zanako telo mianadahy.Tsy foiko ireo ankohonako
ireo ; saingy ny lahatra no tsy namela anay dimy mianaka tsy hiray
fanamperana.Lozan-pifamoivoizana mampitohy an’Antananarivo sy
Toamasina iny mantsy no nahafaty ny vadiko sy ny zanako fara-vavy.7
taona nanambadiana aho tamin’izay.Tsapako ho nanakotsako ny foko
tokoa ny famoizana azy mianaka ; saingy natrakako hatrany ny lohako
mba ho fanomezam-boninahitra ilay vadiko efa maty, ary mba ho
fanambaràna amin’ireto zanako mianadahy sisa ihany koa fa tiako izy
ireo ary tsy foiko.
Rehefa nitambatra ho taona ihany anefa ny ora maromaro
nizakako ny fangirifiriana dia nisinda ho balika misonanika ny
masoandronay telo mianako. Tsikitsiky, sangisangy no namenoako ny
fon’ny zanako. Tsy navelako ho tsapany mihitsy hoe efa tsy eo
intsony i Neny sy ilay zandrikeliny tia tsy mahafoy.
"Dadan’i Miranto ", izay no fiantson’izy dahy ahy rehefa mba
mikorana iny izahay telo mianaka. Miranto mantsy no anaran’ilay
zanako fara-vavy efa lasana any amin’ny vary tsy mifody. Hatreto
aloha dia tsy mbola nikasa, na nieritreritra akory aza aho ny hanampy
isa ny ankohonako. Telo izahay no navelan’ny setrasetram-piainana ;
noho izany dia izahay telo ihany koa no mila miara-mamarana sy
mamita izany tolona izany.
Nifarana tamin’ny fanokafana mangazay anakiray ny asako,
raha toa ka mpitondra fiara mpitatitra kosa taloha. Azo lazaina noho
izany fa tsy nisy filatsahany ny fiainako, na dia teo aza ireny olana
tena goavana ireny. Teo indrindra anefa no nihato ny làlana. Olona
roa mirahalahy no nanatona ahy indray andro izay, olona tsy fantatro
izy ireo fa tonga hivarotra fiara tamiko no tena anton-diany. Toy izao
no ampahany tamin’ny resakay :
Salama Ralanto a ! ianao moa no tompon’ity mangazay lehibe
ity ? Hoy ilay tovolahay somary botoboto izay.
Izaho tokoa no izy ka ! Hoy aho namaly ampahotsorana
tanteraka. Fa inona kay no hitadiavanareo ahy ? Hoy indray aho
somary nanatsafa.
Resaka maharitra sy goavana ilay izy ry ingahy Ralanto a, ka tsy
tsara ve raha any an-trano isika no mireasaka ? Izany no nasesik’ilay
zalahy izay tsy fantatro akory.
Avia ary eto e, hoy aho namaly.
Teo andalatsara no niresaka izahay telo lahy ; natsidiny teo fa
misy fiara fitantera entana any ka ho amidiny amiko. Tsy dia lafo
loatra hoy izy ireo ilay izy fa olona mila vola maika no tompony.
Niezaka nanao izay hividianako azy izy mirahalahy kanefa tsy nety
aho satria mbola tsy ilaiko aloha. Somary tezitra izy roa lahy ary
nanao fara-teny nony avy eo.
Tsy ampahafirin’ny manam-bola koa anie ianao Ralanto e ! Fiara
iray ve no amifilafilanao anay eto ?
Tena azafady ry zalahy a, hoy aho niala tsiny indrindra. Varotra
tsy raikitra ve no atao handratsy fihavanana e ? Hoy aho niezaka
nampitony.
Nigadogadona izy roa lahy ary lasa nony avy eo. Izaho koa tsy
namoha ny tsena intsony fa avy hatrany dia nohidiko, na dia mbola
tamin’ny telo monja aza ny andro. Avy hatrany aho dia nikarakara ny
sakafo hariva, ary nipetraka naka saina nony avy eo.
Fa manao inona eto i dada ? Hoy ny zanako vavy nanontany ahy
raha nahita ahy nipetraka teo an-tokonana.
Tsy maninona aho fa mba maka aina fotsiny ry Kanto a ! hoy
aho niezaka nanafina ny adin-tsaiko. Mandehana aloha ianao misolo
akanjo dia ampidiro ny gisa fa adinoko.
