Fiaraha-monina tsy mila an'Andriamanitra (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 41
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 2
Ny zava-misy mantsy dia izao: mihambo ho "atheiste" na tsy mino mihitsy an'Andriamanitra ny sasany, kanefa mbola mamorona na miankina amina "théorie mythique" toy ny évolutionnisme, big bang, sns. Ny vazaha sasany indray dia milaza ho tsy mino ny fisian'Andriamanitra mpamorona kanefa milaza fa manaiky ny fisian'ny "Hery Lehibe" iray, ary indraindray dia antsoiny hoe "L'Univers" io hery lehibe io.
Izany hoe mino an'Andriamanitra ihany zareo, saingy izy ireo no te hametraka ny fitsipi-dalao fa tsy Andriamanitra! Heveriny ho fahambaniana ny manaiky ny fanambaran-tenan'Andriamanitra, ka Andriamanitra indray no baikoiny hoe: "ny anaranao dia univers, ny fifandraisanay aminao dia miankina aminay fa aoka izay ny Baiboly, lany andro ny Fiangonana, ny fitondrantenanay tsy maintsy ekenao fa Andriamanitra lany daty ianao raha tsy manaiky izany...". Izany raha fehezina no fisainan'ny olona milaza ho tsy mila an'Andriamanitra, kanefa miantsampy amin'ny fiainana ara-panahy ihany any ho any.
41

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008