NY "FOMBA" SY NY "SAMPY" (Zavona Rakoto)

Mpanoratra Zavona Rakoto
Nampiditra ZavonaRakoto
Nitsidika 17
Mpanoratra Zavona Rakoto
Ny fomba sy ny sampy
Pejy 1
“FOMBA” SY” SAMPY”
Zavatra roa lehibe samy hafa kanefa sarotra avahana ny hoe fomba sy hoe sampy.
FAHALALANA AN-KAPOBENY: taorian’ny vanim-potoana kristiana (1818) tany ho any no nandom-baravarana teto amintsika ny kristianisma. Tamin’izany no nanafohanana voalohany ny sampy teto amin’ny nosintsika. Nisy ny fampielezana ny filazantsara ary niafara tamin’ny fandravana doany izany.
Niroborobo nanomboka teo ny maha kristiana ary maro ny Malagasy nanara-dia,ary teo no nanomboka nifangaro ny atao hoe fomba sy ny hoe sampy.

NY FOMBA: tamin’ny razana Malagasy,na hoe ny Ntaolo Malagasy dia ny fomba no nentina nanehoana fanajana sy nanehoana ny maha izy azy ny zava-boary iray na ny vohitra iray na ny fiarahamonina iray.
Samy nanana ny endriny avy anefa ny fomba arakaraka ilay toe-javatra sy tranga hisehoany.
Ohatra amin’izany ny fanolorana vody akoho hoan’ny ray aman-dreny be na ny zoky olona eo an-tanana,ny fanoloram-bodiondry hoan’ny ray aman-drenin-jazavavy angatahana ho vady sy ny solon-dranombary tsy masaka fanao rehefa fahafatesana sy ny sisa.

Karazana fomba ireo voalaza teo ireo ary mbola maro ny Malagasy no mandala azy ankehitriny. Misy anefa ny fomba azo soloina na koe hoe ovaina (solom-body akoho,solom-bodiondry , solon-draharaha) samy natao vola avokoa rehefa taty aoriana.
Afaka miova isaky ny vanim-potoana ny fomba saingy hevitra tokana ihany no fonosiny dia ny fanomezan-kaja sy Hasina hoan’ny zava-boary na vohitra iray.

Ny fomba dia fahazarana napetraka ary afaka ovaina sy soloina mifanaraka ny vanim-potoana sy ny olona sy vohitra hanaovana azy. Misy ireo fomba tsy afaka novaina noho ny antony voafaritra mazava,toy ny fomba fanorenana fasana,famorana,sns
Azo atao tsara ny mikaroka fomba hafa raha toa ka nisy ireo singa afaka hanovaina izany
ohatra ny fary sy akondro ary ny voasary rehefa famorana. Tsy hoe ireny akory no vokatra dia ireny no natao fa mana-kasina ireny zava-boary ireny ka nanaovana fomba,tsy nisy zavatra afaka nanolona azy anefa ka dia najanona ho toy ny teo aloha ihany hatramin’izao.

NY SAMPY: araka ny famaritana ara-kristiana dia ireo fomba sy endrika fanadratana zavatra hitovy lenta amin’ny Andriamanitra na heverina ho andriamanitra mihitsy no atao hoe sampy ary afaka hanaovana zavatra tsara sy ratsy.
“tanala very sampy,manolo no mety” hoy ny Ntaolo. Raha amin’ny maha Malagasy dia mety sady azo atao ny manana sampy. ny mpanjaka Malagasy rehetra dia samy nanana ny sampiny avokoa,isan’izany Andrianampoinimerina izay mpanjaka nalaza indrindra tamin’ny mpanjakan’ny merina, Ranavalona II sns hafa. Samy nanana ny fomba fanasinana azy daholo koa anefa ireo karazana sampy nisy ary isany ny fanaovana joro amina doany. “DOANY” dia hiantsoana ireo toerana fanaovana fanatitra na fanomezana hoan’ilay sampy na koa hoe **andriamanitra (trano fiangonana izy raha amin’ny kristiana)

Ny sampy dia fomba fanandratana ireo zavatra manana hery mihoatra ny hery maha olona nitokiana ,tompoina sy natao hiaro ary hitahy ary ahafahana manao tsitsika (mosavy).

NY MAHA ANDRIAMANITRA: io no natsoin’ny Ntaolo ihany koa hoe zanahary be na koa hoe zanahary. Raha asiana jery todika dia manana hery mihoatra ny maha olona izy saingy tsy sampy velively sanatria. Ny kristiana no tena mampiasa an’io fomba filaza anankiray io,tompoiny koa io,angatahany fiarovana hanaovany fanatitra sy hiandrandrany fitahiana saingy tsy afaka hanaovana tsitsika (mosavy). Io mosavy no tsy hitovizany amin’ireo karazana sampy, hery tsy natao hamaliana faty fa afaka maneho fahatezerana. Araky ny angn-kevitra sy lovan-tsofina dia io no hery fara-tampony mahery sy masina indrindra.
17 1

Hevitra mandeha

ZavonaRakoto 3 andro lasa
Afaka Tsikeraina ity fikarohana nataoko ity

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0711