Mpamosavy sa kely betratra? (Zavona Rakoto)

Mpanoratra Zavona Rakoto
Nampiditra ZavonaRakoto
Nitsidika 112
Mpanoratra Zavona Rakoto
nivaivay tanteraka ny fanjanahan-tany tamin'izany ary tena nangorohoro ny vahoaka noho ny asa an-terivozona mihoa-pampana nataon'ny vazaha. nahatsinjo zavatra hafahafa anefa ny mponina indray maka ka revo ny hamantatra raha vazaha hanao haza lambo ity izy na mpamosavy,na irony bibidia kely betratra irony. Raikitra ny fanarahan-dia sy ny fijokoana ka tratra ihany ny farany. Zavona Rakoto
Pejy 1
Telo andro nisesy izay,nahatazamana diam-biby hafahafa foana teo an-tokotany. Samy nilaza izay filazany teo avokoa izay sendra mba nahita. Nisafo teto indray angamba ny vazaha halina fa diana Soavaly io,hoy dadatoa Ranaivo nahita ireto dian-kitro nalai-nisaraka temerim-potaka.
Dia mihomana indray izany isika vatan-dahy fa hiverina ny asa lalamby , hoy Ratrimo nihatokatoka nijery an-dRafaralahy zandrin’I Dada.
Diso kosa izany e,izay tsy nahavita mihoatran’ny enim-bolana ihany no alain’izy ireo eto raha misy ka Hoy dada nitsiky kely no sady nijery ahy.

Dia raikitra teo aloha ny tafasiry sy ny dinika,alahady  koa moa ny andro ka tsy nisy nakany antsaha ny vatan-dahy fa niala sasatra sy tra-maraina toy izao. Tao ny sasany nampiady hain-teny,tao ny nifandrantsana tamin’ny fanaovana ohabolana,ny sasany niloka tamin’ny ankamantatra; ny an-dry dada fanorona no nandaniany ny ron-dohany teo.
Tonga saina tampotampoka aho rehefa afaka kelikely ary nanontany an’I dada avy hatrany,
Ary soa dia ilay hoe kely betratra no nandalo teto amintsika halina,hoy aho nibitsibitsika.
Avy hatrany dia nitraka nijery an’I dada avokoa izy rehetra,bitsibitsiky ny lavanify tokoa fa naheno daholo izy dimy lahy naman’I dada.
Andeha hohamarinina tokoa izany hoy Raleba fa ndrao ka horingana eto avokoa isika sy ny vady aman-janantsika,hoy hatrany izy nanakentrina kely ny handriny.

Marina izany,hoy I dada. Saingy na izany na tsy izany dia aleo samy hitandrina foana fa tsy fantatra izay ataon’ny vazaha amintsika a.

Dia samy nikoropaka avy eo izy rehetra,rava teo ny kilalao sy ny raharaha manga rehetra fa roso handeha hitsongo dia avokoa ny lehilahy matanjaka teo. Novelomina ny kiririoka fanairana fa ndrao mbola misy ny afaka manatevin-daharana ireo mpitsongo dia. Noraisina avy eo ny lefona sy ny langilangy ary roso ny fanarahan-dia,ny ahy moa dia fanoto no nolanjaiko fa io no hitako ho mavesabesatra azo haninjahana tsara raha sanatria ka misy ny tokoa.

Nikarenjy hatrany anaty lohasaha rehetra iny ity diam-biby,namaky tanimbary ary toa niakatra havoana kely izay; dia tapitra tsy nisy famantarana itsony. Tsy tapitapitr’izay dia indreny koa nisy andiana tovolahy maromaro nanao akora lava,sanganehana teo ny antokonay,niandry sy nihainohaino mandarapahatongan’iretsy mpiantsoantso avy ery ambadiky ny havoana.

Fa misy inona lehiretsy a?hoy I dada nanontany raha vantany tonga nisafoaka nandalo anay ireto vatan-dahy ranjanana sy vaventy.
Manaraka dian’omby izahay fa very halina ny ombin-dRalafy mpanarivo ery andafy andrefana. Hoy ilay iraika lahy taty amin’ny vodilaharana.

