FIRAISAN-KINA (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 25
Mpanoratra AZRAEL
"E!e!e! Mba mifankatiava e! E!e!e! Mba miraisa hina!"...
Pejy 1
Niasa ny taniko tamin'ny herinandro ny fokonolona, ary tsy nokaramaina fa ny sakafon'izy ireo ihany no niantohako! Nahagaga ahy izay mponin'andrenivohitra voatendry hiasa taty ambanivohitra loatra izany. Mbola tena manjaka ny valin-tanana, na asa tany na manosy, na manetsa, sns!
Nisy fotoana narary voan'ny "hemmoragie" koa ny vadiko, fa poa toy izay, dia vory ny vatan-dahy nilanja azy ho eny amin'ny CSB 2. Tsisy resa-bola hatrany izany!
Mbola voatahiry ny firaisan-kina sy ny fahendren'ny Ntaolo eny ambanivohitra, na dia tsy tena mitovy tanteraka tahaka ny taloha intsony aza. Asa anefa raha fantatsika ankehitriny fa firaisan-kina no nahavitan'ny Ntaolo zavatra goavana taloha, toy ny lapan'andriana sy ny tambohony mafy dia mafy (misy atody, sokay, tany mena...), nandavaka farihy (ohatra io farihy Tatamarina Betafo Antsirabe io dia tsy voajanahary fa nohadiana), toy izany koa ireny fefiloha (digue) goavam-be ireny....
25

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0112