HOTRA/MPANOTRA (Elysé Azrael)
Mystery ny fahaiza-manotra fitsaboana Malagasy...
Pejy 1
Nampiaiky ahy ny fahaizan'ity mpanotra iray teto Antsirabe. Tapaka ny taolam-pen'ny zanako noho ny accident nahazo anay mianaka tamin'ny cyclo-pousse tamin'ny zoma 24 Jolay 2025 lasa teo. Nony nentina teny amin'ny Hopitaly dia tsotra ny azy: didiana dia miditra hopitaly, ary farafahakeliny mandany iray tapitrisa ny fitsaboana ny zanako!Tsy neken'ny saiko avy hatrany izany ka lasa aho! Nitady mpanotra ka nankao andrefan-tsena, ary natondron'olona ireo zafikelin'ingahy Rapiera avy any Betafo. Nahitsiny ny tongon-janako, no-"platrena", ary nomeny toky aho fa roatokombolana raha ela indrindra dia sitrana ny zanako! Nisaotra ny Tompo aho, sady nisaotra ireo mpanotra tamim-pankasitrahana tokoa.
Inona moa no tian-kambara? Efa nahita olona maro notsaboin'ny dokotera aho: fa iny plâtra sy famerenana taolana iny matetika tsy hain'izy ireo mihitsy, satria misy fotoana tsy mifanitsy ny taolana, na andidiany indray aza ny taolanao sy ny hozatrao! Betsaka ireo manjary kilemaina tsy fidiny noho izany!
Hametraka hevitra
Midira aloha