Ny fahafatesana ara-panahy (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 16
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Ny tsy fisian'ny aina na ny fofon'aina ao anaty intsony no antsoina hoe fahafatesana, raha ny fahafatesana ara-nofo no resahina. Amin'ny lafiny ara-panahy ihany koa dia misy "aina", "loharanon'aina" hafa karazana iray izay mamelona ny fanahy: Tsy iza izany fa Jesosy Kristy! "Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana" hoy ny Tenin'Andriamanitra, "fa izay tsy manana ny Zanaka tsy hahita fiainana" (Jao 3:36); izany hoe MATY, FATY AVOKOA NY OLONA TSY MANANA AN'I JESOSY KRISTY HO TOMPO SY MPAMONJY NY FIAINANY, FATY NY OLONA TSY MINO AN'I JESOSY!
Ny fonenan'ny maty ara-panahy dia FASANA: ny tranon'olona tsy manana an'i Jesosy dia fasana; ny fon'ny olona tsy manana an'i Jesosy dia fasana; ary na Fiangonana aza sanatria no feno maty ara-panahy dia fasana! Mama Nenilava raha namangy Fiangonana iray tany Frantsa dia hoy izy: "Mahita faty be dia be iray Fiangonana aho". Hoy ny Tenin'Andriamanitra amin'ny maty fanahy rehetra: "Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangana amin'ny maty,dia hanazava anao Kristy" (Efe 5:14).
16

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0084