Iza marina i Jesosy ?Kristy ? Mesia ? (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Mpanoratra Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Nampiditra ZavonaRakoto
Nitsidika 9
Mpanoratra Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Fanadihadiana fohy
Pejy 1
Araky ny tantara izay fantatry ny maro dia Izy (Jesosy) no Kristy na koa Mesia.

TANTARANY:
Raha hofintinina dia toy izao ny tantarany:

-Teraka teo amin'ny taona AOTRA (0) IZY. Mpandrafitra ny rainy ary Jiosy izy ireo. Nazareta no tanana nibeazany. Tao anaty fianakaviana tsotra Izy.
-Araky ny tantara ihany dia ilay virijina anankiray atao hoe Maria avy tamin'ny taranak'i Joda avy amin'ny firenena Israely no reniny. Nahagaga ny fomba nitsaihany tao ankibo satria tsy nisy firaisana ara-nofo kanefa bevoka azy ny reniny. Ny herin'ny avo indrindra na ny fanahy masina hoy ny anjely Gabriel (Anjely mpitondra hafatra) no nampitoetra izany zavatra izany. Nisy famantarana manoka momba izany teny amin'ny Lanitra nony tonga ny fotoana nahaterahany;izay tsikaritry ny Magy (Na mpanandro) avy any antsinanan'ny bolan-tany.

-Nanao asa mahagaga sy mahatalanjona maro izy nandritran'ny fahatanorany. Nahavariana ny anti-panahy maro sy ny lohan'ny fiangonana maro ny fampianarana sy ny fandaharan-teny nataony.

-Teo amin'ny faha telopolon-taonany izy no maty rehefa voaheloka ho faty ka nobohana tamin'ny hazo fijaliana. Fanao amin'ny olona mahavita heloka bevava izany fomba jiosy izany.

*ANJELY VE IZY
Misy andian'olona sy antokom-pivavahana maromaro milaza fa iray amin'ny Anjely izy. Fa MARINA VE IZANY? (TSY MBOLA MISY POROFO MANAMARINA IZANY HATRETO)
Fa raha ny Baiboly Kristiana no jerena dia tsy (Creature) na Zavatra noforonina velively Jesosy Kristy fa (Source) na Fototra nanamboarana ny zava-boaary.

vakio Jaona 1:3 (Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.)

*MPAMINANY KOA VE IZY
Araky ny finoana silamo dia MPAMINANY LEHIBE fotsiny ihany Izy,ary izay no nahatafiditra ny tantarany ho ao anatin'ny baiboly silamo na ny boky CORAN.
ito fanambarana ito dia mbola mahery vaika sy tsy lefy laza amin'ny Jiosy sy ny firenena maro eto ambonin'ny tany. Na i Jesosy aza rehefa niresaka tamin'ny mpianany dia nanambara fa Mpaminany no nahafantaran'ny olona azy.

Jereo Matio 16:13 (Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona*?

14 Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany.)

*ANDRIAMANITRA VE IZY?
-Araka ny finoana kristiana na ny Kristianisma dia misy ny atao hoe Trinite masina na ny fisian'ilay Andriamanitra telo izay iray.
MARINA VE IZANY?
Misy teny any amin'ny Genesisy1:26 hoe (Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika)

Teto dia nisy resaka teo amin'ny samy Andriamanitra.IZA IREO ANDRIAMANITRA IREO?
Ireo ilay RAY sy ZANAKA sy FANAHY MASINA.
andao voasana kely anie e:

Asa tokana no natao teto,dia ny hamoronana olom-belona. Ahoana no nataony?

Nanao ny asany ilay mpamorona (Andriamanitra RAY) ka nampiasainy ilay "source" na ilay famoronana (Jesosy) ary farany dia nasiany fofon'aina mahavelona na (fanahy) io no Fanahy masina.

Raha ny firindran'ny asa dia toa misy azo hazavaina kely ihany ny mahakasika ity fanambarana ity. Satria nahoana? i Jesosy dia nolazaina fa ilay teny sy faminaniana nolazain'ny mpaminany ka tonga nofo sy velona.

Misy teny anefa ito: Jaona1:1 (Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.)

*Raha hazavaina tsotsotra dia izao: tany amboalohany dia efa nisy ilay teny (Jesosy),kanefa io teo io (Jesosy) dia mbola tao amin'Andriamanitra aloha,izany hoe mitambatra sy miray hatrany ilay teny (Jesosy) sy Andriamanitra. Ary ny teny (Jesosy) dia Andriamanitra. izany hoe Andriamanitra ihany kay ilay teny (Jesosy).

Ito fanambarana farany ito no fototra namonoana an'i Jesosy Kristy.

vakio ny jaona 10:33 (Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.)

Teo no nanomboka ny disadisa,satria rehefa nangataka taminy mba hanehoana ny RAY aminy izy rehetra dia izao no navaliny.

"Izaho sy ny Ray dia iray ihany,...ka izay efa nahita ahy dia nahita ny RAY koa...""

Betsaka ve ny olona mino ankehitriny fa Jesosy no Kristy sady ilay Andriamanitry ny Marina?

Mbola mipetraka ho ady hevitra hatreto ny fanambarana toy ity.

                            Zavona Rakoto (Tolotra Misantatra)
9 1

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0478