Nodiako nanariana dia an-janako fotsiny anefa iny fa tsy tiako
ny mahita azy miasa saina eto raha mahita ahy miasa saina eto koa.
Hariva ny ; efa dila ora iray ihany koa ny nilentehan’ny masoandro fa
mbola tsy niditry ny trano foana i Miaro zanako lahy kely. Teto vao
vaka tanteraka ny saiko. Tsy hitako sady tsy haiko intsony izay atao ;
ny hany hery dia niantso an-dRafano mpamily namako aho mba
hanampy ahy hitady an’ i Miaro.
Fa maninona raha avy dia mampandre ny mpitandro filaminana
e ! Izany no hevitra naroson’ity sakaizako.
Aleo aloha ry ise miala nenina a, sao mantsy ka taraiky any
fotsiny izy fa tsy araky ny eritreritsika. Hoy hatrany aho niezaka
nampitony ny saiko. Raha sanatria ka sahirana isika dia izay vao
miantso.
Na dia niezaka nanatotona ny hery sy ny fahaizako rehetra aza
aho mb hahitana mora ilay sombinaiko dia tsy nisy vokany ny dianay.
Rehefa tena afa-nenina izaho sy Fano ary i Kanto zanako, teo amin’ny
fikarohana an’i Miaro dia ny polisy sisa no nanakinanay ny
fanantenana. Nitanpody tato an-tsaiko androtriny ihany koa ialy ora
namoizako an’ireo ankohonako roa efa voagejan’ny fasana any ho
any ; ka voamainka navesatra ny fahoriako. Kanto zanako sisa no mba
hany fihononako.
Kanto a ! mahantra i dada ; mahantra fa tsy manana afa-tsy
ianao sisa. Ianao irery ihany no mba navela ho tazoniko.
Dia tsy ho hita intsony ve i Miaro ry dada ? Hoy ilay zanako
manganohano mijery ahy.
Mbola hohitantsika izy ka ! efa mitady azy avokoa anie ny
zandary sy ny polisy e ?
Tsy nasehoko tamin’ity zanako ity mihitsy teto fa maro ny
zavatra hisapantsapanan’ny saiko ; nohezahiko naseho azy hatrany fa
matanjaka aho ary mahay mampitony ny feon’ny fieritreretako.
Nirafitra ho andro ihany ny ora, ary tsy mba andro iray fa telo
mihitsy aza. Kanefa tsy nisy na dia sombim-baovao iray akory mba
hitan’ny mpitandro filaminana ; mahakasika ity fanjavonana tampoka
ity. Tsy niahiahy olona afa-tsy izy mirahalahy mpiantoka fiara izay
niresaka tamiko mihitsy aloha aho teto. Satria taorian’ny
fifampiresahanay indrindra no nitranga ireny zava-doza ireny ; ka ny
fitadiavana azy ireo no hitako fa mety hampitony sy hampilamina
izao raharaha izao.
Noho ny fivezivezena betsaka hiantsoan’ny manam-pahefana
ahy matetika loatra anefa tato ho ato ,dia tsy sahy nametraka an’i
Kanto zanako vavy ho irery ao an-trano mihitsy aho taorian’ity tranga
ity fa napetrako tany amin-dry Fano telo mianaka izy ;ary ny hariva
aho no mampaka azy indray.Tsy haiko raha ny fiainako mihitsy no tsy
foin’ny fahoriana,na hoe izaho mihitsy no sakaizan-doza ; fa roa
herinandro taorian’ny tsy nahitana an’i Miaro zanako lahy tokana dia
niara-tsy hita tamin’i Fano mianaka koa i Kanto zanako vavy hany
mba sisa ho ahy.
Ny fitotonan’izany vaovao ratsy tena mangidy tamiko izany teo
ampototsofiko anefa no ela dia tonga ilay voaly maintin’ny
faharavana ; mba handrakotra ny salovam-pitadidian’ny saiko. Tsy
nahafantatra akory izay tohin’ny tantara intsony aho taorian’izay ; fa
nomena tontolo vaovao hiangonan’ny olona very saina toa ahy. Izany
zavatra rehetra izany aza dia tsy fantatro raha tena nisy ; fa ilay
mpitsabo nisora-tena ho nahita ny fahavoazako androtrizay no
nanazava ny ampahany tamiko ; izay tsy fantatro akory raha tena
marina tokoa.
