Perikopa FLM Andro Niakarana (Elysé Azrael)
Mar 16:14-20
Pejy 1
Niakatra ho any an-danitra Jesosy 40 andro taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty. Inona ary no dikan'ny hoe niakatra ho any an-danitra?Niakatra, na nisandratra ho amin'ny toerana sahaza Azy i Jesosy Kristy. Hoy ny Fanekem-pinoana Apostolika: "niakatra ho any an-danitra, mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra Ray Tsitoha". Inona no ataony any? MIFONA HO ANTSIKA!
Ny tokony ho tsiahivintsika mafy anefa dia izao: TSY FANDAOZANA ANTSIKA NO NIAKARAN'I JESOSY NANKANY AN-DANITRA! Amin'ny maha Andriamanitra Azy dia manerana izao rehetra izao (omniprésen), mahalala ny zavatra rehetra (omniscient), ary mahefa ny zavatra rehetra (omnipotent) i Jesosy Kristy. "Ny lanitra dia sarin-teny ihany, fa tsy omby an'Andriamanitra velively io habakabaka manga lazaintsika fa lanitra io". Izany no ahafahany "miara-miasa" amin'ny mino sy "manamarina amin'ny famantarana izay momba azy". Raha manana an'i Jesosy tokoa ianao "mino" Azy, dia matokia fa "miara-miasa" aminao Izy.
Hametraka hevitra
Midira aloha