Andao lehiretsy arahantsika ireny a! hoy Rafaralahy nanome baiko anay rehetra.

Dia samy nitsoriaka avy tato afara avokoa izahay rehetra. Ny ahy teto no be indrindra fa tsy naharaka ny dian’iretsy lehilahy matanja-be iretsy aho kanefa mbola nanampy trotraka ihany koa ilay fanoto.
Nisohaika mihitsy aho vao nahadify ilay lohasaha kely,I dada moa dia nitokiky tsy nisy toy izany nahita ity fahasahiranako nanafotra ahy. Nony kelikely dia injay horakoraka sy kotaba be ihany re tao aloha tao.

Io e,io e hoy ny hakora lavareny avy any ambadika any nanako eran’ny saha iray manontolo.

Nijanona avokoa izahay niandy izay hiseho. Inona tokoa fa omby efa-dahy matavy be no indreny norohasina avy any. Tapa-tsinay sy nikakakaka ingahy Ratrimo raha nahita an’izany.

Ireny ny kely betratranareo lehiretsy a! hoy izy nanohy nivanitika sy niondrika namehy ny kibony.

Andao lehiretsy hiverina a! omby namaky vala izany ireny nikarenjy halina ireny hoy I dada no sady nandray ny sandriko.

Dia niara niverina indray izahay rehetra. Nahatsiaro tena ho lanaka mihitsy aho teto,ny hanoanana namely,ny dia an-tongotra lavitra, ny fanoto norizarizaina eran’ity lohasaha rehetra ity. Tena nitady raharaha ohatran’ny rain’ilay zafy aho ity,takizay tsy niteny an’iny hevitro iny aho marina.
Dia samy nirihotra izahay rehetra ary nony farany dia nigadona tao an-tanana,ranga sofina daholo ny mpiara-monina fa samy te handre vaovao. Lasa resaka eran’ny vohitra ny momba iny kely betratra kely betratra iny.
Nanjaka ny vazaha tamin’izany,dia samy nangorohoro indray ny ambany lanitra fa manao haza lambo ireo lehilahy roapolo taona no ho miakatra indray izy ireo fa hanao tetezana lehibe hono mba ahafahana mitatitra vokatra hihazo ny tanan-dehibe. Alina ny andro,injany misy rodorodo re any ambadiky ny trano. Tsy tapitapitr’izay dia misy mandona mafy ny varavarana,dia mivoraka be miaraka amin’izay koa ny lohanao. Alina efa nisesy dia toy izany foana no niseho.

Misy mpamosavy indray any ho any hoy dada mantsy ahy nony maraina.
Tsy niteny aho fa nipitrapitra lanin’ny tahotra. Tsapan’I dada angamba ny tahotro fa nitehaka kely ny soroko izy. Ao fa ataon’I dada mitondra faisana izay mpamosavy manakorontana antsika any hoy indray izy nanome fanantenana ho ahy,I neny moa tsy niteny.
Tonga tokoa ilay nandrasana,mikitroka dia mikitroka ny andro. Nanao harato fandrika tao andakozia I dada ary niandry tery ambony zavoka hijoko ity mpanakorontana anay isak’alina. Tsy ela tokoa dia injany,feon-tongotra migadogadona re avy any anat ala avy any. Notsofin’ny rivotra moramora koa ilay varavarakely tao atsimon-trano ka nitanila.

Injay ilay mpamosavy neny a! hoy aho nikitika an’I neny. Tsy niteny izy fa nosarominy lamba ny lohany dia tsy nihetsika izy. Nanomboka nivoraka indray avy eo ny lohako ary toy ny tsy tafa-hetsika mihitsy aho.

Dona mafy dia mafy avy eo no reko nanokatra ny varavaran’ny lakozia dia niongotra ny varavarana ary voasalotry ny harato fandrika ilay mpanakorontana anay. Fivanitihana indray ny ahy tao an-trano fa hay ka lambo ity noheverina ho mpamosavy.

Zavona Rakoto
                        31 oktobra 2024
112 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.078