FIANGONANA SY FANJAKANA (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 12
Mpanoratra AZRAEL
Tsy fanjakana laïque i Madagasikara
Pejy 1
Aty Antsirabe, faritra Vakinankaratra dia misy Fiangonana EKAR naorina ho manara-penitra; saingy tsy noraran'ny fanjakana ny fanohizana ny fanorenana azy. Hatreto dia tsy fantatra loatra izay tena antony, fa honohono no betsaka. Fiangonana miisa  telo (03) izy ireo no fantatro, ary marihiko fa EKAR avokoa: ny anankiray ao amin'ny kaominin'i Manandona amin'iny lalana mianantsimo mankany Ambositra iny; ny iray ao Antanetinilapa Kaominina Ibity andrefan'ny renirano sahatany, efa manakaiky an'i Bemaha; ny anankiray kosa dia any Alakamisin'Andrianovona any andrefan'i Betafo amin'ny lalana mizotra mankany Ambohilmasina hatreo Antokofoana no mianavaratra fehizay.
Izay antony nanasaziana ireo Fiangonana ireo ho tsy azo tohizana ny fanorenana azy, dia tsy fantatra mazava hatreo: ilay EKAR ao Andrianovona manokana dia efa maniry ahitra sy hazo ao anatiny,ary raha ny renay dia toa hoe: tena voasazin'ny Fanjakana raha misy mihevitra ny hanohyny fanorenana sy mikitikitika eo! (fa inona loatra re no antony e?)!
Hitako ho mitongilana ihany anefa "Rafanja" rehefa tena atao ny kaonty: asa, na tsaroantsika ilay "affaire FPVM Antaninanandrano" tamin'ny taona 2003 iny, dia nakatona avokoa ny FPVM rehetra manerana an'i Gasikara. Teto kosa, dia mahagaga ahy, fa nisy fotoana aza, ny Evekan'Antananarivo mihitsy no voalazan'ny Fanjakana fa "impliqué"tamin'ny "opération Apollo", fa tsy dia hitakop izay fepetra noraisina, fa toa "passé sous silence" Rafanja! dia ireto EKAR tsy azo tohizana fanorenanan notanisaiko ireto, mandainga izay naheno tamin'ny vaovao (Radio, Tele, Gazety, sns) an'ireo isika.
Tsy fisintonana lakolosy, ary tsy misy tombony ho ahy rahateo koa anefa izany, fa te hisintona ny saintsika fotsiny aho hoe: matanjaka ny Fiangonana, "intouchable", ary izany FFKM izany aza manana "statut légal" manokana amin'ny resaka politika eto Madagasikara; ka sao mijabaka fa tsy Fanjakana laika ny Fanjakana Malagasy
12

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0161