Araka ny fitsaboana sy ny fanampaha-kevitry ny mpitsabo
mantsy dia anio no hijanonako farany ato amin’ny toby ; olon’afaka
aho aorian’izao ary ho antsoina hoe RALANTO indray. Nony ampitso ;
nanatitra ahy teo ambavahady ilay dokotera mpitsabo ary nanolotra
atontan- taratasy betsabetsaka.
Ireto no taratasy mombamomba anao fony ianao vao
nampidirina tato. Tazony tsara ireny fa tena ilainao any amin’izay
toerana alehanao any ! hoy ilay dokotera nanafatrafatra ahy fatratra
no sady nitehatehaka ny soroko.
Notolony ahy ireo fitafiako dia nomeny karatra kely aho ; avy eo
dia lasa izy. Any amin’ny kaomisaria no tondrozotra nolazain’ny
mpitsabo fa ho alehako mialoha. Tsy nisalasala aho fa avy hatrany
koa dia nizotra. Teny andalana aho vao lasa saina, teo aho vao
nieritreritra hoe nakaiza avokoa izany i MIARO sy i KANTO ilay zanako
izay voalaza fa very avokoa. Mbola velona ve sa efa maty !? io
fanontanina io no toa nintamberina imbetsaka tao an-tsaiko ka
nampitorovoka ahy tampoka teo ambaravaran’ny birao’ny polisy ;
izay nasaina nalehako.
Tsy salama angaha ianao ramose ? hoy ilay mpiambina ny
varavarana no sady nibata ahy haingana fa taitra loatra izy.
Tsara ihany aho fa … ! dia natolotro azy avokoa ilay atontantaratasy tety amiko rehetra.
Nojereny tsara iretsy izy, noteteziny novakiana avokoa ; ary
nony farany dia nahifikifiny ny lohany.
Ramose RALANTO ve no fiantso anao ? hoy izy nanomboka
nanontany ahy.
Eny tompoko, izaho izay ! hoy aho nanao jery hatrika.
Adala vaovao vao avy sitrana ianao, fantatrao ve izany ?
Adala hoe e ? hoy aho gaga ; angaha tsy hoe marary saina no
soratra ao tompoko ? hoy koa aho mba nanontany
.
Tsara fahatongavana ianao ramose a ! hoy izy nanolotra
taratasy kely ho fanampin’iretsy efa ahy nogiazany.
Ataoko inona ito tompoko ? hoy aho mba nila fanazavana.
Tsy azonao ariana mihitsy iny ; iny taratasy iny mantsy no
marika hoe eken’ny mpitandro filaminana ny fiverenanao indray any
amin’ny fiarahamonina.
Tena lasa tsapako ho nitombo teto ny fahafantarako fa betsaka
ny zavatra tsy azoko ariana. Nibahana tanaty saiko avy hatrany koa fa
tsy azoko adinoina ny tantarako ; noho izany dia tsy maintsy ekeko
aloha fa marina avokoa izay tantara rehetra voalazan’i dokotera
SALOHY tamiko rehetra. Satria tsy misy tantarako mba fantatro afatsy izay notantarainy tamiko ihany.
Naterin’ny mpitandro filaminana vitsivitsy niaraka tamina
dokotera aho rehefa vita ny dingana rehetra ny amin’ny famoahana
ahy. Nataon’izy ireo fanahy niniana mihitsy ny tsy nikasika, na dia ny
lovia iray tao an-tranoko akory aza ; hatramin’ny fotoana
nahavoazako ka hatramin’izao. Sao, hono, mantsy ka ny fahitako
an’ireo no hampiverina izay mety ho fitadidiako sisa. Nijaridina izy
ireo nijery ahy, toa niandry hetsika avy aty amiko no fahitako azy
rehetra. Tsy nisalasala aho fa avy hatrany dia nipetraka ary nankiniko
tamin’ny rindrina ny lohako.
Ramose RALANTO ! ampy avokoa ve ireo zavatra ato antranonao ireo sa misy zavatra banga ? hoy ilay manamboninahitra
iray nanontany ahy.
Raha ny entana aloha dia toa ohatran’ny hoe tsy nisy nanalana ;
fa nisy olona nipetraka tato taloha kanefa tsy ato izy ireo ! hoy aho
niezaka namerina izay hany kely mba tadidiko.
