Marina-Rariny-Hitsiny (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 6
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Ny olona marina dia mifanohitra amin'ny olona tsy marina, olo-meloka, mpandainga, mpihatsaravelatsihy, olon-dratsy, olon-tsy vanona, sns. Ny Marina araka izany dia toetra tonga lafatra mitovitovy hevitra amin'ny hoe Tsara. Ny olana amin'ny Marina dia satria samy manana ny "MariNY" ny fomba fijery samy hafa (filozofia, fivavahana, sns).
Ny Rariny indray dia izay sahaza ny olona arakaraka ny maha marina na diso azy. Izany hoe ny Rariny dia vokatra marin'ny fitsaran'olombelona na fitsaran'Andriamanitra, ary ny fitsarana tsy miangatra tokoa no hany mampisy ny Rariny. Ny Rariny dia firindrana, filaminana, firariana. Saika mijanona ho firariana ihany anefa matetika ny Rariny, satria mitaky fananan-kery sy fampiasan-kery ny fampiharana azy.
Ny Hitsiny kosa indray dia ny fampiharana ny Rariny. Ny olo-mahitsy, manaraka ny lala-mahitsy tsy tia olakolaka na bilabila no afaka mampihatra ny Hitsiny. Ny fampiharana ny Hitsiny dia mitaky fihainoana ny feon'ny fieritreretana sy ny tsy fiangarana.
6

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0148