"Kely foana no mbola hitoeran'ny mazava aminareo..." (Jao 12:35-43) (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 287
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1

Raha lazaina amin'ny teny hafa dia "kely sisa no hitoeran'ny mazava aminareo". Kely sisa= midika izany fa tsy manam-potoana betsaka hanaranam-po amin'ny nofo intsony isika fa AKAIKY NY FARANY:

  • Kely sisa hisentoanao
  • Kely sisa no hiaretanao fahoriana eto an-tany
  • Kely sisa fotoana hahafahanao manararaotra manao ny asan'Andriamanitra
  • Kely sisa hahafahanao mino an'i Jesosy mba handraisanao ny famonjena...
    Kely sisa, KA AZA MANAIKY INTSONY HOHAJAMBAIN'NY ANDRIAMANITR'IZAO TONTOLO IZAO; AZA MIRAIKI-PO INTSONY AMIN'NY FAHOTANA... Fa mitenena kosa miaraka amin'ny hira FFPM hoe:
    "Ka amin'izao sisa izao,
    Mikasa aho Tompo ô!
    Hanao izay nohafaranao,
    Hanaraka anao am-po:
    Satana dia holaviko,
    Hafoiko izao tontolo izao,
    Rafesiko ny nofoko,
    Fa hianao Mpamonjy ô!
    Mpanavotra tsy foiko
    No sisa hotompoiko".
287

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.011