Ianao sy ny ankohonanao nno tato Ramose RALANTO a ! ao
tsara ve aloha ianao ? hoy ihany ity kaomandà, niezaka
namerimberina zavatra tao an-tsaiko ; izay tsy fantatra hoe inona
akory anefa.
Nandritry ny fanontaniana nataon’izy ireo tamiko dia toa
tsapako fa te hamboraka zavatra tamiko ilay kaomandà ; saingy
navilivilin’i dokotera SALOHY tsy ho tonga eto an-tsofiko mihitsy ny
tena zava-misy marina. Ora iray taorian’izany dia nitodi-doha
hamonjy ny asany avokoa izy rehetra. Dia nanomboka nalaiko
namana indray teto ny fahanginana. Mihinana, dia matory ; izany
hatrany no fanaoko rahefa avy mijery sary sy mamerina ny fitadidiako
aho. Tao anatin’ny herinandro anakiray dia ny mamadibadika sary no
fanaoko.
Maromaro ihany ny sarin’olona hitako ao. Misy madama
anakiray miara-maka sary amina zaza telo ; ny iray amin’ireo zaza ireo
dia mbola trotroina ary ny roa kosa m_ijaridina eo anoloana. Ny tena
mahagaga ahy aloha dia toy ny hoe sary efa voasilaka avokoa no sary
hitako ato, nisy sarin’olona nitambatra tamin’ireo sary izay nojereko
mantsy ; saingy nodidiana sy nohaisorina hiala. Fanampin’izany ihany
koa dia sarin’olona roa sisa no miverina imbetsaka mameno ity
firaketna ity ; fa ilay madama sy ilay zaza notrotroiny dia tsy manana
sary afa-tsy telo eo ihany angamba.
Maizina amiko ny tantarako ; betsaka ny zavatra tsy fantatro aru
baraingo maro no mbola tiako ho valiana. Tanatin’ny fotoana tsy dia
nifanelana loatra anefa, dia tonga mamangy ahy foana ilay dokotera
mpahay ny tantarako ; sainggy tsy tonga hanohy ny tantara fa tonga
mba hitsabo sy hanindrona daozy farany hamaranna ny fitsaboana
ahy.
Manana fanontaniana kely vitsivitsy aho dokotera raha mba
afaka mamaly azy ianao izao ! hoy aho niandry izay havilin’ity
mpitsabo.
Afaka mamaly anao tsara aho raha tsy manelingelina ny asako
fa anontanio e ! Hoy i dokotera Salohy namaly tamin-tsiky ahy.
Fa mba izay loatra kay dokotera ireto olona anaty sary ireto ?
hoy aho tsy nihambahamba nanontany azy.
Tsy fantatrao mihitsy ve ireo olona ireo ! hoy izy somary
zendana raha nandre ahy.
Ny endrik’izy ireo aloha dia toy ny hoe efa hitako mihitsy e,
sainggy tsy tsikaritro fotsiny hoe taiza na taiza. Fa fantatrao anagaha
izy ireo ? hoy kosa aho efa tena liana.
Tena fantatro mihitsy ! ary fantatrao koa aza. Ny vady amanjanakao ireo Ralanto a !
Tsapako toa nisy nitamberina kely teto ny fitadidiako. Tena
tsaroako tokoa mantsy fa talohan’ny andehan’izy mianaka hoany
Moramanga, no nakana ny ankamaroan’ireto sary ireto. Teto vao
nitamberina tao an-tsaiko fa i Andjalie vadiko io madama mitrotro
zaza amin’ny io, ary iny trotroiny iny kosa i Miranto zanako fara-vavy.
Miaro sy i Kanto kosa iretsy zaza mijoro eo anoloany ; ary sariko ilay
sarin’olona nodidiana hisaraka amin’ny sarin’izy ireo.
Ny zavatra mbola tsy takatro fotsiny anefa dia ilay sariko
nohaisorina hiala tamin’ny sarin’ny vady aman-janako. Teo indrindra
no nanomboka nanohy ny fitantarana indray i dokotera Salohy ;
kanefa nony kelikely dia nisalasala tampoka izy.
Fa maninona no mangina tsy mitantara intsony ianao dokotera
a ? hoy aho nibanjina ny tavany.
