MPIANDRY TSY MAMADI-DRAZANA (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 55
Mpanoratra AZRAEL
Arovy ny zon'ireo tsy mamadi-drazana ry Fanjakana...
Pejy 1
Zava-misy mampalahelo mpiseho noho ny finoana sy faharesen-dahatra tsy mitovy izy ity. Tena mbola tsy eken'ny ankamaroan'ny mpamadi-drazana ny atao hoe fanajana ny safidin'ny tsirairay na koa ireo atao hoe zo fototra, na ireo karazana "libertés foodamentales", toy ny "liberté de conscience, de culte, d'opinion...".
Saika mahazo ireo karazon'olona misafidy ny tsy hamadi-drazana intsony ity tsindrihazolena ity, indrindra fa ny mpiandry, dia ny TSY FAHAZOANA MANDOVA, NA FANESORANA AMINY NY TANY. Miharihary fa "incompatible" amin'ny maha Kristiana ny famadihana, noho ny fisian'ny fanandroana, sikidy, firesahana amin'ny maty, sns ao anatiny, ka izany no ialan'ny Kristiana maro amin'ny famadihana. Mba nianatra Lalàna ihany aho, fa tena tsisy Lalàna milaza fa "desherité" ny olona miala amin'ny famadihana. Ianareo Fanjakana (mpanao Lalàna sy Fitsarana) mihitsy no tokony hanafay an'ireny olona mamoromporona Lalàna tsy misy ireny, satria tsy manaja zon'olombelona ny mpanenjika mpiandry!
55

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0136