Misy ny Révélation avy amin'Andriamanitra (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 16
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Ny mpanazava Soratra Masina rehetra (na ny mpitoriteny rehetra) dia tsy maintsy mampiasa "connaissance" sy "révélation" avokoa. Ny mampalahelo dia matetika ny olona nianatra Teolojia dia manao tsinontsinona "révélation", ary ny tsy nianatra Teolojia indray dia manamaivana ny "connaissance".
Inona moa ny "connaissance"? Ny fahaizana "langues bibliques", ny Tantaran'ny Fiangonana, ny "sciences sociales"... Ny "Clérgés" (Pasteurs&Prêtres) matetika no mandalina an'izany. Rehefa mandinika sy manazava Soratra Masina izy ireo dia ny "connaissance" no tena iankinany betsaka...
Ny "révélation" kosa dia ny hevitra manokan'ny Soratra Masina, bitsiky ny Fanahy Masina amin'ny olona mikatsaka marina an'Andriamanitra. Ny olana amin'ny "révélation" anefa dia noho izy ataon'ny sasany "pretexte" hivoahana amin'ny Soratra Masina.
Hita matetika koa ity: manana "complexe" ny mpitondra fivavahana raha toa ka olona "laïc" no mahazo "révélation", ka lasa ilay "révélation" mihitsy indray no toheriny...
16

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0774