Dadan’i Miranto a ! tsy mbola anio ny fotoana hilazako ny
momba anao rehetra. Tsy mbola tokony hilanja zavatra maro loatra
mantsy ny sainao
Dokotera a ! isan’ny manampy ahy hanana herin-tsaina
matanjaka kokoa ny fampahafantaranao ahy ny amiko ; tadidio fa ny
tsy fanohizanao ilay tantara teo dia manosika ny saiko hamorona
tantara hafa mety ho tohiny. Ary mainka ho mafimafy kokoa ny asa
saina hanjoa ahy.
Eny e ! tena tsy diso izany voalazanao izany saingiiy …
Mahery fo laotra ianao dokotera a ! saingy mahery fo hampijaly
ny marariny. Andrasanao ho rahovina ary no hitsaharako amin’ito
hirifirin-tsaina mahazo ahy ito ?
Sarotra noresena lahatra i dokotera Salohy ; efa saika tsy
hamboraka mihitsy izy raha tsy tena notereko fatratra. Tantara tsy
dia tsara loatra anefa no namaliany ny baraingo napetrako. Nanjary
ho antsy nandratra ahy avokoa ny litera rehetra nambarany. Tsy
nahay nihonona intsony foko saingy nanaiky ny saiko satria tena izany
mihitsy ny tantarako. Maty nisy namono ny zanako lahy, dia i Miaro
izany. Mbola eo an-dala-pikarohana kosa ny momba an’i Kanto sy ny
fanjavonany niaraka an’i Fano telo mianaka.
Navesatra loatra ny fianjadin’izany rehetra izany tao anaty saiko
ka nanimba indray ity hany fahasalamàko kely mba nokoloina. Asa
raha mbola hisy fanantenana iahany ny momba ity raharaha farany
ity ; fa tahaka ny hahita mangirana ihany aho eo ampandinihana ny
taratasy mahakasika ny fanjavonan’i Kanto. Dokotera Salohy ihany no
antenaiko fa afaka hanampy ahy hahitako ny marina rehetra.
Tonga tao amin’ny kaomisaria miandraikitra ny raharaha
RALANTO aho mba hanontany vaovao ; saingy nolazain’izy ireo fa
raharaha efa nikatona an-taonany maro io fongariko io. Tsy nahazo
valiny aho noho izany fa nody maina.
Indray andro ; somary nahatsikaritra toe-javatra izay aho raha
nisakafo tao amina hotely lehibe iray. Tovovavy sahabo ho 25 na 27
taona teo ho eo no tsinjoko ho nanahalala ahy. Andro voalohany
nifankahitana anefa ka samy mbola sadaikatra, na izaho na izy.
Naomboka teo dia nataoko fanao ny misakafo ao amin’ity hotely iray
ity, ary nanomboka nifanerasera izaho sy ilay zazavavy.
Vao haingana izany ianao no tonga teo ? hoy razazavavy
nanontany ahy.
Tena vao tsy ela mihitsy ka ! hoy kosa aho mba mody nanatsafa.
Tsy izany mantsy fa toy ny hoe olona efa hitako mihitsy ianao,
raha vao hitako teto tamin’ilay indray mandeha iny. Hoy izy somary
nahatsiahy zavatra.
Na izaho koa aza toy ny hoe mitady hahafantatra anao izany.
Hoy aho mba nody nananihany azy.
Dia raikitra teo ny resaka, somary nitovy angamba ny tadindokanga fa tena natsiro ny tafa. Kanefa na izany aza dia tsy ampy
nifankafantaranay loatra iny ora iny ; satria mbola amperin’asa
razazavavy. Ny tantarany rahateo koa nisy fahatsiarovana mavesatra
tsy hay adinoina. Nofaranana ilay fihaonana ary samy namonjy ny
lamin’asany avokoa izahay ; nankinina ho amin’ny fotoana manaraka
indray ny sisa. Mahaliana ahy ilay zazavavy kely fa mitady ahitako
mangirana momba ny fanjavonan’i Kanto zanako vavy.
Nanomboka teo dia tsy najanoko mihitsy fa nataoko fanao ny
misakafo tao amin’ilay hotely. Efa zatra ahy ihany koa ilay tovovavy
ka tsy dia sarotra tamiko loatra ny fidirana matetika tao.
