TENA MISY MARINA VE NY FARA ANDRO? (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mpanoratra Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Nampiditra ZavonaRakoto
Nitsidika 7
Mpanoratra Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Nampiditra ZavonaRakoto
Nitsidika 7
Mpanoratra Zavona Rakoto (AQUARIUS)
fanadihadiana fohy
Pejy 1
Misafotofoto ny fiheveran'ny olona ny momban'ny hoe FARA ANDRO.FOMBA FIJERY ARA-PIARAHAMONINA.
Eny amin'ny fiarahamonina maro misy antsika eny dia malaza sy maresaka ny hoe NY FAHAFATESANA NO FARA ANDRO.
betsaka ny manohana izany hevitra izany.
Misy koa ireo milaza fa andro manokana mihitsy izy io,izay hitsaharan'ny zavatra rehetra sy ny olona rehetra amin'ny asany ary hisedra ny fitsarana ataon'Andriamanitra.
Maro ny isam-batan'olona no manana ny filazany ary samy tsy mitovy. Na ny fiangonana maro koa aza dia samy manana ny fireha-keviny momba izany,izay mizarazara tokoa.
TOY NY AHOANA NO FAHAFANTARAN'NY FIANGONANA MARO AN'IZANY?
*Raha ny fiangonana katolika dia toa manahy sy misalasala ny amin'izy ity ka mihonona amin'ny hoe ny fahafatesana ihany no hahafantarana mazava ny fara andro.
*Ny loterana ihany koa dia mino fa misy izy ity saingy toa tsy manazava marina ny tena fitrangany sy fisehoany. Mampanantena kosa anefa izy ireo fa hoavy ny atao hoe FIAINANA MANDRAKIZAY.
*Ny fiangonana zandriny kosa dia manambara fa hoavy ny fotoana ka holevonina ny tany sy ny lanitra ary tontolo vaovao no hisolo ity hitan'ny maso ity.
*Mifanindry an-dalana amin'izany ihany saingy toa miova amin'ny etsy ambony dia ny vavolombelon'ny Jahovah. Mitovy ny finoana ny hisiany saingy tsy ho levona kosa ny tany sy ny lanitra fa saingy hanjary tontolo vaovao fotsiny ihany.
INONA NY TENA ZAVA-MISY MARINA?
Raha ny momba ity fanambarana ity dia samy mbola faminaniana avokoa aloha no hahafantaran'ny maro azy;raha toa ka ny baiboly no jerena.
Fa raha ny zava-misy hitan'ny maso no fakaina dia ny fahafatesana no manamarika ny fiafaran'ny andron'ny olona eto an-tany.
Tena mifarana eo tokoa ve ny andron'ny olona? sa mbola misy tantara mitohy?
ARY AHOANA NY FIJERIN'NY BAIBOLY?
Ny apokalipsy no tena miresaka betsaka indrindra momba ity fanambarana ity raha ny baiboly hatrany no resahana. Ahoana no lazainy?
------------->Apokalipsy 10:6 ary nianiana tamin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony;
Misy soratra masina maro ao milaza fa amin'ny fotoana hiverenan'i Jesosy indray eto ambonin'ny tany no ho tanteraka izany fotoana izany. Ary rehefa vita izay dia haka izay rehetra mino sy manaraka azy izy ka hitondra azy ireo any amin'ilay toerana efa nomaniny. Hisy zavatra maro hitranga alohan'izay saingy ny hiafarany dia ny hitsarana ny tany. Handraisan'ny olona ny valim-pitiany avy ary tsy olona tsy hahazo ny anjarany. Ka hisy ny hahazo fiainana mandrakizay ary hisy hofaty mandrakizay any amin'ny helo (afobe)
TENA HIVERINA MARINA VE JESOSY?
vakio ange ito teny eto ambany eto ito e!
Apokalipsy 1:7 "Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena."
TENA HAKA NY MINO AZY MARINA VE JESOSY?
raha ny fizarazaran-kevitra maro dia mizarazara arak'izany koa ny fiheverana izany fanambarana izany. Fa ahoana hoy ny baiboly?
----------->Jaona 14:2 Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa."
------------->1Tesaloniana4:16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;
Misy fanambarana mitovy aloha eto raha ny baiboly no asian-teny.
HO POTIKA TOKOA VE IZAO ZAVATRA TSARA BE HITANTSIKA IZAO SA AMBOARINA FOTSINY?
Ito fanambarana ito dia toa mampiady hevitra sy sarotra hinoana. SATRIA NAHOANA?
Tamin'ny fomba tsy takatry ny saina no nahaforonan'izao hitan'ny maso rehetra izao,koa nahoana moa no ho levona? eny fa na ny lanitra aza;kanefa any aza no fitoeran'Andriamanitra?
Fa ito anie vakiana e,
------------>Matio 24: 35 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
------------>Apokalipsy 8: 7 Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin'ny tany irany; ary may ny ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.
Mahagaga e? tsy mampino hoe ho marina izany teny izany,kanefa tsy maintsy ho tanterahana faingana.
TENA HISY MARINA VE NY FITSARANA SY NY HOE AFOBE?
ito no fanambarana hanamarika ny tantaran'ny olom-belona rehetra satria eto no hisaraka ny lalana.
Betsaka dia betsaka no tsy mino azy ity satria tena mampitahotra sy mampihorohoro ilay zavatra hiseho.
FA MANINONA?
eto no hifarana ny tantaran'ity glaoby mahatamana ny maro ity,tsarovy fa rehefa tonga io fotoana io dia tsy olona tsy ho tsaraina araky ny vitany tety ary misy boky firaketana izany ao amin'Adrandriamanitra ka ho ampamoahina ny momban'ny tenany avy ny olona na dia ny eritreriny aza.
-------------->Matio12:36Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony.
------------->Apokalipsy 20:12 Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany.
MISY VE NY AFOBE?IZA NO MAKANY?
ito no tena mampangorintsina satria izay diso eo anatrehan'ny Mpitsara an'izao rehetra izao dia hahazo fanamelohana. Misy andiany ireto manazava kely izany ihany.
*hoy Jesosy hoe fa tsy maintsy ho havahana amin'ny tsipary ny vary ary ny tsipary dia hangonina amin'ny fehezana iray ary dorana any ivelan'ny tanana.
------------->Matio13:30 Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.
-------------->Apokalipsy20:10 Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo.
15 Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
--------------->Apokalipsy21:8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
SOLOINA INONA NY TANY? IZA NO HITOETRA AMINY? IZA NO NANAO AZY?
Aza kivy aloha ianao fa toa ohatran'ny mampatahotra be ilay izy a,fa tsarovy! ny marina hovonjena noho ny fahamarinany.
Misy hafatra tokana izay nataon'i Jesosy tamin'ny mpianany hoe MIHARIA HARENA ANY AN-DANITRA!
------------>Lioka12:33manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
Fa rehefa tanteraka ny fitsarana dia samy haka ny fonenany avy ny olona izay toerana namboarin'ny Tompo hoazy ary eo izy no hisitra ilay harena izay nohariany
AIZA ILAY TOERANA ARY E?
vakio ange ito e:
------------->Apokalipsy 21:1 Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra,21ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.22 Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny.
Misaotra anao namaky,raha misy fanamarihana dia eto aho afaka hamaly anao amin'izay mety tsy mazava na tsy mitovy.
...........Zavona Rakoto..........

Hametraka hevitra
Midira aloha