TORITENY NITSOFAN-DRANO MPANALA BACC SY BEPC (AZRAEL)
Ohabolana 16:3
Pejy 1
"ankino amin'i YHWH ny asanao, dia ho lavorary izay kasainao": Maro aminareo mpianatra no manana fikasana tsara, ho dokotera, ho mpampianatra, ho filoham-pirenena (sa misy te hanao dahalo?)... Tsara izany satria te ho tafita avokoa. Raha te ho tafita ary dia ireto no secret atolotry ny Tenin'A/tra:-voalohany, mila miasa: ny asanareo mpianatra dia MIANATRA! Mamerin-desona, manao devoir, sns. Na mivavaka mafy aza ianareo, kanefa TSY MIASA, dia tsy ho afa-panadinana. A/tra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany an!
-Faharoa, ANKININA AMIN'A/TRA NY FIKASANA: aza manankina ny asa sy ny fikasana @ vintana, ny ody, sns. Mahalala olona iray aho hanao fanadinana pĂ´lisy, dia nody tany Ambanivohitra hanarina vintana hono! Conseil: aleo mangata-bavaka @ Pastora na Mompera fa ireny dia manankina amin'Andriamanitra ny fikasanao!
Andriamanitra izay efa nanomboka ny asa tsara tao anatinareo anie no mbola hanefa izany! Mirary soa ho anareo rehetra ho afa-panadinana. AMENA
Hametraka hevitra
Midira aloha