Nony ampitso ; nizotra hihazo ny kaomisaria aho mba hijery sy
hikaroka ireo taratasy momba ny fajavonan-janako, sy izay ampahany
kely azo hanohizana ny fikarohana. Tsy araky ny noheritreretiko
anefa no zavatra nitranga tao. Tsy nety nanome ireo taratasy
nangatahako ny polisy.
Zavatra efa tsy azo sokafana intsony Ramose io raharaha
hetsehanao io a ! hoy ilay sefo anakiray mantsy ahy.
Ka zanako anie io sefo e ! fitoriana natao tamin’ny anarako
ihany koa ireo rehetra ireo ; ka tsy zoko ve raha mba mila fanampiana
aho ? hoy aho somary mba nandresy lahatra azy.
"dossier" efa 20 taona be izao io anao io ; noho izany dia efa
raharaha tsy mitohy intsony, ary tsy anananay anjara fikarohana
ihany koa. Hoy ity mpitandro filaminana no sady nikapoka latabatra
mafy.
Inona ary no azonareo hanampiana ahy e ! hoy aho mba
nitaraina.
Ramose a ! mandehana aloha ianao mivoaka ; raha misy porofo
mazava any aminao dia miverena ; fa tsy misy azonay hanampiana
anao raha tsy izay ihany.
Tsy afa-nanoatra aho teto satria tsy nanana porofo. Ny fitoriana
nataonay koa dia fitoriana miampanga olona tsy fantatra ; ka tsy
afaka sokafana. Vaka ny saiko, reraka aho. Dokotera sisa no
nandrasako hitondra fanazavana fanampiny amin’izao safotofoto
hafahafa izao. Roa andro taorian’ny nakanesako tany amin’ny
kaomisaria anefa no vao namangy ahy i dokotera Salohy. Somary
nahagaga kely ahy anefa ny nahafantarany ny diako rehetra tany
amin’ny polisy ; kanefa tsy mbola nilaza taminy akory aho.
Tena manafin-javatra amiko loatra ianao dokotera a ! hoy aho
somary tsy nahatoky azy intsony.
Ramose Ralanto a ! tsy mitsongo-dia anao mihitsy aho sanatria
ary tsy manafina n’inona n’inona aminao mihitsy koa.
Nampandrenesina fotsiny aho raha vantany vao nanao fihetsika
hafahafa tao amin’ny birao ianao.
Tsy misy azoko akory izay lazainao dokotera !? hoy aho somary
nila fanazavana bebe kokoa.
Tonga tamin’ny fatra ambony indrindra ny alahelonao raha vao
nandà tsy hanome "dossier" anao ny polisy ; ka nampihetsika indray
ny aretinao izany. Nanery fatratra hono ianao ary dia nomen’izy ireo
ihany ny taratasy ; kanefa nopotehinao sy norovitinao izany no sady
narahan-drediredy izay fanaonao tany amin’ny toby.
Tena marina ve izany dokotera ? hoy aho tena gaga loatra.
Ralanto a ! mbola tsy salama anie ho aho ianao e. izany no
mbola tsy hitantarako zavatra betsaka aminao aloha ; satria tsy
mbola zakanao ny mieritreritra an’izany. Tena mila fitoniana mantsy
ianao !
Ny fahanginana teto no toa hitako fa ampy hanakaikezako ny
fahendrena. Nangina aho satria resy eo anatrehan’ny tantara ; ampy
hampionona ahy ny teny hoe "FITONIANA"ambeti-tenin’i dokotera
Salohy. Asa re raha mba oviana no hifarana ity tantara
misamboaravora ity. Nivoaky ny trano matetika aho taorian’io zavaniseho io ; tsy tiako mantsy ny hokikisan’ny adin-tsaina irery ao
anatin’ity efa-joro efa drodroky ny avelo ity.
Toerana mangina sy milamina teto no nilaiko. Mila fitoniana
mihitsy mantsy na ny foko na ny saiko. Tsy hitako anefa izay haleha fa
moron-drano no nozahaviko ; ary teny aho no nipetrapetraka.
Nitoratoraka sy nikaikikaikitra tapak’ahitra teo no nandaniako
fotoana. Tsy haiko anefa na fifanandrifian-javatra na tena lahatra
tokoa ; fa zazavavy somary verivery fanantenana izay no tsinjoko
nanao vavaka farany hanaovam-beloma ny tany.
