PERIKOPA FLM-ALAHADIN'NY TRINITE (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 115
Mpanoratra AZRAEL
Jaona 3:1-15
Pejy 2
Ny tena fibebahana marina dia azo tsapain-tanana: tahaka ny ondrin-drano miofo ho angidina, dia tahaka izany ny olona mibebaka. Raha misy olona ao @ Kristy dia ZAVA-BOAARY VAOVAO (Gr.KALEIN KTISIS) fa "tsy olom-baovao fotsiny izy". KARAZANY HAFA MIHITSY AHO E! Hoy ny hiran'i Rija Rasolondraibe.
Ahoana no ahatongavana amin'izany fiovàna goavana izany? Minoa an'i Jesosy Tompo! Ny fisian'io Jesosy io ao am-ponao, ao amin'ny fiainanao, no hahatonga anao ho olom-baovao tanteraka. Mandraisa an'i Jesosy ary ho Tompo sy Mpamonjin'ny fiainanao, fa ho tsapanao tokoa ny fahamarinan'ilay hirantsika hoe "Fanavaozana izay mahagaga tokoa nomen'i Jesosy ahy re", ary hiainanao ety an-tany sahady ny fifalian'ny lanitra. AMENA.
115

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.077