PERIKOPA FLM-ALAHADIN'NY TRINITE (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 78
Mpanoratra AZRAEL
Jaona 3:1-15
Pejy 1
Ny fahaterahana indray dia sarin-teny ihany izay ilazàn'i Jesosy ny fiovana mahery vaika eo amin'ny mpanota tonga zanak'Andriamanitra. Izany hoe mampirisika an'i Nikodemosy hiova Jesosy eto. Ary tsy Nikodemosy irery no tokony hateraka indray, tokony hiova fa NY OLONA,i.e. Isika rehetra. FA NAHOANA?
- Satria nandova ota, faharatsiana,aretina,sns isika. Porofo fa nandova ota isika, dia jereo ny fiaraha-monina misy antsika:MIHARATSY ISAN'ANDRO. Vao hatrany am-bohoka isika dia RATSIANA ny renintsika, satria isika ilay zanaka ao an-kibo mihitsy no mitady zavatra ratsy: ao ny reny ratsiana voamadilo, ratsiana fofona maloto, ratsiana biriky. Marina tokoa ny tenin'Andriamanitra fa ny olona dia ratsy hatramin'ny fahazazany.
INONA ARY NO ATAO MBA HAHAFAHANA MIOVA?
-Mila mibebaka: ao @ Baiboly DIEM ny hoe mibebaha dia adikany hoe IALAO NY TOETRA RATSY."ny tarehy ratsy tsy azo ovaina" hoy ny Ntaolo"fa ny toetra ratsy azo ialana".
78

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.055