Perikopa ALAHADY IV Man-Paska (JAONA 16:5-15) (AZRAEL)
Ny asa FANDRESEN-DAHATRA ataon'ny FANAHY MASINA
Pejy 1
Eto amin'ity Perikopa ity dia "mampiaiky", izany hoe mandresy lahatra tanteraka izao tontolo izao no asan'ny Fanahy Masina. Inona avokoa moa no ampiaikeny izao tontolo izao?Voalohany dia ny fahotana: tsy mahay miaiky ny fahotany, sady tsy mahalala akory ny haratsian'ny fahotana ataony ny olona tsy resen'ny Fanahy Masina lahatra. Matoa mbola betsaka ny Kristiana manatona mpimasy, mifoka, miloka, mijangajanga, mamadika, manala zaza, sns dia TSY MBOLA RESY LAHATRA FA FAHOTANA NY ATAONY! Mbola tsy tsapany fa mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny zavatra ataony.
Faharoa, ny fahamarinana: Jesosy no lalana sy FAHAMARINANA ary fiainana (Jao 16:4). Ny olona resy lahatry ny Fanahy Masina dia manatona an'i Jesosy AO AMIN'NY FIANGONANA satria ao no itoriana marina sy madio ny Tenin'Andriamanitra, sy izarana marina ny Sakramenta.
Fahatelo, ny fitsarana: fanamelohana no hevitry ny hoe fitsarana eto. Resy lahatra amin'ny fanamelohana izay tsy ao @ Kristy ny olona rehefa iasan'ny Fanahy Masina.
Hametraka hevitra
Midira aloha