KABARY MALAGASY (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 70
Mpanoratra Elysé Azrael
Drafitry ny Kabary Malagasy
Pejy 1
Mirafitra tahatahaka izao ny Kabary Malagasy amin'ny ankapobeny:
-ALA SARONA: Hainteny tsara rafitra sy manaitaitra ny mpihaino no anokafana ny fitenenana.Ohatra: "Laingo anie aho ka laingo! Lainjo malefaka noseranan-drivotra ka miondrika aloha vao mitraka"
-AZAFADY: Lahimatoam-pitenena ny teny azafady araka ny fisainana Malagasy.Misy an-tanatohatra ny fanaovana azafady: ny zokibe toa Ray,ny zandry zanaka mahaleo mahalasana, ny mitovy saranga amin'ny tena,ary ny andriambavilanitra.
-FIALAN-TSINY: ampahany lava indrindra ity fialana tsiny ity.Mila ialàna tsiny ny fitenenana alohan'ny Ray aman-dreny sy ny zoky, ny tsy fahaiza-miteny, sns.Mila alàna ny tsiny satria ratsy sady tsy zakan'ny teo aloha ka tsy ombana manana.
-HASINA SY ARAHABA ARY FIRARIANTSOA: Ny Hasina dia ho an'Andriamanitra irery ihany satria Izy irery no MASINA.Ny arahaba sy firariantsoa dia atolotra ireo andriam-panana azy,ka arakaraka ny antom-pivoriana ny Arofenitra.
-RANJAN-KABARY
Amin'ny ankapobeny, ireo no mila fehezina dia mahay mikabary.
70

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089