Eh ! fa inona ity ataonao ity ry tovovavy a !? hoy aho nisintona
azy no sady nihazona mafy ny sandriny.
Leo aho re a ! leo ny sotasota sy ny ankaso mianjera amiko aho.
Hoy izy sempotry ny tomany.
Zendana tanteraka aho raha nahita an-dratovovavy nony
nitraka nijery ahy izy. Hay ka ilay tovovavy tany amin’ny hotely ity
manoloana ahy eto ity. Izy kosa tsy mbola nahalala ahy ; tsy haiko
anefa raha mody tsy mahalala fa kotsan-dranomaso tokoa teto
razazavavy.
Fa nanino kay ianao anaka ? hoy aho toa nanjary onena raha
nijery azy.
Maty omaly tamin’ny 05 ora hariva ny reniko hany mba solon’ny
dadako. Hoy izy namoaka ny rakitry ny fony
Fa iza moa anaka izany reninao izany raha tsy maha diso ? hoy
aho mba liana te hahafantatra izato fangirifiriana mianjady amin’ny
fony.
Rotsy ny tena anarany fa dokotera Salohy no ahafantran’ny
maro azy aty ; affectée taty mantsy izy taorian’ny nahafatesan’ny
dadako. 22 taona lasa izay.
Ankona tsy nahita holazaina aho nony vao nandre fa ilay
dokotera mpitsabo ahy ity nindaosin’ny fahafatesana ity. Very teo ny
hevitro ; zava-poana ny fanantenako satria ilay dokotera mpahay ny
tantarako mihitsy no indro lavo tsy hirada intsony. Tsy misy azoko
atao afa-tsy ny mionona ihany ; ary manomboka eto dia tsy maintsy
andraikitro izaho samy irery ny fitrandrahana izay mety ho tohin’ny
tantarako sisa. Nanganohano ny ranomasoko ; ary taitra koa
razazavavy raha nahita izato fihetseham-poko nitraotra.
Fa angaha fantatrao koa i Neny ? hoy izy somary nitehana ny
soroko.
Ka iny reninao iny mihitsy anie no dokotera nitsabo ahy e !
mpitsabo ahy fony izaho tany an-toby izy. Hoy aho somary nitondra
fanazavana fohy taminy.
Ianao tokoa izany ilay antsoina hoe Ralanto ? hoy izy nanondro
ahy fatratra tamin’ny fanondrony.
Izaho tokoa no izy ; fa iza moa anaka no anaranao raha tsy
mahadiso ? hoy aho nitraka no sady nibanjina azy tsara.
KANTO tompoko no anarako ! hoy izy nibanjina ahy koa.
Tsy nahita fehezanteny holazaina intsony aho teto ; tsy haiko
raha zavatra mifanandrify fotsiny na tena tantara mitohy ny ahy sy ity
zazavavy ity. Nitamberina tao antsaiko avokoa izay rehetra nambran’i
dokotera Salohy ahy fony vao tafavoaka ny toby aho. Dia i Kanto
zanako tokoa ve ity manoloana ahy ity ? dia nakaiza i Fano, ilay
voalaza fa niara-nanjavona niaraka tamin’i Kanto ? nahoana ihany
koa no i dokotera Salohy no nitaiza ny zanako ? dia raha i Kanto tokoa
anefa ity anoloako ity ; nahoana no tsy mahatadidy ahy akory izy na
dia hoe ny fahazazany fotsiny ihany aza ? dia iza marina no tena
anaran’i dokotera : Salohy sa Rotsy ? ahoana ihany koa no nahalalany
izao tantara rehetra izao ?
Ireo fanontaniana maro ireo no nitamberina imbetsaka tao antsaiko ; tsy nisy nety nazava tamiko izay rehetra efa fantatro hatrizay.
Iza marina tokoa aho ? toy ny ahoana ny tena tantaram-piainako ?
tena anarako ve io hiantsoana ahy io sa manana anarana hafa mihitsy
koa aho ! izany samboaravoara rehetra izany no nirenireny tao antsaiko ; ary nitarika ny tsy fahatsiarovana hanarona indray ny
eritreritro. Dia adala vaovao tao amin’ny toby indray ny tenako
taorian’izay.
TAPITRA
Zavona Rakoto in KODIARAM-BY 2017
Hametraka hevitra
Midira aloha