Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny "zava-miafin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra" (mystère de la piété) (Elysé Azrael)
Pejy 1
Amin'izao fotoanan'ny liberalisme sy ny post-modernisme izao, dia "samy manao izay mahafalifaly ny fony" ny olona rehetra, mankafy fiainana fa tsy impiry ho tanora! Ara-bakiteny tokoa ilay hoe: "tsy izahay no maditra fa ny revy no tsy ritra"... Mila mitandrina mafy anefa isika Kristiana fa tsy "éxcuse" eo anatrehan'Andriamanitra mihitsy izany!Ho an'ny olona tsy manana an'i Jesosy, sy tsy mivavaka, dia MAFY AMINY TOKOA ny:
-tsy mirevy
-tsy mijangajanga
-mamela heloka sy mivavaka ho an'ny fahavalony
-tsy mitsiriritra
-tsy manao afera maloto...
Fa ho an'ny olona mivavaka sy manana an'i Jesosy kosa, dia "mahay ny zavatra rehetra amin'Ilay MAMPAHERY azy", "nomeny HERY ho tonga zanak'Andriamanitra", "tsy nomeny fanahy osa fa FANAHY MAHERY", ary mahasahy milaza tahaka an'i Jaona Apostoly hoe: "tsy mavesatra ny didiny": izany no "zava-miafin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra". Tsy manan-jo hanao tsirambina ny ara-panahy isika raha tena tiantsika ho azo tsapain-tanana ny "spiritualité"-tsika.

Hametraka hevitra
Midira aloha